Juliana Harsianti ay amin'ny GV, nandray anjara fitenenana nandritra ny fotoam-pivoriana iray tao amin'ny Internet Governance Forum (IGF 2023) natao tao Kyoto (Japàna) ny 8 hatramin'ny 12 Oktôbra tamin'ity taona ity.
Nomena lohateny hoe “Fitsaratsaram-poana mifototra amin'ny fiteny sy ny mahalahy sy vavy ety an-tambajotra”, ilay atrikasa dia mifanaraka amin'ny ” Lohahevitra 5 Ny Fivakisana Nomerika sy ny Fampiatiana”, araka ny famaritana ofisialy ny atrikasa avy amin'ilay vovonana, ary “mifantoka amin'ny fihaonan'ireo fiteny, ny aterineto, ary ny fivakisana nomerika noho ny mahalahy sy vavy”. Ankoatra ny zavatra hafa, ilay tranonkala dia manome misimisy kokoa topimaso momba ireo mpandray fitenenana, ny vokatra andrandraina amin'ilay atrikasa sy ireo teboka lehibe mila tsongaina.
Taterin'i Harsianti fa ireo mpandray fitenenana dia nifanakalo hevitra momba ny fampiasàna ireo fitsaratsaram-poana ara-pitenenana eny anatin'ny fiteny nomerika, izay ny vehivavy, ny ankizivavy ary ireo vondrona vitsy an'isa no tena iharan'izy ireny. Araka ny ambaran'i Harsianti, ny fitsaratsaram-poana dia tsy hoe fotsiny vao mainka manaratsy ny fivakisana nomerika noho ny mahalahy sy vavy, fa koa manavakavaka eny anivon'ireo fiventiventesan'ny media ireo lasitra fampiasa goavana ho an'ny fiteny.