Mafanavay ny adihevitra ny zom-pirenena Frantsay an'i Andry Rajoelina eto Madagasikara

Andry Rajoelina, Pikantsary tao amin'ny fantsona YouTube de Tv5monde Info

Eo am-panomanana fifidianana filoham-pirenena anaty adihevitry ny zom-pirenena roa an’ny Filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina, i Madagasikara, amin'izao fotoana izao. Raha ny lalàna Malagasy tokoa, manafoana ho azy ny zom-pirenena Malagasy, ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana ny fakana zom-pirenena hafa .

Hifidy izay ho filoha vaovaon’ny Repoblikan’i Madagasikara ny Malagasy amin'ny 9 novambra 2023. Roa volana latsaka mialoha izany fifidianana izany, mbola miteraka resabe eto amin’ny firenena, indrindra eo amin’ireo mpisehatra politika, ny resaka zom-pirenena roa ananan'i Andry Rajoelina, filoha mametra-pialana.

Ny lalàmpanorenan'ny repoblika fahefatra eto Madagasikara no manery an'i Andry Rajoelina hametra-pialana amin'ny maha filoha azy raha hilatsaka hofidiana fanindroany. Hoy ny voalazan'ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana:

(…)Le Président de la République en exercice qui se porte candidat aux élections Présidentielles démissionne de son poste soixante jours avant la date du scrutin Présidentiel(…)

(…)Mametra-pialana amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika am-perinasa enimpolo andro mialoha ny datim-pifidianana Filoham-pirenena raha hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana Filoham-pirenena (…)

Tokony hosoloin'i Herimanana Razafimahefa, filohan’ny Antenimierandoholona izy. Saingy tsy nety ity farany ity ary nankinina tamin'ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra ny fiadidiana ny repoblika. Tsy nankasitrahan'ny mpanohitra izany toe-javatra izany, ka miampanga an'i Andry Rajoelina ho te hanodikodina ny fifidianana izy ireo, araka ny fanazavan'ity lahatsary avy amin'ny Africanews ity:

Raha hamantatra songadim-baovao malagasy vakio teny malagasy : Teboka itodihana: Inona no hovakiana hahatakarana ny adihevitra mialoha fifidianana eto Madagasikara? [mg]

Inona no lazain’ny lalàna malagasy?

Raha ny marina, dia tsy mamela olona hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fananana zom-pirenena vahiny. Milaza ny andininy faha-42 malaza amin'ny didim-panjakana laharana faha-60 – 064 tamin'ny 22 Jolay 1960 fa:

Perd la nationalité malgache, le Malgache majeur qui acquiert volontairement une nationalité étrangère.

Very ny zom-pirenena Malagasy ho an’ izay olondehibe Malagasy naka an-tsitrapo zom-pirenena vahiny.

Miampy ny andininy faha-46 amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy milaza hoe :

Tout candidat aux fonctions de Président de la République doit être de nationalité malagasy.

Tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy avokoa izay kandidà ho Filohan’ny Repoblika.

Mamaritra ihany koa ny fehezan-dalàna mifehy ny fifidianana fa:

Seul un citoyen de nationalité malgache peut se présenter à l'élection présidentielle.

Ny olom-pirenena Malagasy ihany no afaka milatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Nanomboka tamin'ny volana jona anefa, navoaka sy niparitaka tamin'ny tambajotra sosialy ny antontan-taratasy tamin'ny taona 2014 manamarina ny fizakàna zom-pirenena Frantsay an-dRajoelina. Nanjary loharanon’ny adihevitra miverimberina eo amin’ny fiainana ara-politika Malagasy ity vaovao mifandray amin’ny zom-pirenen’ny filoha ity. Manararaotra izany ireo mpiserasera, indrindra fa ireo mpanohitra sy mpitsikera ny fitondrana mba hiampangana ny lehiben'ny fanjakana amin'ny famadihan-tanindrazana avo lenta sy nanao “fahadisoam-pitondrantena” .

Tamin'ny 17 jona, andro vitsivitsy taorian’ny famoahana ny zom-pirenena frantsay ny filoha, nizara tao amin’ny pejy Facebook-ny ny lahatsoratra navoakan'i Fanirisoa Ernaivo, mpahay lalàna, kandidà teo aloha tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara i Fernand Cello, mpanao gazety mpanao famotorana. Manazava ao amin'ny lahatsorany i Fanirisoa hoe:

ANDRY RAJOELINA – MIZAKA NY ZOM-PIRENENA FRANTSAY FA TSY DOUBLE.
” Tsy manana « double nationalité » ny Filoha Andry Rajoelina fa « simple nationalité française » hoy i Fanirisoa Ernaivo. Sady tsy nolovainy tamin’ny dadany na ny dadabeny mantsy io zom-pirenena frantsay ananany io no efa 40 taona izy no nangataka sy nahazo izany tamin’ny 2014 hoy ity mpitsara teo aloha sy Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha ity. Mihatra avy hatrany amin’ny Filoha Andry Rajoelina arak’izany ny andininy fa 42 ao amin’ny Code de la nationalité Malagasy izay milaza fa very avy hatrany ny zom-pirenena Malagasy ho an’ny Malagasy feno taona izay misafidy haka zom-pirenena hafa.” hoy i Fanirisoa Ernaivo izay nanazava mikasika ny « procédure de naturalisation » concernant la nationalité du président Andry Rajoelina:

Torak’izany ihany koa ny lahatsary iray nivoaka tao amin’ny pejy Facebook-n’ny Rien ne va + (by Abdel en vrai) izay niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, lahatsary mametra-panontaniana ny amin’ny fihetsiky ny filoha malagasy teo aloha: Namadika ny vahoakany ve ny filoha Malagasy? Ity ny lahatsary:

Nandritra ny fandaharana manokana mivantana, telo herinandro taorian’ny nipoiran’ny resabe momba ny fahazoana ny zom-pirenena frantsay, niaiky ny filoha Malagasy fa tena nahazo ny “nationalisation” tamin’ny taona 2014 ho tombontsoan’ny zanany. Ao amin'ity lahatsoratra avy amin'ny media TRTAfrica ity, manazava i Andry Rajoelina hoe:

Je n’étais plus au pouvoir à cette époque, et j’ai accepté cette démarche dans l’intérêt de mes enfants qui devaient poursuivre des études universitaires en France. Quel parent ne ferait pas tout pour ses enfants?

Tsy teo amin’ny fitondrana intsony aho tamin’izany, ary nanaiky izany ho tombotsoan'ireo zanako izay hanohy ny fianarana eny amin’ny oniversite any Frantsa. Iza no ray aman-dreny tsy hanao ny zava-drehetra ho an'ny zanany?

Nambarany fa zony ny hahazo zom-pirenena frantsay, satria nanana izany ny raibeny. Saingy nolavin'i Fanirisoa Ernaivo, sesitany ara-politika ary mpanohitra mafana fo ny fitondrana, izay manome ny heviny manokana eto, ao amin'ny pejiny Facebook  ity fanambarana ity:

Taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2009, naka ny zom-pirenena frantsay i Andry Raojelina mba tsy hohenjehana ara-pitsarana taorian'ilay fanonganam-panjakana mihosin-dra sy ireo afera sy letrezana natao nandritra ny Tetezamita.
Tsy nandova tamin'ny rainy izy.
Tsy tokony ho fialofan'ny jiolahy i Lafrantsa.

Vokany, manao ny fomba rehetra ny mpanohitra hanakanana an’i Andry Rajoelina tsy hilatsaka hofidiana fanindroany.

Fitoriana an'i Andry Rajoelina tsy nisy valiny mahafa-po

Tsy voafetra amin’ny adihevitra ihany ny resaka zom-pirenena. Nametraka fitoriana noho ny “fisolokiana sy fampiasana hosoka, fitsikilovana sy fanohintohinana ny fiarovana ivelany ny Fanjakana” teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Malagasy ny Fikambanana ho an'ny lalàna sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara (ADM), tarihin’i Fanirisoa Ernaivo, mpitsoa-ponenana politika any Frantsa.

Nampitain'ny fampahalalam-baovao Orange Actu Madagascar tao amin'ny pejy Facebook-ny ny vaovao:

Pikantsarin'ny kaonty Facebookn'ny ‘Orange Actu Madagascar

Tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny gazety Le Monde, niampanga ny lehiben'ny fanjakana ho nikasa hanafina ny zom-pireneny Frantsay tamin'ny naha filoha azy, sy nandika lalàna tamin'ny firotsahany ho filoham-pirenena tamin'ny taona 2018 ny fikambanana.

Fangatahana iray hafa koa no napetrak’i Fanirisoa Ernaivo teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) momba ny zom-pirenen’i Andry Rajoelina. Nolavin’ny HCC manontolo ny fangatahana. Tamin’ny didim-pitsarana 04-HCC/AR nivoaka ny 22 aogositra 2023 izay nozarain'ny haino aman-jery Taniko Madagascar, nanambara ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa:​

La Haute Cour Constitutionnelle n’est pas compétente pour dire et juger si Rajoelina Andry Nirina a perdu la nationalité malagasy.

Tsy manana fahefana hilaza sy hitsara ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana raha very zom-pirenena malagasy i Rajoelina Andry Nirina.

Faly tamin'ny fanapahan-kevitry ny HCC ireo mpanohana sy mpiaro ny fitondrana toa an'i Rinah Rakotomanga tamin'ny filazana tao amin'ny pejy Facebook-ny hoe:

Na dia teo aza ny fikasana rehetra hanakanana ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, dia mbola nirotsaka hofidiana fanindroany ihany izy. Noho izany dia nisy ireo fangatahana fanafoanana ny firotsahan’ny filoha Andry Rajoelina hofidiana filoham-pirenena napetrak'ireo kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena, noho izy manana zom-pirenena roa. Nambaran’ny HCC fa tsy azo ekena ireo fangatahana rehetra ireo tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana laharana faha-6.

Resaka Madagasikara namoaka ny vaovao momba ny fitarainan'ireo kandidà nolavin'ny HCC:

Amin’izao ankatoky ny fifidianana amin’ny volana novambra izao, mbola mihenjana hatrany ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Mampiasa hatrany ny fomba rehetra hanilihana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifaninanana hiditra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, toeram-piasan'ny Filohan’i Madagasikara, ireo kandidà miisa 11 amin’ny fifidianana.

Miezaka manetsika vahoaka hanao fihetsiketsehana ireo mpanohitra. Saingy mitombo ihany koa ny fisamborana. Mba hisorohana izay fihetsiketsehana, manao fisafoana tsy tapaka ao amin'ny kianjan'ny 13 mai, toerana manan-tantara eto amin’ny firenena izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fihetsiketsehana ara-politika eto Madagasikara ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.