Ny Andron'ny Tany manakaiky, ireo Karaibeana manohy ny ady amin'ny fisamboaravoaran'onjan'ny plastika, saingy mbola manantena

Ireo mpikambana ao amin'ny Greenwich Town Fisherfolk Benevolent Society ao Jamaika dia nandray anjara lehibe tamin'ny fanesorana ny fako mitsingevana eny ambonin'ny rano nandritra ny fanadiovana ny morontsirakaa nnataoan'ny tetikasa Kingston Harbour Cleanup Project tamin'ny 1 Aprily 2023 teo. Sary an'i Khristina Godfrey, nampiasaina nahazoana alàlana.

Miaina ambony planeta plastika ve isika ? Any Karaiba, matetika toa manototra be  ilay olana : lalan-driaka feno plastika, toerana fanaovana fizahantany rakotry ny fako, fanariam-pako tsy ara-dalàna mitranga eny amin'ireo moron-dalana an-tanàndehibe, plastika natsipy eny amin'ny sisin-dranomasina ary ny fitarainana mikasika ny tsy fahatombombanan'ny famongorana sy fanangonana ny fako.

Ao ambanin'ny tazamaso, mifanehatra amin'ny anjara plastikany ireo mpisitrika an-dranomasina ary manadio tsy tapaka ny any ambany ranomasina, amin'ny alalan'ny fandaharan'asa toy ny  Dive Against Debris ao Curaçao. Voakasika avokoa ireo kazaram-piainana rehetra an-dranomasina, anisan'izany ireo voron-dranomasina, izay araka ny voalazan'ny mpahay siansa dia tratry ny plastikôzy.

Velarana plastika iray sy fako plastika hafa mandrakotra ny morontsiraka mifanila amin'ny Shoemaker Gully, talohan'ny nanombohan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo Kingston Harbour Cleanup Project ny fanadiovany tamin'ny Sabotsy 1 Aprily 202. Sary an'i Khristina Godfrey, nampiasaina nahazoana alalana.

Fanampin'izany,  matetika ny fako plastika no omena tsiny ho mampitombo ny vokatry ny tondradrano mandritra ny fotoam-pahavaratra, any amin'ireo faritany ao an-toerana toa an'i Jamaika sy Trinidad ary Tobago, izay mandraay anjara araka izany ihany koa amin'ny loza voajanahary. Ny fiantraikany amin'izao fotoana izao sy amin'ny ho avy amin'ny fizahantany – loharano iray hafa miteraka fako plastika – sy ireo asa hafa mifandraika amin'ny ranomasina dia efa saika tsy tambo ho isaina. Asongadin’ireo tatitra vao haingana ny fitomboana tsy mitsahatr'ireo olana, na ho an'ny vondrom-piarahamonina amoron-tsiraka izany na amin'ny toekaren'ilay nosy kely.

Araka ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana nny Tontolo Iainana, manodidina ny 400 tapitrisa taonina eo ho eo ny plastika vokarina isan-taona maneran-tany, ary mihazakazaka ny hafainganam-pandehan'ny famokarana plastika hatramin'ny taona 1970. Mampanahy ny antontan'isa :

Eo ho eo amin'ny 36 isanjaton'ny plastika rehetra vokarina no ampiasaina hanaovana fanosana, anisan'izany ny vokatra plastika fampiasa in-dray tssy miverina ho an'ireo fitoeran-tsakafo sy zava-pisotro, izay manodidina ny 85 isanjaton'izy ireo no miafara any amin'ny fanariam-pako na tahaka ny fako tsy voafehy.

Fanampin'izany, manodidina ny 98% amin'ireo vokatra plastika fampiasa inn-drazay tsy miverina no namboarina avy tamin'ny solika fôsily na ireo vokatra “mbola tsy nampiasaina”. Ny tahan'ny fandefasana entona mananfàna ny tany mifandraika amin'ny famokarana, ny fampiasana ary ny fanariana ireo plastika nahazatra nampiasàna ny solika fôsily dia heverina fa hahatratra 19% amin'ny tetibola karbôna  eran-tany amin'ny 2040.

Na mampatahotra aza ny antontan'isa, dia misy ny ezaka mafy natao, na maneran-tany izany na tany Karaiba, mba hampitsaharana ny fitosahan'ny plastika.

Tamin'ny Martsa 2022, nifanaraka hiaraka hiasa amin'ny fandrafetana ny Fivoriambe fahadimin'ny Firenena Mikambana momba ny Tontolo Iainana tany Nairobi mba handrafitra ny Fifanarahana iray erantany mikasika ny plastika maneran-tany ao amin'ny Firenena Mikambana ary hanefy fifanarahana iray iraisam-pirenena manery arka ny lalàna mandrapahatongan'ny taona 2024. Tsy maintsy mbola mila vahàna ny olana goavana sasany rehefa hivory indray  any Parisy, Frantsa, manomboka amin'ny 29 May hatramin'ny 2 Jona 2023 ireo mpandresy lahatra. Antenain'ireo Fikambanana mpiaro tontolo iainana toy ny Greenpeace ny hisian'ny fifanekena matanjaka iray, misy laharam-pahamehana roa  :

Haavo ambony indrindra tamin'ny famokarana plastika tsy mbola niasa tamin'ny taona 2017, arahan'ny fampihenana betsaka sy mitombo isan-taona amin'ny famokarana sy fampiasana plastika.
Tapitra hatreo ny plastika ampiasaina in-dray mandeha monja, manomboka amin'ireo tena tsy ilaina sy manimba indrindra.

Maneran-tany, manao izay azony atao ireo ONG amin'ny fanaizana ny saina sy fitadiavana vahaolana araham-pamoronana. Lonely Whale, ohatra, dia niara-niasa tamin'ny mpamorona lamaody Tom Ford mba hanome  isan-taona ny loka iray aantssoina hoe Plastic Innovation Prize, mikendry karazana plastika iray manokana, haarrona plastika faaran'izay manify, ary mitady fanolo maharitra.

Na eo aza ilay sary matromatroka, ara-drariny ny filazana fa miady amin'ny plastika ihany koa i Karaiba sady manamafy fa mahomby  ao anatin'ity ezaka ity ny fiarahamiasa.

Nandritra ny fitsidihana notarihan'ny tetikasa, ireo mpianatra avy ao amin'ny Sekoly Amabaratonga fototra St. Aloysius dia mijery tsara, raha ny Interceptor Tender kosa mitatitra ireo fako mankany amin'ny toby famindrana an'ny Tetikasa Kingston Harbour Cleanup Project. Sary an'i Gareth Cobran, nampiasaina nahazoana alalana.

Ohatra iray manan-danja ny Kingston Harbour Cleanup Project (KHCP), fiarahamiasa eo amin'ny ONG iray malaza laharana voalohany maneran-tany  Ocean Cleanup, ny Grace Kennedy Foundation ao Jamaika, ary ny Clean Harbours Jamaica. Nahasarika mpanaraka marobe tao an-toerana ny hetsika, anisan'izany ireo fikambanana tsy mitady tombony sy ny sehatry ny fandraharahana. Raha mbola mitohy ny tetikasa fametrahana sakana efatra ho famandrihana ny fako – eto, izay ivarinan'ireo hantsana ho any amin'ilay seranantsambo natoraly lehibe indrindra faha-valo erantany – mitohy, dia nitehaka ireny ezaka ireny Ny Ocean Cleanup teo amin'ny Twitter :

Mbola vaovao tsara marobe avy any Jamaika !

Manohy miady amin'ny fandotoana plastika ao anatin'ireo tata-drano ao Kingston ireo Mpisambotra 008, 009, 010 ary 011

Mbola eo am-panamafisana ny habetsahan'ny azo foana izahay – aza misaraka aminay hahazoan hatrany ny antsipirihany mikasika ny vokatr'ireo mpisambotra nalefanay amin'ny fandotoana plastika ao Jamaika.
— The Ocean Cleanup (@TheOceanCleanup) April 6, 2023

Ny KHCP, izay ahitana mpikambana mandray anjara avy amin'ireo vondrom-piarahamonina efatra ao afovoan-tanàna, dia nanamafy fa efa nahasakana fako milanja 213 980 kilograma tsy hiditra teny amin'ny seranan-tsambo, teo anelanelan'ny volana Febroary 2022 sy Martsa 2023. Nanambara tamin'ny Global Voices ny Tale Jeneralin'ny  GraceKennedy Foundation, Caroline Mahfood, tao anaty imailaka hoe :

Tsy hisalasalana fa loharan-karena voajanahary ny seranana. Ity tetikasa ity dia natao ho fiarahana miasa amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, ny ONG sy ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina, mba hampihenana ny fahalotoan'ny seranan-tsambo ary hamoronana tontolo iray mahasalama ho an'ny biby sy ny olona miankina aminy. Antenainay fa ny ezaka ataonay eto dia handray anjara, tsy ho an'ny fisiana seranana salama kokoa ihany, fa hanokatra koa lalana hisiana hoavy maharitra izay hositrahan'ireo taranaka ho avy.

Efa napetraka ny fisakanan'ireo governemanta sasany ao Karaiba nny karazana plastika sasany. Tamin'ny 1 Janoary 2019 nny fandraràna harona plastika fampiasa indray mandeha monja, ny fampiasana mololo sy ny polystyrène no nanankery tao Jamaika, ary vao haingana no nambaran'ny minisitra tomponandraikitra fa hodinihana amin'ny taona ho avy ny fandraràna iray vaovao an'ireo vokatra misy ‘microbilles’, ary koa ireo fitoeran-tsakafo vita plastika hita eny rehetra eny nisolo toerana ny polystyrène malemilemy. Nametraka drafitra mitovy amin'izany koa i Antigua sy Barbuda, ary nankato miandalana an'ireo fandraràna ireo firenena hafa ao Karaiba. Na izany aza, mbola misy hatrany ny ahiahy mikasika ny mikroplastika ary banga ny tabilao.

Na eo aza ny tahotra hoe tsy ho azo averina ampiasaina daholo ny ankabeazan'ny plastika eran-tany, any Etazonia ohatra, dia  mbola manohy mampihatra fandaharanasa fanodinana mitohy ireo firenena ao Karaiba, amin'ny alalan'ny fanomezana vola ho an'ny famerenana tavoahangy. Tetikasa iray maodely any trinité-Tobago no mikendry ny hanodina ny 20 isanjaton'ny tavoahangy plastika ao aminy hatramin'ny taona 2025. Nanangona tavoahangy 125 tapitrisa ny Recycling Partners any Jamaika (enina tapitrisa livres na 2,7 tapitrisa kilao) tamin'ny taona 2022 ary manitatra be n y asany, issan'izany ny fahafahany manangona tamin'ity taona ity. Niteny ny fikambanana fa “feno ny toeram-panangonany tavoahangy” ary hitany ny fahalianana goavana eny anivon'ireo olom-pirenena handray anjara.

Mandritra izany fotoana izany, manohy ny ezaka ataony ho an'ny vondrom-piarahamonina ny Jamaica Environment Trust mba hanatsarana ny fitantanana ny fako amin'ny ankapobeny. Efa tototry ny fandraisam-pirotsashana sahady ny fanadiovany ireo morontsiraka amin'ny Andron'ny Tany 2023, izay hafantoka ao an-tseranan'i Kingston.

Na sarotra aza ny fampihenana ny fandotoana plastika, indrindra fa ho an'ireo nosy madinika ao Karaiba, dia hita toa vitan'ireo olompirenena hatrany ny miatrika ny fanamby. Amin'izao ankatoky ny Andron'ny Tany izao, angamba mety hivadika ny tantara.

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.