Fanaraha-maso ny haino vaky jery, fandrahonana mihatra amin'ny demaokrasia any Nizeria

 Mpanao gazety Nizeriana tao amin'ny World Economic Forum on Africa tany Abuja, Nizeria, 2014. Sary avy amin'i Jakob Polacsek ao amin'ny Flickr, Copyright World Economic Forum (CC BY-NC-SA 2.0).

Avy amin'i Yinka Olaito

Manana anjara toerana lehibe amin'ny fitandroana ny demaokrasia ny haino vaky jery amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ny fahefam-panjakana sy ny fanamafisana ny feon'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika. Na izany aza, manenjika sy manakantsakana hatrany ny fahafahan'ny media manatanteraka ny asany tena ilaina ny governemanta, sy ireo mpanao politika marobe ao Nizeria .

Araka ny ranty X (Twitter taloha) avy amin'ny The Cable, tranonkalam-baovao an-jotra Nizeriana, niatrika fanafihana vao haingana ireo mpanao gazety Nizeriana maromaro sy trano fampahalalam-baovao telo:

IPC: mpanao gazety Nizeriana 66, trano fampitam-baovao telo notafihana tamin'ny taona 2022

Nofaritan'ny BBC fa ny sehatra haino vaky jery ao Nizeria no tena mavitrika indrindra ao Afrika. Na izany aza, tsy midika izany fa tsy tratran'ny sivana na fanenjehana ny haino aman-jery. Matetika rahonana, samborina, na vonoina mihitsy aza ny mpanao gazety noho ny tatitra ataony, ary indraindray akatona mihitsy ny fampahalalam-baovao. Tsy mahagaga izany, satria nidina ny laharan'i Nizeria ao amin'ny World Press Freedom Index, raha faha-120 tamin'ny firenena 180 tamin'ny taona 2021 dia lasa laharana faha-123 ny taona 2023. Nolavin'ny governemanta Nizeriana io filaharana io, saingy mbola mitoetra ny zava-misy. Nidina ny laharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Nizeria tato anatin'ny taona vitsivitsy, ary misy ny ahiahy lehibe momba ny fanorisorenana sy fampitahorana mpanao gazety.​

Ohatra, tamin'ny volana Febroary tamin'ny herintaona, nosamborin'ny sampan-draharaham-panjakana mpitsikilo (Department of State Services – DSS) i Lanre Arogundadeon, mpanao gazety lohalaharana raha teny an-dalana hiverina ho any Lagos niala tany Banjul ao Gambia. Taorian'ny famotsorana azy, nilaza ny DSS fa tranga fahadisoana fifangaroana olona izany saingy nilaza ny tatitra avy amin'ny Sahara Reporters fa voatonona ho iray amin'ireo mpanao gazety manohitra ny fitondran'ny filoha Muhammadu Bihari izy.

Nasehon'ny governora teo aloha tao amin'ny fanjakan'i Zamfara, minisitry ny fiarovam-pirenena ankehitriny, Bello Matawalle ny tranga hafa amin'ny fampijaliana ny asa fanaovan-gazety. Nandidy ny fanakatonana ireo fampahalalam-baovao enina izy noho ny fitantaran'izy ireo ny famoriam-bahoakan'ny antoko mpanohitra izay nandika ny fandraràna hetsika ara-politika avy amin'ny governemanta, fanapahan-kevitra izay toa noheverina ho fikasana hanakana ny mpanohitra.

Fanampin'izay, trano fampahalalam-baovao dimy eo ho eo, anisan'izany ny DSTV, no nosazian'ny Vaomieran'ny Fampielezam-peo Nizeria (NBC)  handoa onitra nitentina 5 tapitrisa NGN (eo ho eo amin'ny 6,4 tapitrisa dolara) tsirairay avy noho ny fandefasana tantara izay nolazainy fa “nanandratra asan- jiolahy”, fanapahan-kevitra iray notsikerain'ny Vaomiera Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka (ACHPR). Nampiharina tamin'ny Channels Television ihany koa ny fandoavana onitra mitovy amin'izany noho ny fandefasana ny hevitr'i Yusuf Datti, kandidà ho filoha lefitry avy amin'ny Antoko Mpiasa, momba ny voka-pifidianana ankapobeny Nizeriana tamin'ny taona 2023, tamin'ny filazana fa mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka ny fanehoan-keviny. Na dia ilaina aza ny fanakanana ny kabary feno fankahalàna sy ny teny manevateva, tsy niresaka manokana ireo olana ireo ny taratasin'ny NBC . Ankoatra izay, tsy voahaja ny fitsipiky ny fakàna am-bavany ara-drariny, izay mitaky dingana ara-dalàna tokony harahina alohan'ny fanomezan-tsazy handoa onitra.

Vao haingana, noravan'ny governemanta Federaly Nizeriana ny Advertising Standard Panel (APL) an'i Nizeria noho ny dokambarotra “All Eyes on the Judiciary (any amin'ny Fitsarana ny Maso rehetra)” naseho tamin'ny takela-by sasany manerana ny firenena. Manamafy ity trangan-javatra ity fa ilaina ny fahamalinana eo amin’ny sehatry ny fitsarana. Fivoarana mampanahy ny fandravana nataon'ny filankevi-pitantanan'ny Fandrindrana ny Dokambarotra ao Nizeria (Advertising Regulatory Council of Nigeria -ARCON). Hita amin’izany fa vonona hampiasa ny fahefany ny fitondram-panjakana mba hampanginana izay mitsikera azy. Manimba ny fahaleovantenan'ny indostrian'ny dokam-barotra ihany koa izany.

Mampanahy ihany koa ny fitakiana fitsipika henjana kokoa ifehezana ny media sosialy nataon'i Dele Alake, minisitry ny harena an-kibon'ny tany ankehitriny. Fitaovana mahery vaika amin'ny fifandraisana sy fanehoan-kevitra ny media sosialy. Mamela ny olona hizara malalaka ny heviny sy ny fomba fijeriny izany. Azo ampiasaina hanampenam-bava ny tsy mitovy hevitra sy hamerana ny fahalalahana miteny ny fitsipika henjana kokoa. Ohatra iray hafa amin'ny fomba ahafahan'ny governemanta mampiasa ny fahefany hampanginana ny haino aman-jery ny fandraràn'ny fitantanan'ny Filoha Buhari ny Twitter tamin'ny taona 2021. Efa ho fito volana no nisian’ny fandrarana, ary nisy fiantraikany ratsy tamin’ny fahalalaham-pitenenana teto Nizeria izany.

Ny mpitarika, ny mpanao politika ary ny lehiben'ny masoivoho Nizeriana dia tokony hanaraka ny Andininy faha-39 (1) (2) ao amin'ny lalàmpanorenana Nizeriana, izay miantoka ny fahalalahana miteny sy ny fametrahana ny haino vaky jery ho fitaovan'ny demaokrasia. Tsy maintsy miantoka ny fiasan'ny indostrian'ny haino vaky jery amin'ny fomba mahomby, mifanaraka amin'ny fitsipika voasoritra ao amin'ny andininy faha-16 sy faha-17 ao amin'ny Vaomiera Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka (ACHPR) ny mpitarika Nizeriana. Manantitrantitra ireo fitsipika ireo fa tokony omen'ny  governemanta sy ny masoivohony fahaleovantena ny haino vaky jery, mihazona ny fahamarinan'ireo birao mifehy ny haino aman-jery, ary misoroka ny fitsabahana ara-politika.

Mitàna anjara toerana lehibe amin’ny demaokrasia ny haino vaky jery, ary zava-dehibe ny fahalalahana manao ny asany tsy misy tahotra valifaty. Tsy maintsy manohana ny fampahalalam-baovao ny governemanta, ny sampan-draharaham-pitsarana ary ny sampan-draharahan'ny fanarahamaso ary miantoka fa manana fahalalahana mitati-baovao izy no afaka mihazona tamberin'andraikitra amin'ny governemanta. Tsy maintsy misoroka ny fanorisorenana ny haino vaky jery ihany koa ny governemanta, anisan'izany ny fisamborana mpanao gazety, ny fanakatonana ny haino vaky jery, na ny fandrahonana herisetra amin'ny mpanao gazety. Rehefa manenjika ny haino vaky jery ny governemanta, dia loza mitatao mivantana amin'ny demaokrasia izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.