Teboka itodihana: Inona no hovakiana hahatakarana ny adihevitra mialoha fifidianana eto Madagasikara

Pikantsary avy amin'ny YouTube channel Tv5monde. Fampiasana ara-drariny.

Manovokovoka mankany amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy i Madagasikara, ka kinasa hatao amin'ny 9 Novambra ny fihodinana voalohany, arahin'ny fihodinana faharoa amin'ny 20 Desambra 2023. Mba hahazoana fahatakarana bebe kokoa ny maha zava-dehibe ity fifidianana ity, dia namorona torolalana kely ny Global Voices manasongadina ireo loharanom-baovao mendrika hodinihina mba hanarahana ny vaovao malagasy.

Mamokatra vaovao amin’ny fiteny roa ny ankamaroan’ny haino vaky jery eto Madagasikara, dia ny teny malagasy sy ny teny frantsay, izay fiteny roa ofisialy eto amin’ny firenena. Tombanana ho 28 tapitrisa mahery ny mponina Malagasy, ary maherin’ny ampahefany no miteny frantsay.

Samy haino aman-jerim-panjakana miasa eo ambany fiahian’ny tarika ORTM ny Televiziona Malagasy sy ny Radiom-pirenena Malagasy. Manolotra mivantana manerana ny firenena izy ireo, miaraka amin'ny vondrona ORTM ary hita ao amin'ny YouTube ihany koa.

Ankoatra ireo fampahalalam-baovao lehibe ireo, dia manana anjara toerana lehibe amin'ny tontolon'ny haino vaky jery eto amin'ny nosy ny Sampan-draharahan'ny Gazety Malagasy. Miara-dalana amin'ny fampahalalam-baovaom-panjakana, ny tranokalam-baovao toa ny MadaTopInfo manolotra fitantarana feno momba ny vaovaom-pirenena amin'ny teny frantsay sy malagasy. Ankoatra izany, misy tranonkala amin'ny teny malagasy irery ihany, anisan'izany ny Newsmada, Madagate, and Infokmada.

Ao amin'ny sehatra ankihy, Agoramada, sehatra iray natokana hanomezana vaovao ho an'ireo mpisera aterineto momba ny hirika nomerika eto Madagasikara, mamoaka tsy tapaka ny antontanisa sy ny fironana amin'ireo ireo sehatra media sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena. Laplume indray sehatra iray hafa manokana amin'ny famoahana angon-drakitra sy antontanisa ilaina mifandraika amin'ny fampiasana media sosialy eto Madagasikara.

Amin'ny fananana mpanjohy maherin'ny 250.000 ao amin'ny Facebook, manolotra fanangonam-baovao manerana ny firenena ny fahitalavitra tsy miankina Viva TV Madagascar.  Nalefa fahitalavitra tao amin'ny vaovaon'ny 6 septambra 2023 an-dry zareo ny fanambaràna ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, filoha ankehitriny.

Ny Media-Madagascar Investigate, sehatra amin'ny fiteny roa manana foibe any Canada, indray no misolo tena ny ampahany amin'ny zanaka ampielezana Malagasy ary manaparitaka vaovao sy fanankotrihana momba ny tontolo politika, toekarena, fanatanjahantena ary kolontsaina ao amin'ny firenena.

Mihoatra ny sisin-taniny, nahasarika ny sain'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena maromaro amin'ny teny frantsay sy anglisy ny vaovao malagasy. Miavaka amin'izy ireo ny goavan'ny haino aman-jery frantsay TV5monde, France 24, ary Radio France Internationale, sy ny fizarana amin'ny teny frantsay ny fantsona Africanews. Manampy izany, mandray anjara mavitrika amin'ny fanangonam-baovao an'i Madagasikara ihany koa ny sampana amin'ny teny frantsay ao amin'ny fampitam-baovao avy any Angletera, toa ny BBC Afrique sy Africa 24. Ny gazetiboky Afrique XXI ihany koa manome fitantarana tsy tapaka momba ireo hetsika eto Madagasikara.

Voatombana tsy tapaka ny satan’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahana maneho hevitra ary tafiditra ao anatin’ny filaharana isan-taona ataon’ny fikambanana iraisampirenena Reporters Sans Frontières. Amin'ity taona 2023 ity, laharana faha-101 amin'ny 180 ny firenena amin'io tondro io.

Amin'ny vohikala

Amin'ny taham-pidirana 11,9 isanjato monja dia mbola voafetra ihany ny fidirana aterineto eto Madagasikara. Na eo aza izany, misy ampahany amin'ny mponina tanora mavitrika amin'ny aterineto, indrindra amin'ny fampiasana sehatra toy ny Facebook sy Twitter. Ahafahan'ny mpisera  aterineto eto amin'ny firenena mifandray afa-karatsaka amin'ny sehatra ny fifanarahana eo amin'ny Facebook sy ny mpanome tolotra fifandraisan-davitra eto Madagasikara.

Araka ny fampilaharana tamin'ny taona 2022 nataon'ny Digital Report momba ny fampiasana media sosialy eto Madagasikara, Facebook (mpikirakira 3,05 tapitrisa) sy Facebook Messenger (650,000) no sehatra media sosialy be mpikirakira indrindra ao amin'ny mponina. Manaraka azy ireo ny Instagram (147.400), Twitter (21.000) ary LinkedIn (250.000).

Ampiasain’ny olom-pirenena malagasy ho sehatra iray ihany koa ny Facebook hanairana amin'ny olana mianjady amin'ny fireneny. Ny sasany amin'ireo feo misongadina sy mavitrika indrindra amin'io lafiny io dia ahitana olo-malaza toa an'i Marie Christina Kolo, izay mavitrika amin-kafanampo miaro ny zon'ny vehivavy sy ny resaka toetr'andro. Eo ihany koa i Andriavina Ratafika Andrianarivo, mpahay lalàna, mpamakafaka politika ary tanora mpikatroka amin’ny fampiroboroboana ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Ankoatra izay, manome fanehoan-kevitra momba ny raharaham-pirenena malagasy avy any Paris, i Fanirisoa Ernaivo, mpahay lalàna sady kandidà ho filoham-pirenena teo aloha teto Madagasikara, izay fantatra amin'ny fahavitrihany sy ny fitsikerany ny fitondrana ankehitriny.

Herinandro vitsy sisa no hirosoana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, raharaha roa no mibahan-toerana. Voalohany, ny fisamborana amin’ny resaka kolikoly an’i Romy Voos Andrianarisoa, tale kabinetran'ny filoha Malagasy. Faharoa, ny zom-pirenena roa no azon’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny taona 2014. Mitady hofidiana fanindroany ny filoha Rajoelina, izay mizaka ny zom-pirenena frantsay sy malagasy. Mifamatotra amin'ny andininy 42 amin'ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy ity olana ity, izay milaza fa:

‘Perd la nationalité malgache, le Malgache majeur qui acquiert volontairement une nationalité étrangère’

Nanary ny zom-pirenena malagasy ny malagasy iray ampy taona naka an-tsitrapo ny zom-pirenena vahiny.

Mamaritra ny andininy faha-46 ao amin'ny Lalàmpanorenan'ny Repoblika fahefatra, izay napetraka hatramin'ny taona 2010,  fa:

Article 46.- Tout candidat aux fonctions de Président de la République doit être de nationalité malagasy.

Andininy 46 – Tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy izay kandidà ho Filohan’ny Repoblika.

Noho izany, ara-teknika dia tsy manana zom-pirenena malagasy ny filoha ankehitriny ka tsy tokony ho afaka hirotsaka hofidiana.

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia efa miomana ny hangotraka ny dinika, indrindra eo amin’ny sehatra nomerika, izay mitazona ny fahalalahana sy ny fahasamihafana lehibe kokoa raha oharina amin’ny haino aman-jerim-panjakana malagasy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.