Miezaka manangana ny tanànan'ny ho avy any amin'ny faritany Rosiana ny tanora, raha mitady ny lasa kosa ny mponina

Niverina tany an-tanindrazany avy any Moskoa taorian'ny nanombohan'ny ady i Daria Kuznetsova, mpanorina ny Horizon OKC. Sary: Evgeny Demshin ao amin'ny Novaya Vkladka. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratr'i Lola Romanova ity dia navoaka tao amin'ny Novaya Vkladka tamin'ny 25 Aogositra 2023. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny lahatsoratra nadika sy nasiam-panovana rehefa nahazoana alalana.

Manondro ny tenany ho “taranaka Boomerang” [miverina amin'ny niaviany] ny tanora Rosiana, izay niverina tany an-tanindrazany rehefa avy nipetraka tany an-tanàndehibe. Niverina tany Chaykovsky, tanàna kely ao amin'ny Urals ireo mpanakanto, poeta sy mpitao tanàndehibe, ary nanangana foibe ara-kolontsaina ho an'ny daholobe tao. Misedra fanoherana avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana ry zareo sy ny tsy fahampian'ny fahafantaran’ny mponina any an-toerana anefa izy ireo amin’izao fotoana izao.

‘Na mifindra monina aho na miverina any Chaykovsky’

Avy any Chaykovsky i Daria Kuznetsova, 25 taona ary nahazo diplaoma tao amin'ny Oniversitem-panjakana Moskoa. Nanokana ny fotoanany malalaka nandritra ny fialan-tsasatra tamin'ny famelabelarana momba ny zavakanto tao amin'ny tranombakoka ara-tantara sy ara-javakanto teo an-toerana tany Chaykovsky, tanàna niaviany ihany koa izy nandritra ny fianarany tany Moskoa.

Rindrina misy sary hosodoko nataon'i Kazimir Malevich tao Tchaikovsky. Sary: Evgeny Demshin ao amin'ny Novaya Vkladka. Nahazoana alalana.

Nanomboka anefa ny ady

“Tena sarotra ny tapa-bolana voalohany tamin’ny volana Febroary tany Moskoa. Nisy tsy firaharahana nanjo ahy, ary nisy feo miverimberina foana tato an-dohako”, hoy i Daria. “Tsy maintsy nisafidy aho: na mifindra monina [miala any Rosia] aho na miverina any Chaykovsky. Tsy afaka nijanona tao Moskoa intsony aho.”

Niaraka tamin'ny ekipan'ny mpikatroka hafa, nikarakara seminera mombana tetikasa i Daria ary nanolotra ny valin'ny fanadihadiana notontosain'ny ekipa teo aloha tamin'ny mponin'i Chaykovsky momba ny toerana tiany indrindra ao an-tanàna sy ny fiainana mampahazo aina ao.

Nanasa ny mpitantana ny tanàna ho amin'ity seminera ity ireo mpikatroka mba hifanakalo hevitra momba ny fomba hahatonga an'i Chaykovsky ho mampahazo aina kokoa ho an'ny mponina ao aminy. Tsy nisy namaly ny fanasana anefa ireo tompon’andraikitra. “Nampahafantarina izahay fa nandrahona ny handroaka mpiasam-panjakana ny lehiben’ny fitantanan-draharaha raha misy amin’izy ireo manatrika ny seminera”, hoy i Daria.

Noho ny fahatsapana fa tsy afaka miantehitra amin'ny fanohanana avy amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana izy ireo, dia nanapa-kevitra ireo mpikatroka fa hanangom-bola ho an'ny tetikasany. Nanofa toerana teo akaikin'ny tranoben'ny sinema Horizon teo aloha izy ireo ary nanangana foibe ara-kolotsaina ho an'ny daholobe izay nandray ilay anarana ary lasa “horizon (fara-vodilanitra)” vaovao ho an'ny tanoran'i Chaykovsky.

Mora mipoaka na i Pushkin aza ankehitriny

Mikasa ny hanampy ny tanora amin'ny fampandrosoana ny kolontsaina ao amin'ny tanàna niavian'izy ireo ny Horizon, tsy amin'ny fomba ofisialy fa amin'ny endrika tia famoronana sy maimaim-poana.

Miezaka ny hahatakatra sy hanaiky ireo olona manana fomba fijery hafa ny ao amin'ny Horizon, ary mandritra izany, tsy mamela ny tenany ho anisan'ny milina propagandin'ny fanjakana ireo mpikatroka.

Ohatra, tsy natao tao amin'ny Horizon tamin'ny 9 Mey [nankalazaina ho Andro Fandresena tany Rosia, ary ampiasain'ny prôpagandy ankehitriny] ny tononkalo iray natokana ho fahatsiarovana ny Mandatehezana Atsinanana (Ady Lehibe Faharoa) fa natao tamin'ny 22 Jona [andro nanombohan'ny ady tamin'ny fomba ofisialy nifanaovan'i Alemaina Nazi tany URSS tamin'ny taona 1941]. Mety hitondra dikany vaovao amin'ny tantara Rosiana izy io raha araka ny filazan'ny foibe. “Andro fisaonana ny 22 Jona. Manana heviny hafa tanteraka amin'izao vanim-potoanantsika izao ny Andron'ny Fandresena, raha manasongadina hakiviana, alahelo ary loza kosa ny 22 Jona,” hoy ny fanazavan'i David Yakunin, iray amin'ireo mpikatroka.

Tsy misy fetra ny famoronana

Na izany aza, hitan'i Horizon fa sarotra ny miala tanteraka amin'ny politika.

Iray amin'ireo mpanakanto tsy mahazatra indrindra i Alexander Bessmertnykh, izay aranty ao amin'ny Horizon ny sary hosodokony. Tamin'ny volana Aogositra 2022, nandritra ny fetiben'ny “Teboka Fidirana” («Tochka vhoda») tao an-tanàna, nanao fampisehoana izy: nitafy toy ny voafonja tamin'ny akanjo mitsipitsipika, nampiasa arin-dabozia i Bessmertnykh mba hanao sary amin'ny fitaratra eo ambonin'ny lohany. Ny foto-kevitra ao ambadiky ny fampisehoana dia ny mampiseho fa azo atao ny mamorona na inona na inona toe-javatra.

Na izany aza, mety ho sarotra ho an'ny mponina eo an-toerana ny zavakanto ankehitriny. Araka ny voalazan'i Bessmertnykh, ny tsy fahampian'ny fahalalàna momba ny sehatry ny zavakanto no tena antony. Na izany aza, mihevitra ireo mpikatroka fa, afaka manova ny fomba fijeriny ny olom-pirenena rehefa misy ny tolotanana sasany.

Mamaritra ny fiasana ao an-tanànany ho toy ny “fanandramana” ny mpanakanto an-dalambe fantatra amin'ny anarana hoe sane46 (izany no anasoniavany ny hosodokony), izay niverina tany Chaykovsky avy any Saint-Pétersbourg.

Taona maro lasa izay, nisy sekoly ara-javakanto an-dalambe tao Chaykovsky. Tamin'izany fotoana izany dia afaka mahita graffiti ara-tsosialy sy ara-politika eny an-dalamben'ny tanàna ianao. Ohatra, talohan'ny ady, dia nisy sangan'asa mahaliana iray: sarin'ny mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra, Vladimir Solovyov miampy teny hoe “LAINGA” voasoratra eo ambaniny. Mponina ao an-toerana izay nanao sonia ho Deks ny mpanoratra ity asa ity. Mampahatsiahy izany ny artista sane46, ao amin'ny rindrina ao amin'ny distrika afovoany, nisy ity sary ity teo amin'ny ilany iray, ary dokam-barotra momba ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna teo amin'ny ilany, teo akaikiny. Taorian'ny 24 Febroary 2022, nolokoana ny sary ahitana an'i Solovyov, raha mbola nijanona kosa ny dokam-barotra momba ny zava-mahadomelina.

Ankavia: Na dia voaloko manerana ny tanàna aza ny sarin'i Vladimir Solovyov teo amin'ny takelaka (pochoir), dia mbola tsy nesorina izany tany amin'ny faritra sasany ao Tchaikovsky. Eo afovoany: Hosodoko nataon'i Alexander Bessmertnykh, nihantona tamin'ny hazo tao anaty ala akaikin'ny fefiloha. Mampiseho ny litera Z izay “nokosehana sy nodinihina indray” ny asa an-davitra. Ankavanana: Asa nataon'ny mpanakanto sane46 “Toerana ijerena” Sary: Nailya Mirzalieva, Lola Romanova, Zhanna Nerinovskaya ho an'ny Novaya Vkladka. Nahazoana alalana.

Nakatona ny sekoly ara-javakanto an-dalambe rehefa nandao ny tanàna ireo tanora avy ao Chaykovsky, fa ny ekipan'ny Horizon kosa namelona indray ity endrika zavakanto ity amin'izao fotoana. Namorona graffiti mifototra amin'ny sary hosodoko nataon'i Malevich sy Botticelli teo amin'ny rindrin'ireo tranobe tranainy izy ireo. Na izany aza, te-hahita sary hosodoko tamin'ny vanim-potoanan'ny realisma sosialista ny mponina ao an-toerana — ny fitarihana ara-javakanto voalohany amin'ny literatiora sy ny zavakanto ao URSS. Araka ny voalazan'i Daria, “ny famerenana ny sary hosodoko tamin'ny vanim-potoanan'i Stalin dia saika mitovy amin'ny fiezahana hamerina ny lasa.” Taorian’ny fifanakalozan-kevitra nifanesy, dia nandoko ny zavatra noeritreretiny ny ekipan’ny mpanakanto. Koa satria tsy nosimbain'ny mpandroba ny sary an-drindrina hatramin'izao, mino ireo mpikatroka fa misy ny fanantenana ho an'ny fiovana tsara eo amin'ny olona.

Ankavia: Rindrina nasiana sary hosodoko “Lohataona” nataon'i Sandro Botticelli. Eo afovoany: Lohataona, tonga eto ny olona hisotro rano. Ankavanana: Ao amin'ny tokotanin'i Tchaikovsky, matetika hita ny fametrahana tsy nampoizina nataon'ny mpanakanto teo an-toerana Sergei Korolev, voasokitra tamin'ny poplar nosatrohamboninahitra. Ireo rehetra ireo dia mifototra amin'ny tantaram-bahoaka Sary: Evgeny Demshin ho an'ny Novaya Vkladka. Nahazoana alalana.

‘Aiza no hanaovanay ny tsipika’

Iray amin'ireo tanjon'ny Horizon ny mianatra mandray ireo fomba fijery samihafa, araka ny fanazavan'ny mpikambana ao aminy. Izany no mahatonga azy ireo mandray olona avy amin'ny firehana samihafa, anisan'izany ny politika. Tovovavy sambany nitsidika ity ivon-toerana ity no naneho ny fanantenana fa noho ny fikambanana tahaka izao dia azo atao ny mamorona “fiaraha-monina maha-olombelona”.

Mikendry ny hitazona ny fahaleovantenany ny ivon-toerana, noho izany, tsy mitady fanohanana amin'ny manampahefana ao an-tanàna ny mpikambana ao aminy, na dia mety ho sarotra aza izany indraindray.

Tamin'ny volana Jona 2023, nahazo famatsiam-bola avy amin'ny governora ho an'ny fetiben'ny tanàn-dehibe, ny haitontolo iainana ary ny zavakanto ny Horizon. Anisan’ny tetikasa hafa nahazo famatsiam-bola ireo hetsika fitiavan-tanindrazana. Niteraka disadisa anatiny teo amin’ireo mpikatroka eo anivon’ny foibe izany: amin’ny lafiny iray, tsy miombon-kevitra amin’ny politikan’ny firenena amin’izao fotoana izao izy ireo, fa amin’ny lafiny iray kosa dia manaiky ny famatsiam-bolam-panjakana.

“…tsara kokoa raha tonga eto amintsika io vola io toy izay amin'ny karazan-desona momba ny fitiavan-tanindrazana na fetiben'ny lalao miaramila tsy mitombina,” hoy i David Yakunin.

Araka ny voalazan'i sane46, mahafantatra ny toerana hametrahana ny fetra no fanalahidy (lehibe). “Nisy vehivavy nanatona ahy ary nanoro hevitra ahy handoko zavatra mifandray amin'ny hetsika miaramila manokana. Nolaviko satria manana ny fomba fijeriko manokana aho,” hoy i sane46.

Amin'izao fotoana izao, tsy dia manana mpitsidika betsaka ny Horizon, saingy miova ny toe-draharaha. Araka ny filazan'ny mpikambana ao amin'ny Horizon, ny fahanginan'ny mponina dia vokatry ny fanafoanana ny hetsika eo amin'ny sehatra nasionaly.

Matoky i Daria Kuznetsova (ankavia) fa manan-jo ao amin'ny tanànany sy ny fireneny manokana ny tsirairay Sary: Evgeny Demshin ao amin'ny Novaya Vkladka. Nahazoana alalana.

“Antsika ity tanàna ity, ity firenena ity,” hoy i Daria feno hafanam-po. “Azonao atao ny mandray andraikitra amin'izany eto sy ankehitriny ary mamorona zavatra ho anao. Ary tsara raha takatry ny tanora fa tsy ho takalon'ainan'ny firenen'izy ireo manokana izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.