Tondradrano no mariky ny fiovan'ny toetrandro iainan'ny ambanivohitra ao Trinidad, fa misy antony fanampiny koa

Sary nivoaka tamin'ny alalan'ny Canva Pro.

Nosoratan'i Aniel Sookhan sy Simran Ali

Ity tantara ity dia fitambarana lahatsoratra roa nataon'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona mpanao gazety tanora voalohany ao amin'ny Cari-Bois, izay nandinika ny fomba fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Navoaka voalohany ato sy ato miresaka ny Tambajotram-baovao ara-Tontolo Iainana ao Cari-Bois ireo lahatsoratra voalaza ireo. Misy dika nasiana fanovana hita etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tao amin'ny tatitra Groundswell nataony tamin'ny taona 2021 ny Banky Iraisampirenena no nanombana fa mety hanery olona 216 tapitrisa hifindramonina any amin'ny faritra samihafa ao amin'ny fireneny amin'ny taona 2050 ny fiovan'ny toetr'andro, raha naminavina kosa ny mpihevi-draharaha Ivotoerana momba ny Toekarena sy ny Fandriampahalemana fa olona iray lavitrisa no mety hafindra toerana amin'io fotoana io.

Na dia tsy azo antoka aza ny isan'ireo mpifindramonina noho ny toetr'andro, dia fantatra sy ekena fa mety ho famohamandrin'ny krizin'ny fifindra-monina manerantany ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro. Amin'ny maha Fanjakana Nosy andalam-pandrosoana (SIDS) azy, dia tsy afa-bela amin'izany fifindra-monina ara-toetrandro izany i Trinidad sy Tobago; fa efa zava-misy izany ho an'ny sasany.

Tamin'ny taona 2022, nanapa-kevitra ny handao ny vondrom-piarahamonina atsimo afovoany i Daveanad Lutchman, mponina ao amin'ny Vohitra Eccles noho ny tondra-drano matetika. Niatrika izany toe-javatra izany ny mponina tamin'ny alàlan'ny famindrana ny fananany ho amin'ny toerana avo kokoa, saingy rehefa simba be ny tranon'i Lutchman dia lasan'ny rano avokoa ny kojakoja tao an-tranony, ary maty nandritra ny tondra-drano tamin'ny Novambra 2022 [mg] ny alikany roa, nefa izay no farafetra amin'ny fiaretany. Taorian'ny fatiantoka ara-bola niverimberina dia nanapa-kevitra izy fa zaka intsony ny toe-draharaha ary mipetraka ao an-drenivohitra ao Port of Spain izy amin'izao fotoana izao.

Tamin'ny fampitandreman'ny Biraon'ny Fiomanana sy ny Fitantanana ny Loza (ODPM) fa mbola hampitombo ny hamafin'ny tondra-drano manerana an'i Trinidad sy Tobago mandritra ny vanim-potoana mando ny fiovaovan'ny toetr'andro, dia efa vonona hiatrika tondra-drano bebe kokoa ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Lutchman taloha, izay lazainy fa niharatsy tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Toy izany koa, ao amin'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao Fifth Company Village, Moruga, nandrimbinana ihany ny fahatsaran'ny lalana, noho ny fitomboan'ny rotsak'orana. Tsaroan'i Tasheen Ali, 58 taona, mponina efa ela tao amin'ilay faritra, fa tsy dia matetika loatra ny oram-baratra taloha nandritra ny vanim-potoanan'ny orana (Jona-Desambra) fony izy nihalehibe tao an-tanàna. Raha ny marina, ny mifanohitra amin'izany, nirìna hisy matetika ny orana satria nanome fanamaivanana nilaina tamin'ny hafanana mafana nandritra ny fotoana maina.

Na izany aza, tao anatin'ny 10 taona farany fotsiny, na ny fahamaroan'ny oram-baratra na ny hamafin'ny kotrokorana dia samy nitarika ny fitomboan'ny fihotsahan'ny tany, hoy i Ali nanazava. Vokany, niantso ny tompon’andraikitra ny mponina mba hampiasa vola amin’ny fotodrafitrasa mahazaka ny toetr’andro.

Tao anatin'ny tatitra voalohany fanao isaky ny roa taona ao amin'ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro (UNFCCC) no nanasongadinan'ny Minisiteran'ny Tetikasa sy ny Fampandrosoana ao Trinidad sy Tobago ny zava-misy ankehitriny momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ary nanamarihany hoe:

Trinidad and Tobago is already experiencing the advertised impacts of climate changes, such as the sea level rise, the increased ambient temperature and extreme weather systems.

Efa miaina ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro i Trinite sy Tobago, toy ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ny fiakaran'ny maripana iainana ankapobeny ary ny rafitra toetr'andro mahery vaika.

Na dia miovaova ara-tantara aza ny toetr'andro ao amin'ny firenena, dia nanamafy ny tatitra fa nanafaingana ny tahan'ireo fiovaovana ireo ny fiovan'ny toetr'andro ary nampiakatra ny mari-pana antonony. Efa ho avo roa heny noho ny tamin'ny taona 1946 ny maripana voarakitra ao Trinidad sy Tobago tamin'ny taona 2019 .

Na dia eo aza ireo fiovana eo amin'ny tontolo iainana ireo, nilaza i Ali fa nandritra ny am-polony taona niainany tao an-tanàna, dia tsy nisy ny fanavaozana fotodrafitrasa ary manahy izy fa tsy afaka mitantana ny habetsahan'ny rano mandalo ao an-tanàna intsony ny rafitra fanarian-drano amin'izao fotoana izao:

You can’t stop the sun and rain, but we need [to] better balance [how we respond]. Heavy rain has been more frequent and when the rainy season comes, there is fierce rain damage to a lot of properties and the crops of farmers, too.

Tsy afaka manakana ny masoandro sy ny orana ianao, fa mila [mandanja] tsara kokoa [ny fomba famalintsika]. Matetika ny orana mivatravatra ary rehefa tonga ny vanim-potoanan'ny orana dia misy rotsak'orana be dia be miteraka fahasimbana amin'ny fananana sy ny vokatry ny tantsaha ihany koa.

Tahaka ireo mponina hafa, irìn'i Ali ny manampahefana — ao amin'ny governemanta eo an-toerana na eo amin'ny fitondrana foibe — mba hampiasa vola amin'ny tatatra sahaza mba hisorohana ny fiavosan'ny tany; manangana rindrina fitehirizana mba hisorohana amin'ny fihotsahan'ny manaraka ny tehezantany, ary hanoritra lalan'ny rano mba hampihenana ny fiandronan'ny rano sy ny tondra-drano. Ekeny anefa fa tsy maintsy hirotsaka an-tsehatra ihany koa ny olom-pirenena sy ny mpandraharaha mba hampihenana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Raha ny an'ny Eccles Village, ohatra, nanampy trotraka ny olan'ny tondra-drano ny fisian'ny tranon'i Daveanad Lutchman teo akaikin'ny hantsana iray izay nahitana fihotsahan'ny tany — toe-javatra nandrahona ny fahamafisan'ny tany nametrahany ny tranony taloha ary vokatr'izany, ny fahatombenan'ny trano.

Naotin'ny tonian-dahatsoratra: Tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanalefahana ny fiantraikan'ny krizy amin'ny toetr'andro ihany koa ny fanabeazana ho an'ny daholobe sy ny fampiharana ny lalàna misy. Iaraha-mahalala fa nanampy trotraka tamin'ny ankamaroan'ny tondra-drano nitranga tao Trinidad sy Tobago tato anatin'ny taona vitsivitsy izay ny zavatra maro manomboka amin'ny fako ka hatramin'ny fananganam-potodrafitrasa (trano) tsy ara-dalàna. Nandrakitra maripana ambony sy rotsak'orana kely noho ny efa nampoizina ny vanim-potoanan'ny orana ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao, miampy ny famoahan'ny birao mpamantatra ny toetr'andro fampitandremana hafanana be amin'ny 15-19 septambra 2023.

Filazana tsy ofisialy: I Tasheen Ali no rain'ny tanora mpanao gazetin'i Cari-Bois Simran Ali.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.