Rito ny ranomasonao : tondradrano sy ahiahy miha-henjana hatrany no atrehan'i Trinidad

Vue d'une fenêtre de voiture: une rivière dont les eaux sont brunes côtoie le cote de la route.

2006, azo ambara ho tratran'ny renirano Diego Martin ny haavony ambony indrindra. Lasa mihamafy tsikelikely isantaona ireo tondradrano any amin'ireo faritra ao amin'ny nosy Trinidad. Tamin'ny Novambra 2022, nisy faritra andro ratsy iray niteraka fahavoazana isan'ireo ratsy indrindra nozakain'ny firenena. Saripika an'i Georgia Popplewell tao amin'ny Flickr, CC BY-NC-ND 2.0.

[Lahatsoratra tamin'ny faran'ny Novambra 2022. Raha tsy misy ny fanamarihana manokana dia mankany amina lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy avokoa ny rohy rehetra.]

Amin'izao faran'ny Novambra izao, ireo tombana momba ny toetrandro ho an'i Trinidad-sy-Tobago dia manambara hoe : « Hibaliaka ny masoandro amin'ny ankapobeny […] na hisy aza ny orana (miaraka amin'ny mety ) hisian'ny oram-baratra ny tolakandro. » Kanefa, ny ampahany betsaka amin'ny firenena dia mbola mitolona mafy amin'ireo vokatr'ilay andro ratsy izay nitarika ho amin'ny famoahana « fanairana maika momba ny toetrandro » tamin'ny 26 Novambra. Ireo orambe nivatravatra dia nampiakatra ireo renirano, indrindra fa tao amin'ny nosy Trinidad, ho tonga amin'ny haavony farany ambony indrindra ary dia tondraka ireny renirano ireny, niteraka tondradrano goavana teny amin'ireo lemaka sy  faritra iva hafa.

Ny tolakandro sy ny alina
TRINIDAD-SY-TOBAGO

🌧 Mibaliaka ny masoandro amin'ny ankapobeny fa mety hisy orana.
⛈ 30 % no mety hisian'ny orambaratra mitsitokotoko
⚠️ Mety hisy tafiotra sy fahatondrahan'ny làlana
⚠️ Mihatra ny fanairana miloko volomboasary (Haavo 3)

Tombana feno : https://t. co/j4LdbCxQX3 pic.twitter.com/7ZvQy7zYIv

— @ttmetoffice (@TTMetOffice), le 29 novambra 2022

Hatramin'ny 30 Novambra misasakalina dia mbola manan-kery hatrany ny fanairana momba ny fiakaran'ny renirano ho an'i Trinidad, ilay lehibe indrindra amin'ireo nosy roa, ary mampitandrina ny sampana mpamantatra ny toetrandro hoe :

Mihena miandalana ny haavon'ny renirano sasantsasany ao amin'ny nosy Trinidad, raha ireo hafa kosa mbola mijanona manakaiky ny haavony ambony indrindra. Ny fahatotoran'ny tany dia mampiadana ny fikorianan'ny rano, ary mbola hampiadana misimisy kokoa izany ny fisian'ny orana fanampiny. Ireo vondrom-piarahamonina  sasany tratr'ireny tondradrano ireny dia mbola mety hiaina ambana antonontonony ka hatramin'ny ambonimbony kokoa izay atahorana hitondra vokany ratsy. Tombanana hitohy hihena miandàlana ny haavon'ny rano any amin'ny ankamaroan'ny faritra. Tsara anefa ny anamarihana fa hiadana kokoa ihany koa ny fikorianan'ny rano rehefa miakatra ny haavon'ny ranomasina.

Nihanihany ny olona iray mpampiasa Twitter:

Raha izao famindra izao, tsy hanana fotoana akory aza i Trinidad handefasana fanairana miloko mena noho ny fiakaran'ny renirano. Amin'izay isika rehetra efa ao anaty rano daholo.

— Aaliyah🫶🏻 (@aaliyah_hosein7), le 28 novambra 2022

Misy ireo hafa mpampiasa media sôsialy, zendana nanoloana ny haben'ny fiantraikan'ilay andro ratsy, nandefa saripika sy lahatsary maneho ny faharavàna, ny fihotsahan'ny tany ary ireo rano tondraka ka hatramin'ireo làlana simba sy ireo fiara nivadika :

Fihotsahan'ny tany azo sary tao Brasso, ao afovoan'i Trinidad. https://t. co/FzKr0u5V3z pic.twitter.com/0GDbx7WUFA

— TTWeatherCenter (@TTWeatherCenter),le 28 novambra 2022

Niantso ahy ny raiko hilaza tamiko ny fiantraikan'ireo orambe nandritra ny 2 herinandro  tamin'i Trinidad & Tobago manjakeliko😖 Làlana simba, fihotsahan'ny tany, ranom-potaka, tondradrano, sns… #ClimateCrisis

— Lord Dokusei2 alias « Tanjiro » (@Savo33xx), le 28 novambra 2022

Nahatratra hatramin'ny 3 metatra ny haavon'ny rano tondraka, nampanano-sarotra ny asan'ireo tarika mpamonjy voina niezaka nanakaiky ireo olona tra-boina. Tany amin'ireo faritra tena voa mafy, toy ny tao amin'ny tanànan'i Mafeking, atsimo-atsinanan'i Mayaro, tena eo atsimon'ny honahonan'i Nariva mihitsy, tsy maintsy nila sambo sy kamio lehibe mihitsy ireo Mpiandry Sisintany sy ny Tafi-Piarovana ao Trinidad-sy-Tobago:

Androany, ny ODPM, birao misahana ny fiatrehana sy fitantanana ny loza voajanahary, dia nikarakara ny fanapariahana ireo mpitatitra  andian-tafika ho any Mafeking hanampy ireo olon'ny T&TEC ( Trinidad & Tobago Electricity Commision), hamerina ny herinaratra any amin'ireo faritra tondradrano. Sambokely roa miaraka amin'ny olon'ny TTCG no naparitaka ao  Bamboo Settlement #2. #ODPMTT #AllOfSocietyApproach pic.twitter.com/R5TOn7VVox

— ODPM Trinidad and Tobago (@ODPM_TT), le 29 novambra 2022

Marobe ireo fianakaviana no tsy maintsy nafindra toerana nesorina tamin'ny tranony, ary noho ny herin'ny rano nikoriana sy noho ireo tany tondraka lasa mihetsika  dia nirodana ny sasany tamin'ireo rafitra natao tamin'ny hazo :

Tsy mbola nahita zavatra ratsy be tahaka izao aho ho an'i Trinidad, soa ihany ny fianakaviako fa tsy mipetraka amina faritra mora tratry ny tondradrano, saingy marary ihany ny foko mieritreritra ireny fianakaviana rehetra ireny 😔🙏

— paula jankie (@paulajankie), le 28 novambra 2022

Raha nanome toky ny ministeran'ny fampiroboroboana ny sôsialy sy ny tolotra ho an'ny fianakaviana fa hanolotra sakafo, fanampiana ara-bola ary tohana ara-tsaina ho an'ireo trà-boina noho ny tondradrano miparitaka any anaty vondrom-piarahamonina miisa 67 manerana ny firenena, maro kosa ireo mpiampiasa Twitter no nanontany tena momba izay fomba ho entina mamaha ny olana :

Dia ahoana…Inona no hatao hanamaivanana ireo fiantraikan'ny tondradrano aty Trinidad-sy-Tobago ?
Vao avy kely ny orana, dia tondraka izao rehetra izao

— Le Sagiterroriste💕 (@itsbrittanicaaa), le 29 novambra 2022

Raha ny marina, tena mampiahiahy ny mahita ny hafainganam-pandehan'ny fahatondrahan'i Trinidad

— Clown Capital🍃 (@Ti_an_aaa), le 28 novambra 2022

Ny antenimieran'ny varotra ao an-toerana sy ireo fikambanana ara-barotra hafa dia nandrindra ihany koa ny fanampiana ireo tra-boina tamin'ireo tondradrano. Arakaraky ny fidinan'ny rano dia hihamafy kokoa ny ezaka fanadiovana, ary notsipihan'i Faris Al-Rawi, minisitry ny fampiroboroboana ny eny ambanivohitra sy ny governemantam-paritra (MRDLG) fa tsy maintsy manohy miasa ireo sampandraharaham-panjakana, ka takian'izany ny maha-eo ny mpiasa rehetra.

Kanefa ho an'ny sasany amin'ireo mpampiasa Twitter, toa làlan-tsokina ihany izany, satria noteren'ireo tondradrano  hiatrika toham-boivoy henjana ireo mpamily fiara, izay nandeha ho any, na niverina avy any am-piasàny.:

Firifiry ireo mpitantana no niteny hoe : « Efa fantatra fa misy foana ny tondradrano ary loza manambana foana ireny. Noho izany, sosokevitro ny hiasàna avy any an-trano mandra-piverin'ireo renirano ho amin'ny haavony mahazatra. » Satria raha ny fifamoivoizana ny hariva teo no jerena, dia tena tsy azo eritreretina mihitsy #Trinidad #inondation

— Shastri Changoor (@srchangoor), le 30 novambra 2022

Maro be ihany koa ireo làlana tsy azo aleha noho ny haavon'ny rano.

Noantitranterin'ny minisitra Al-Rawi ihany koa fa isan'ny miteraka tondradrano ny hetsika ataon'ny olombelona, ka nilazàny fa tsy maintsy misy ampahana fandraisana andraikitra ao :

Rehefa minia manorina sy manindry ireo làlan-drano ny olona, na mihevitra fa azo ekena ny manipy vata fampangatsiahana any anaty lakandrano dia misy fiantraikany izany.

Efa hatry ny ela no notanisaina ho isan'ny singa manome vàhana ny tondradrano eto amin'ny firenena ny fanariana fako sy ny fampivoarana tsy am-piheverana.

Tena nirian'ity mpampiasa Twitter ity tokoa ny hiverenana any amin'izay loharanon'ny olana :

Tsy maintsy ifantohan'ny parlemanta eto Trinidad ny tena olana marina, isaky ny taona mifandimby, isaky ny tondradrano mifandimby, lasa toy ny zavamisy isankerinandro ilay izy ankehitriny. https://t. co/EUHGVQGReV

— Ghost (@Ghost10001O), le 29 novambra 2022

Mandritra izany fotoana izany, nanao fitsirihana avy eny an'habakabaka ny ODPM mba hahafahana mandrindra ny fandrafetana tetikady famonjena mandritra ny tondradrano, miainga avy eny ifotony :

Androany ny ODPM dia niaraka niasa tamin'ny TT Air Guar, fiaramanidin'ny tafika eto amin'ny firenena, mba hanao fitsirihana avy eny an'habakabaka tamin'ireo faritra tratry ny tondradrano, ho ampiasaina amin'ny fandrafetana tetikady firotsahana an-tsehatra ataon'ny MRDLG rehefa misy tondradrano. https://t. co/BIwVwGyYfJ #ODPMTT #AllOfSocietyApproach pic.twitter.com/shw2BfPsDK

— ODPM Trinidad and Tobago (@ODPM_TT), le 28 novambra 2022

Raha nakatona ho fisorohana ny loza ireo sekoly tamin'ny Alatsinainy 28 Novambra, tsy afaka niverina nisoka-baravarana ny sasany tamin'izy ireny talohan'ny Alarobia noho ny fahasimbàna be loatra. Nilazàna ihany koa ireo mponina fa mety hitondra areti-mandoza ny rano voaloto, toy ny aretina leptospirose [fr]. Nandritra izany, ireo mpiaro ny tontolo iainana dia nanentana ny mponina mba tsy hamono ireo bibidia voatery nifindra toerana noho ny rano niakatra.

Nampitandrina ny Caribbean Institute for Meteorology and Hydrology (CIMH), manana ny foibeny ao Barbade, fa mbola mety hitohy hatramin'ny volana Desambra ireo orambe mivatravatra fototr'ireny tondradrano ireny, hametraka ambana fanampiny, araka izany, ho an'ny faritra amin'ny ankapobeny mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.