Ireo zava-dehibe nisongadina tamin'ny vovonana ara-toetrandro voalohany teto Afrika notontosaina tao Kenya

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube,‘ African Climate Summit 2023: Opening Ceremony of the Ministerial Day – The Power of the Potential’ avy amin'ny African Union . Asehony eto ny Filoha Kenyana William Ruto nikabary nandritra ny lanonam-panokafana Vovonana ara-toetrandro Afrika 2023 notontosaina tao Nairobi, Kenya. Fampiasana ara-drariny.

Nanomboka tamin'ny talata 4 septambra teo, tao amin’ny Foiben’ny Fivoriambe Iraisampirenena Kenyatta any Nairobi, nokarakarain’ny governemanta Kenyana sy ny Vondrona Afrikanina ny Vovonana Afrikana Ara-toetrandro (ACS). Nandritra ny vovonana dia nanaiky ireo mpitarika afrikanina nanatrika hitari-dalana itadiavana vahaolana lovainjafy amin'ny krizin'ny toetrandro.

Ireo mpitarika nanatrika ny vovonana dia nahitana an'i Samia Suluhu (Tanzania), Paul Kagame (Rwanda), Évariste Ndayishimiye (Burundi), Filipe Nyusi (Mozambique), Salva Kiir (South Sudan), Sassou Nguesso (Congo), Mostafa Madbouly (Egypt), Nana Akufo-Addo (Ghana), Mohamed Younis Menfi (Libya), Julius Maada (Sierra Leone), Sahle-Work Zewde (Ethiopia), Brahim Ghali (Sahrawi), Azali Assoumani (Comoros), Ismaïl Omar Guelleh (Djibouti), Isaias Afwerki (Eritrea) ary Macky Sall (Senegal) miaraka amin'ny mpampiantrano, filohan'i Kenya William Ruto

Tsy vahiny amin'ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro i Afrika. Amin'ny hain-tany maharitra ka hatramin'ny toetr'andro mikorotandrotana mipaka amin'ny fifindran'ny zaza roa tapitrisa sy ny faharinganan'ny bibidia, mitolona amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro ny kaontinanta. Raha ny marina, nandritra ny vovonana, nanamarika ny Filoha Ruto tamin'ny kabarim-panokafana fa na dia malefaka aza ny fandraisan'i Afrika anjara amin'ny fandotoana, dia iainany lalina ny fiantraikan'ny fiakaran'ny maripanan'ny tany. Nandritra ny vovonana, natolotry ny Afrobaromètre, fikambanam-pikarohana iray, ny valin'ny fitsapan-kevitra natao tany amin'ny firenena afrikanina 36, izay nampiseho fa takin'ny ankamaroan'ny olom-pirenena ny hihetsehan'ny governemanta haingana manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro. Na izany aza, ny 52 isanjaton'ireo nohadihadiana ihany no nahafantatra ny fiovaovan'ny toetrandro, ary samy manana ny fahatsiarovan-tenany avy ny firenena tsirairay avy. Amin'ireo mahafantatra, mihevitra ny ankamaroany fa maharatsiratsy kokoa ny fiainany ny fiovaovan'ny toetr'andro, indrindra any Madagasikara, Lesotho, Maorisy, Malawi ary Bénin. Tsy azo lavina ny fahamehana amin'ny toe-draharaha, ary porofon’ny fahavononan’ireo firenena afrikanina hiatrika an’ity krizy ity ny vovonana Afrikana momba ny toetr’andro.

Hevi-dehibe azo tamin'ny vovonana

Nandritra ny vovonana, naneho ny fahavononany hitady vahaolana maharitra amin’ny krizin'ny toetr’andro ny mpitondra afrikanina. Navoitran'izy ireo fa ilaina i Afrika ho lohalaharana amin'ny vahaolana ara-toetr'andro ary nasongadina ny hagoavan'ny fandrombahana ny fotoana hanomezana vahaolana amin'ny fitomboana maitso sy ny fanesorana karbônina.

Nilaza ny Prezidà Ruto:

We cannot pursue climate action through insular, solitary policies. Global warming cannot be mitigated by air-conditioning our little pockets and corners of the world.

Tsy afaka miolonolona sy manao politika samirery isika amin'ny hetsika ara-toetrandro. Tsy azo amaivanina hifanaraka amin'ny kely (zakan'ny) poketrantsika sy ny vazantany ny fiakaran’ny maripana ankapobeny.

Nosoritany ny andraisan'i Afrika anjara asa anivo amin'ny fiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro ary nampirisihany ny hanaovana hetsika hentitra fa tsy ny hanao lalaon'ny fanomezan-tsiny. Asongadin'ity lahatsoratra avy amin'ny Africa Newsroom ity ny sasany amin'ireo fanambaràna nataon'ireo mpitarika raha nanamarika izy ireo fa mifandray akaiky ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fivoaran'ny kaontinanta.

Nilaza ny filoha Kiir ao Sodàna Atsimo fa tsy maintsy mampiasa ny angovo azo havaozina midadasika i Afrika mba hamadihana ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro. Nanohana azy ny filohan'i Eritrea Afwerki izay nilaza fa tonga ny fotoana hanetsehan'i Afrika ny fananany manokana fa tsy hiantehitra amin'ny fanomezana. Nohamafisin’ireo mpitarika ihany koa ny fifandraisan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fampandrosoana an’i Afrika ary ny filàna fiaraha-miasa amin’ireo firenena mandroso.

Niantso hetsika mahery vaika izy ireo, niantso ny fanetsehana ireo ananan'i Afrika, sy fanamorana fidirana amin'ny famatsiam-bola iraisampirenena momba ny toetr'andro. Niantso hisian'ny rafitra ara-bola iraisampirenena araka ny hitsiny kokoa ihany koa ny filoha Ruto mba hamahana ny vesatry ny trosan'i Afrika. Noresahan'ny mpanatrika ihany koa ny filana fanovam-pombam-pitenenana amin'ny famatsiam-bola ho an'ny fiovan'ny toetrandro maneran-tany sy ny famoahana ny tetipanoron'ny hydrogène maitso sy ny tondrozotra ho an'i Kenya.

Fifanolanana tamin'ny vovonana

Nasongadin'ny tatitry ny Euronews iray ny nanesoran'i Kenya vao haingana ny fandraràna ny fitrandrahana hazo amidy, ka niteraka ahiahy fiarovana tontolo iainana. Ary na eo aza ny ezaka ataon'i Kenya amin'ny angovo azo havaozina sy ny fandrarana ny harona plastika ampiasaina indray mandeha, dia mbola mifikitra ireo fanamby fanaraham-bolontany amin'ny toetr'andro.

Araka ny tatitry ny BBC, nitarika fitomboan'ny loza ateraky ny fanafihan'ny lalomena sy ny voay ny fiakaran'ny haavon'ny rano ao amin'ny Farihin'i Baringo, Kenya izay vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro, mandrahona ny fivelomana sy ny filaminan'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Nametraka fitoriana ny governemanta Kenyana ireo mponina ao amin'ny Farihin'i Baringo noho ny tsy famalian'izy ireo ny olana ara-toetr'andro ary takiny fanonerana ara-bola tamin'ny fahaverezan'ny tany, toeram-pambolena sy fiparitahan'ny aretina avy amin'ny rano.

Fanampin'izany, nanamarika ny tatitra iray nataon'ny AfricaFeeds fa maro ireo mpanentana Afrikana no nanohitra ny fomba fiasan'ny vovonana momba ny famatsiam-bolan'ny toetr'andro, nilazan-dry zareo fa arosony ny laharam-pahamehan'ny Tandrefana izay mahavoa ny kaontinanta. Nilaza i Mohamed Adow, talen'ny angovo ao amin'ny mpihevi-draharaha Power Shift Africa, ao amin'ny ranty X (Twitter taloha) hoe:

Marina ny tenin'i David fa i voatahy i Afrika manana mponina tanora, loharanon-karena mahavariana azo havaozina ary voaritontolo manankarena.

Saingy vahaolana sandoka napetraky ny Tontolo Tavaratra Ankapobeny tena mahazo tombony amin'izany ny fiezahana hamatotra an'i Afrika amin'ny tsenan'ny karbaona tsy mahomby.

Kihon-dalana lehibe amin'ny fanapahan-kevitra iraisan'ny firenena Afrikana hamahana ny fanamby goavan'ny fiovan'ny toetr'andro ny vovonana ara-toetrandro Afrikana voalohany. Toa niray hina ny mpitondra afrikanina tamin’ny fanoloran-tena ifampizarana hitondra vahaolana mateza na dia eo aza ny fifanolanana sy ny fanamby mbola mifikitra. Na dia mety ho feno sakantsakana aza ny lalana anoloana, dia manome fanantenana fa afaka ary tsy maintsy mitana anjara toerana fototra i Afrika amin'ny famahana ny krizin'ny toetr'andro manerantany ny tsoa-kevitra (hevi-dehibe) azo avy amin'ity vovonana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.