Tsy nanatrika ny Vovonan'ny G20 i Xi Jinping, raisin'India ny toeran'i Shina ho Mpitarika ny Atsimo Ankapobeny

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'i Narendra Modi’.

Raha nanatrika ny vovonan'ny G20 tamin'ity taona ity tany India (9–10 septambra 2023) ny ankamaroan'ny mpitondra eran'izao tontolo izao, tsy nanatrika izany ny filohan'i Shina Xi Jinping fa nitsidika ny faritra avaratratsinanan'i Shina tamin'ny “drafitra famelomana indray” — hafatra mazava momba ny fiovan'i Shina laharam-pahamehana. Ny praiminisitra Li Qiang kosa no nisolo tena an'i Shina.

Sambany i Xi no tsy nandeha fihaonambe hatramin'ny naha-filoha Shinoa azy tamin'ny taona 2012, ary tsy mbola nisy fanazavana ofisialy momba ny tsy fahatongavany. Niteraka ahiahy teo amin'ireo fampahalalam-baovao tandrefana izany.

Nadikan'ny fanehoan-kevitra iray avy amin'ny Financial Times ho “fihemorana amin'ny diplaomasia iraisampirenena” ny fihetsik'i Xi. Mifanohitra amin'izany kosa, nahita ny tsy fahatongavan'i Xi ny fanehoan-kevitra iray hafa avy amin'ny CNN ho ampahany amin'ny “tetika hamolavolana indray ny fitantanana manerantany”. Ny sasany koa nanondro ny olana ao an-tokantranon'i Shina mba hanazavana ny tsy fahatongavany.

Satria samy nahisaka i Shina sy i Rosia noho ny tsy fahatongavan'ireo mpitarika ambony avy aminy, nanintona ny sain'ny rehetra India, mpampiantrano ny G20, amin'ny maha-mpitarika voalohany ny Ilabolantany Atsimo azy nandritra ny vovonana.

Ny fampidinana ny lanjan'ny G20

Tsy hita ao amin'ny pejy voalohan'ny fampahalalam-baovao lehibe an'ny fanjakana ao Shina Tanibe ny vaovaom-panokafana ny fihaonambe G20 tamin'ny 10 Septambra.

Ao amin'ny pejy voalohan'ny People's Daily tamin'ny 10 Septambra, ohatra, ny lohateny rehetra dia momba an'i Xi Jinping. Nizara ny pejy voalohany tao amin'ny X (fantatra taloha amin'ny hoe Twitter) i Gao Falin, bilaogeram-baovao politika Shinoa, :

Nahoana i Xi Jinping no tsy tonga tamin'ny Fihaonamben'ny G20? Vakio ny pejy voalohany amin’ny People’s Daily androany, dia ho fantatrao fa be atao izy!

Manonona “Xi Jinping” ao amin'ny lohatenim-baovaony eo amin'ny pejy voalohany ireo seha-baovao rehetra ireo. Miresaka ny tapatapak'ahitra nataon'i Xi Jinping momba ny drafitra famelomana an'i Shina avaratra atsinanana ireo lohateny lehibe ireo, sy ny hafany ara-politika momba ny Andron'ny Mpampianatra ao amin'ny firenena, ary ny fifandraisany ara-diplaomatika amin'i Korea Avaratra tamin'ny faha-75 taonan'ny firenena sy ny fiaraha-miory amin'ny loza voajanahary nahazo an'i Maraoka sy Brezila.

Vitsy dia vitsy ny adihevitra momba ny G20 tao amin'ny media sosialy Shinoa, saingy maro ny bilaogera nasionalista no naneho ny heviny tamin'ny tsy nahatongavan'i Xi. Nilaza i V-shan-shan, bilaogeram-baovao ara-miaramila manana mpanjohy 1,7 tapitrisa, ohatra, fa nampihena (namàrina) ny lanjan'ny G20 i Shina:

今年,中国在国际关系上,有一个重大变化,就是对G20采取了降级处理。[…]中国与前些年对G20峰会当重要的调节国际经济、政治联系,把G20峰会当做全球化进程中,处理全球经济政策问题时扮演着重要角色的认知,已经改变。

受制于俄乌冲突的影响,G20峰会这一年多来,完全脱离了经济议题本身,变成了相互指责的政治俱乐部。

Tamin'ity taona ity, nanova tanteraka ny fifandraisany iraisampirenena i Shina namàrina ny G20. […]Noheverin'i Shina ho fantsona lehibe hanafaingana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-politika ny fihaonambe G20 teo aloha. Na izany aza, niova ny andraikitry ny fihaonambe G20 ho dingan'ny fanatontoloana amin'ny fiatrehana ireo olana ara-politika ara-toekarena manerantany.

Manoloana ny fisìn'ny adin'i Rosia sy Okraina, nanafoana tetika ara-toekarena ny fihaonambe G20 ary nivadika ho klioban'ny fifamamelohana.

Bilaogera ara-miaramila iray hafa nizara fomba fijery mitovy amin'izany tao amin'ny WeChat ary nilaza fa ny BRICS sy ny Fikambanam-Piaraha-Miasa Shanghai, tarihin'i Rosia sy Shina, no hisolo ny G7 sy G20 amin'ny fitarihana ny fanatontoloana ara-toekarena.

India nanolo an'i Shina ho mpiara-miombon'antoka amin'ny Vondrona Eoropeana sy Etazonia

Na izany aza, tsy niziriziry nanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina nandritra ny fihaonana an-tampony ny mpitarika amerikana sy Eoropeana. Fa nisy kosa fikasam-piaraha-miasa (MOU) nosoniavina teo amin'i Arabia Saodita, ny Vondrona Eoropeana, India, EAM, Frantsa, Alemaina, Italia ary Etazonia momba ny fampandrosoana ny lalantsara ara-toekarena India-Afovoany Atsinanana-Eoropeana (IMEC), tetikasa mitovy amin'ny Fisantaran'andraikitra Fehy sy Lalan'i Shina (BRI).

Niavaka ny fanambaran'i Italia hiala amin'ny BRI rehefa nanao sonia fifanarahana tamin'ny drafitra IMEC. Nampitahain'ny mpaneho hevitra @rakeshkhajuria tao amin'ny X ny sarintany IMEC sy BRI nanondroany ny anjara asan'i Italia amin'ireo tetikasa roa ireo:

Ny fandresena lehibe indrindra tamin'ny fihaonambe G20 dia ny lalantsara ara-toekarena India-Afovoany Atsinanana-Eoropa.

Ary ambonin'izany rehetra izany ny filazan'i Italia hiala amin'ny hetsika Fehy sy Lalana an'i Shina.

Jereo fotsiny ny misy an’ Italia amin'io drafitra io !! Izy no mampifandray ireo fehin-dalana an-dranomasina sy [an-tanety].

Nilaza i Shina fa mety ny tetikasa IMEC, raha toa ka tsy hivadika ho fitaovana ara-jeopolitika.

Saingy maro no nanakiana ny IMEC, tao amin'ny media sosialy Shinoa, ho hetsika hampitoka-monina an'i Shina. Nanamarika ny fanehoan-kevitra iray ao amin'ny seha-baovao tohanan'ny fanjakana Shina Dotdotnews:

印欧走廊横跨南亚、西亚、中东、欧洲经济体,全长超过3000英里(4828公里)。毫无疑问,这是拜登当局纠集欧亚大国,以所谓“香料之路” 抗衡丝绸之路,是旨在对抗中国推动多国大型基建的 “一带一路”,并在加强经济合作的基础上,强化各国的军事战略准同盟关系,构筑围堵中国的冷战铁幕。

Mihoatra ny 3000 maily (4.828 kilaometatra) ny lalantsara Indô-Eoropeana manavatsava ny toekaren'i Azia Atsimo, Azia Andrefana, ny Afovoany Atsinanana ary Eoropa. Tsy isalasalana fa ity no ezaky ny governemanta Biden hanangonana ny fahefana Eoraziana hanoherana ny ‘One Belt, One Road’ [Fehy iray, lalana iray] an'i Shina amin'ny lazaina ho ‘Lalan'ny Laron-tsakafo’ (épices), itadiavana fanamafisana fiaraha-miasa ara-miaramila mifototra amin'ny fiaraha-miasa ara-toekarena. Tanjona ny hanorina fefy vy ady mangatsiaka hihodidina an'i Shina.

Notondroin'i Gu Zi-ming, bilaogeram-baovao momba ny fitantanam-bola sy ny toekarena iray hafa ny IMEC sy ny fanambaràna iraisan'i Etazonia sy India ary ny fifanarahana vao haingana nifanaovan'i Etazonia sy Vietnam momba ny fampivoarana ny indostrian'ny semiconducteur any Vietnam sy ny teknolojia mivoatra hafa ho fomba jeopolitika hanilihana ny anjara toeran'i Shina amin'ny rojom-pamokarana manerantany.

Ankoatra ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena ifanaovan'i Etazonia amin'i Eoropa, nahazo fitokisana iraisampirenena ihany koa i India nanampy ny Vondrona Afrikanina hahazo toerana ao amin'ny G20. Nosoritan'ny gazety indiana eo an-toerana izany :

‘Tetezana eo anelanelan'ny Andrefana sy ny ambiny': Mihaika an'i Shina India amin'ny fikatsahana ho tompondakan'ny ‘Atsimo Manerantany’
Nanampy ny tatitra fa i India koa no nitarika ny fanapahan-kevitra hampiditra ny Vondrona Afrikanina ho ao amin'ny #G20 amin'ny fanentanany ho tompondakan'ny atsimo ankapobeny.

Nofintinin’ Ian Bremmer, mpahay siansa politika, ho fahombiazana goavana ho an'i India ny fihaonambe :

Fihaonamben'ny g20 ho an'i India.

fanatsarana ny fitarihana amin'ila-bolantany atsimo.

fanamafisana ny fifandraisam-pirenena roa tonta ifanaovan’i Etazonia amin'ireo mpikambana ao amin’ny g7.

ary amin'izany rehetra izany, mijanona ho sariaka amin'ny Rosiana.

india-shina ny hany toerana mafaitra indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.