Fangitra: Inona no vakiana mba hahatakarana ny adihevitra ao Gabon?

Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny TV5 Monde info.

Raha mizotra ho amina fifidianana telo sosona manantantara i Gabon ny  24 Aogositra, dia misy koa ireo adihevitra sôsialy sy pôlitika eny an-kianja sy ao anaty tambajotra sôsialy. Mba hahafantarana misimisy kokoa izay manentana, manainga fanahy, fa koa mampizarazara ny Gabôney, dia atolotry ny Global Voices ny torolàlana kely iray ho an'ny vakiteny hanarahanao ny vaovao gabôney, hazavaina sy kirain'ny feo isankarazany mampiseho ireo singa rehetra mandrafitra ny fiarahamonina, ao anatiny sy ivelan'ny firenena.

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny fifidianana, vakio (amin'ny fiteny frantsay): Au Gabon, une triple élection historique avec de grands enjeux 

Ao Gabon, ny tena loharanom-baovao ôfisialy dia ny Agence Gabonaise de Presse (AGP) izay manolotra fandrakofana manerana ny firenena, ary isanandro, sy hita ihany koa ao anaty Facebook

Media iray mila jerena ihany koa ny Gabon Matin izay tsy isanandro no mivoaka, ary mandrakotra ireo vaovao pôlitika no tena ataony. Toy izany koa, ny gazety La Libreville izay miresaka ny vaovao pôlitika sy tontolo iainana ihany koa. Ny tranonkala Gabonreview dia manolotra ihany koa fandrakofana tsara ny resaka rehetra mampiasa loha ny fiarahamonina gabôney. Tafiditra anatin'ireo tranonkala ao an-toerana mila heverina ihany koa ny Gabon Media Time, Gabon Actu sy ny L'Union.

Elam-TV dia fantsom-pahitalavitra iray an-tambajotra miainga avy any Afrika Atsimo, ary mandrakotra ireo vaovao sôsialy sy pôlitika ao Gabon, no sady mitondra ny feon'ireo Gabôney, hita ihany koa ao amin'ny Facebook.

Etsy ankilany, misy tatitra navoaka vao haingana, “Le bilan du second septennat d’Ali Bongo Ondimba (2016 – 2023)” (Tomban'ny fe-potoam-piasàna fito taona fanindroany nitondran'i Ali Bongo Ondimba) manome tombana somary mitsikera ireo fito taona nitondran'i Ali Bongo.

Any ivelan'i Gabon, marobe ireo tranonkala amin'ny teny frantsay mandrakotra tsy tapaka ihany koa ny vaovao gabôney, isan'izany ny : rantsana ao Gabon amin'ny gazetiboky Jeune Afrique; sy ny rantsana ao Gabon ho an'ny gazetiboky Afrique XXI, manana ny foibeny ao Parisy; sy ny rantsana Afrique ao amin'ilay gazety frantsay Le Monde. Ny Radio France Internationale (RFI) , Voice of America (VOA) sy ny BBC amin'ny fiteny frantsay dia manolotra ihany koa fandaharana sy lahatsoratra mandrakotra an'i Afrika sy Gabon.

Isantaona ny fikambanana iraisampirenena Reporters sans frontières dia mamoaka ihany koa ny fanomezany laharana ireo firenena amin'ny resaka fahalalahan'ny fanehoana hevitra, anisany i  Gabon.

Tambajotra sôsialy

Ao Gabon, mihoatra ny 70% ny tahan'ny fahafahan'ny olona miditra amin'ny aterineto. Izay mahatonga ny tambajotra sôsialy somary mavitrika sy manome azy ireo ny anjara toerana iray lehibe ao anatin'ny fiainana pôlitikan'ny firenena, ary hatramin'ny any am-pielezana. Ity lisitra ity no manome hevitra momba ny fahasamihafan'ireo bilaogera (lahy sy vavy Gabôney.

Ao amin'ny Twitter, marobe ireo feon'ny Gabôney maneho hevitra momba ny vaovao pôlitika, toy ilay mpikatroka Peter Brady Akewa, na ny filoha Ali Bongo ao amin'ny kaontiny, ary hatramin'i Ondo Ossa Albert, mpifaninana nosafidian'ny mpanohitra hiatrika an'i Ali Bongo amin'ny fifidianana filohampirenena hatao ny 26 Aogositra 2023, na ilay mpahay toekarena Mays Mouissi.

Ireny ranty sy fanehoankevitra rehetra ety anaty tambajotra ireny dia ahafahana mahatakatra ny toedraharaha jerena avy amina zoro maro samihafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.