Manamafy ny ezaka hiarovana ireo loharanony tsy ananam-piry i Barbados

 

Sary hita ao amin'ny Canva Pro.

Navoaka voalohany tao amin'ny Cari-Bois Environmental News Network ity tantara ity. Ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty ny lahatsoratra hita etsy ambany izay nasiam-panovana.

Avy amin'i Kyle Foster

Amin'ny fikasana hamaha ny olan'ny tsy fahampian-drano ao Barbados, miara-mamatsy vola (27,6 tapitrisa dolara amerikana) ny tetikasa manerana ny firenena Water Sector Resilience Nexus for Sustainability in Barbados (WSRN S-Barbados) ny Green Climate Fund (GCF) amin'izao fotoana izao.

Tombanana ho 45,2 tapitrisa dolara amerikana, kinendrin'ny tetikasa ny hanampy famatsian-drano ao Barbados ho lasa mateza sy mahazaka kokoa amin'ny alalan'ny fampidirana angovo azo havaozina ho ao anaty rafitra, mampiroborobo ny fanangonana ranon'orana, ary manaitra ny saina momba ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny ranon'ny nosy.

Raha heverina ho vita amin'ny 16 Aprily 2024, iray monja amin'ireo ezaka maro ataon'ny manampahefana Barbadiana hanatsarana ny fahatezan'ireo loharano ao amin'ny firenena ny tetikasa.

Fahatakarana ny tsy fahampian'ny rano ao Barbados

Zava-dehibe ho an'ny fahasalamana sy ny toe-pahasalamana ny rano madio izay mahatonga izany ho loharano fototra. Raha jerena ny velarantany karst midadasika, dia vitsivitsy ireo riandrano sy renirano ao Barbados, izay manampy trotraka amin'ny tsy fahampian'ny famatsian-drano madio ao aminy.

Araka izany, maherin’ny 80 isanjaton’ny rano madio ao amin’ilay nosy dia avy amin’ny rano milevina ambanin’ny tany, izay misy rano mamy manify mitsinkafona ambonin’ny rano masira. Io rano madio io no azo amin'ny alalan'ny paompy fantsakana ary sintonina miaraka amin'ny fepetra voatandrina tsara mba hisorohana ny fihoaran’ny fipaompina sy ny fidiran'ny ranon-tsira, izay mitranga rehefa miditra ao anaty rano madio ny rano masira.

Raha lasa masira be loatra ny kalitaon'ny rano, tsy azo ampiasaina intsony ho loharanon-drano madio ny aquifère ary tsy maintsy avela mihitsy aza.

Manaraka ny fenitry ny rano fisotron'ny Fikambanana Iraisampirenena Momba ny Fahasalamana ny Barbados Water Authority (BWA), izay mihoatra ny 250 miligrama ny klôro isaky ny litatra ao anaty rano no heverina fa tsy azo ampiasaina.

Ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fidiran'ny rano masira amin'ny ranomamy voafetra

Tao anatin'ny folo taona farany, nahatonga an’i Barbados hiatrika ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ny trangana toetr'andro mahery vaika, ny fikaohan’ny morontsiraka, ny hafanana miakatra kokoa ary ny fiovan'ny rotsak'orana ny fiovan'ny toetr'andro.

Tamin'ny fampidirana nomena ireo mpanapa-kevitra eo an-toerana,  nanamarika ny Departemantan'ny Tontolo Iainan'ny Nosy Prince Edward any Canada fa mampitombo ny fangatahana rano madio sy ny mety hisian'ny fidiran'ny rano masira ireo anton-javatra ireo.

Nilaza i Jaime Paul, hydrojeolôgin’ny BWA, fa betsaka ny risika mety hidiran'ny ranon-tsira amin'ny aquifère manamorona ny morontsiraka andrefan'i Barbados noho ny soridrefitany iva amin'ilay faritra. Efa miaina fidirana rano masira isan-karazany ny vondrom-piarahamonina sasany ao amin'io faritra io, saingy noho ny tahan'ny fiovaovan'ny toetr'andro mizotra haingana, heverina fa ho maro kokoa ny fiantraikan’izany amin’ny ranomamin’ny Nosy.

Noho ny hain-tany vokatry ny toetany, mihena ny mety hisian'ny aquifère ao amin’ny nosy izay azo avy amin’ny fahampian'ny rotsak'orana. Mitombo ihany koa ny vokatry ny rotsak’orana voafetra noho ny fanajariana ny tany. Lasa fotodrafitrasa amin'izao fotoana izao ny faritra manerana an'i Barbados izay tantera-drano teo aloha ka manakana ny fitsihan’ny tany, sy ny fanavaozana ny aquifère, miaraka amin'ny rotsak'orana efa voafetra.

Inona no atao eo anivon’ny vondrom-piarahamonina

Miezaka hanairana bebe kokoa momba ny fomba fitantanana rano maharitra ny manampahefana raha tsindrin-daona i Barbados miandry ny fitantanana ny fidiran'ny rano masira betsaka kokoa.

Zava-dehibe ihany koa ny hahitan'ny vondrom-piarahamonina fomba ahafahana mitsitsy sy mitantana ny rano. Nanoro hevitra i Paul fa amin’ny alalan’ny akanjo anaovany fotsiny dia efa afaka manao fanitsiana eo amin’ny fiainany andavanandro ny Barbadianina. Mampihena ny hatsembohana ny fanaovana akanjo mifanaraka kokoa amin'ny toetr'andro mafana ka akanjo vitsivitsy ihany no hanaovana alohan'ny hanasana izany.

Afaka manampy amin’ny fitehirizan-drano ihany koa ny ezaka mba hitsitsiana bebe kokoa ny rano fampiasa ao an-trano – toy ny fanidina ny paompy rehefa miborosy nify na ny fametrahana fitoeran-drano mitsitsy rano kokoa any amin’ny trano fivoahana.

Inona no atao eo amin’ny sehatra nasionaly

Manerana ny firenena, misy ny ezaka atao hanentanana ny Barbadianina momba ny maha-zava-dehibe amin’ny fiovana mankany amin’ny fitahirizana rano fa tsy manangona izany fotsiny, izay mahasoa mandritra ny fotoana tsy dia mampisy ny rotsak'orana.

Nanomboka ny Personal Tank Programme (PTP) ny BWA tamin’ny taona 2017, izay mamatsy rano eo ho eo amin’ny 1800 litatra eo ho eo ho an’ireo tsy afaka mividy ny azy. Manampy ireo monina any amin'ny faritra iharan'ny hain-tany hamorona fomba fitahirizana rano azo antoka izany.

Ao anatin'ny tetikasan'ny GCF, afaka nanome fiara mpamatsy rano hamatsiana ny tokantrano , ny sekoly ary ny orinasa ny BWA, ary nanatsara ny fotodrafitrasa efa lany andro mba hiatrehan’ny nosy hizakana ny fiovan'ny toetr'andro.

Na dia azo heverina aza ny mety ho fananganana toeram-pamokarana fanadiovana fanampiny ao amin'ny nosy, dia mbola vahaolana andaniana vola be izany. Tokony hijery akaiky ny faritra ampiasaina izay tantera-drano ihany koa ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa amin'ny hoavy mba hisorohana ny tondra-drano sy hisorohana ny fahaverezan'ny rano mikoriana.

Amin'ny hafainganam-pandehan'ny fiovaovan'ny toetr'andro, mbola ho henjana kokoa ny zava-misy any Barbados izay efa zara fa manan-drano, ka miteraka filàna maika kokoa amin'ny fampiasana ireo rano misy ao amin'ny nosy amin'ny fomba mateza kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.