Taratasim-baovao RV: Hikatona tsy ho ela ny antso ho fisoratana anarana hahazo ny Loka Young Journalist Award

Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.

Manakory aby isika mpamaky?

Aogositra isika izao ary efa hikatona tsy ho ela ity ny antso ho fisoratana anarana hahazo ny Loka Tanora Mpanao Gazety! Raha tanora mpanao gazety ianao, 30 taona sy latsak'izay, ary nahavita asa goavana tamin'ny fanaovana gazety fanadihadiana, mety ho hirika lehibe ho anao ity mba hamiràtana sy hizaràna ny asanao amina mpanjohy midadasika kokoa. Na, angamba mety hieritreritra ianao hametraka ny asanao amin'ny taona ho avy?

Mba hahafantarana bebe kokoa momba ny Loka omen'ny Orina Thomson, azonao atao ny mijery ato. Fara-fisoratana: 11 Aogositra 2023 misasakalina (GMT)

MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Maniry hahafantatra voalohany momba ny anjara toeran'ny aterineto sy ny teknôlôjia amin'ny fampahafantarana sy fampiroboroboana ireo fiteny indizeny, vitsy an'isa, tandindonin-doza, na tsy ampy fanohanana ve? Ny Rising Voices  sy ireo mpiara-mitantsoroka aminy dia mitondra ho anao andiany iray vaovao amin'ny fanentanana mihodina ao amin'ny Twitter ho an'ny taona 2023, anasongadinana ireo mpikatroka an-tambajotra ho an'ny fiteny manerana izao tontolo izao. Tongava manjohy anay sy mihaino izay zavatra hozarain-dry zareo!

@ActLenguas (Amerika Latina )

  • Yulma Rodríguez [es]: mpampianatra mipetraka ao Meksika, resy lahatra fa zava-dehibe ny mampiditra ireo andian-taranaka rehetra, tanora sy efa zokinjokiny, ho ao anatin'ny fiarovana sy fitahirizana ny fiteny Ch'ol ary ny kolontsainy
  • Carlos Ángeles [es]: tanora Zapotec monina ao Meksika, niasa ho amin'ny fiarovana/fampiroboroboana ireo fiteny indizeny eo an-toerana tamin'ny alàlan'ny tambajotra sôsialy
  • Celfa K'ujul [es]: mpiteny teratany avy ao Maya-Tseltal, nanokan-tena nanao izay hahavelona ny gazetiboky nomerika iray Tzeltal mba hahafahan'ilay fiteny hijanona ho hita ao anatin'ny sarintany nomerika sy tsy ho adino
  • Felipe de Jesús Kuyoc: mpikatroka sy mpiteny Mayàna izay mino fa ny ankizy dia tokony hitombo amin'ny fijerena ny fitenin-dry zareo amin'ny zoro miabo ary ireo mpampianatra tahaka azy dia tokony hifofotra hanome ny hirika tahaka izany

@DigiAfricanLang (Afrika)

  • Toroga Denver: mpikatroka manana talenta maro, mpiaro ny fiteny sy kolontsaina, nanokan-tena ho amin'ny fanomezana aina vao ireo fiteny Khoekhoe sy N|uu languages (samy fiteny avy ao Afrika Atsimo)
  • Umasoye: mpanoratra, teratany Nizeriàna, mifofotra hisintona tombontsoa avy amin'ny fankafizany teknôlôjia mba hanomezana aina vao ny fiteny Ekpeye, fiteny indizeny iray tandindonim-panjavonana

Mandra-piandry izany, tianay ny hizara aminareo lahatsoratra roa azonareo ahafantarana momba ny ezak'ireo mpikatroka momba ny fiteny ao Afrika, Azia, ho fampiroboroboana ny fahitàna ny fitenin-dry zareo ety anaty tambajotra, hatramin'ny fandraisana anjara manandanjan'ireo izay mampiasa ireny fiteny ireny.
How Africans are bridging the language digital divide (amin'ny fiteny anglisy)
Ny fomba fitazonan'ireo mpamorona votoaty amin'ny teny Ho sy Santali ao India hanamafisana ny teny indizeny

FAMATSIAMBOLA

Mahaliana anao, na ny fikambanana misy anao ve, ny hitrandraka ny fomba niantraikàn'ny AI — na ny mety ho fiantraikany — amin'ny olona isanandro manerana ny faritra atsinanana sy atsimon'i Afrika? Raha toa ianao ka mila fanampiana ara-bola hanatontosàna tsara ny fikarohana ataonao, angamba ilainao ny manopy maso ireo Famatsiambolan'ny Mozilla “Africa Innovation Mradi Research Grants. Fara-fisoratana: 14 Aogositra 2023 amin'ny 5 hariva (Ora ao Afrika Atsinanana)

Vonona ve ianao ny hanao fanamby ho fandrisihana ireo fikambanana hampiasa ny “generative AI“?  Mikatsaka ny “famahoana (décentralisation) sy ny fanavaozana ny fampiasàna ireo angondrakitra” mba hiatrehana ireo fanamby amin'izao androntsika izao ary ho fampitoboroboana ny fiainana manerana ny tany, ny data.org sy ireo mpiaramiasa aminy dia manolotra fanohanana ara-bola — ary mihoatra noho izany, raha ny marina — ho an'ireo liana amin'ny fiofanana sy fampitomboana traikefa ny ekipany momba ny fampiasàna ny generative AI mba hisy fiantraikany ara-tsôsialy (ny antsipirihany ato). Fara-fisoratana: 15 Aopgositra 2023

Fanirianao ve ny hisiana tontolon'angondrakitra tsara kokoa sy tsy mitanila? Ny Data Futures Lab an'ny Mozilla koa dia manana fomba fijery tahaka izany ary maniry hanohana io tanjona io amin'ny alàlan'ny tahirimbolany Infrastructure Fund. Ankoatry ny loharanom-bola, ireo voafantina dia afaka ihany koa manantena hahita hirika hidirana ho anaty tambajotra sy fanohanana midadasika amin'ny alàlan'ny Mozilla. Raha te-hahafantatra vaovao misimisy kokoa sy hisoratra anarana, iangaviana ianao hitsidika ny tranonkala ôfisialy. Fara-fisoratana: 31 Aogositra 2023

ANTSO HO FANDRAISANA ANJARA

Ao anatin'ny fanomanana ny andiany faha-5 ho an'ny Digital Citizen Summit hatao amin'io Novambra ho avy io, ny “Digital Empowerment Foundation and Center for Development Policy and Practice” dia miantso tolokevitra hanaovana atrikasa hijerena ireo fanamby mifamatotra amin'ny demaokrasia sy ny fitantanana nomerika, ka jerena ao anatin'izany ny resaka  zon'olombelona. Ny antsipirihany misimisy kokoa momba io antso io dia azonareo jerena atoFanamarihana: hatao amin'ny fomba mitohy ny fifantenana ireo tolokevitra.

HAMAKY, HIJERY ary HIHAINO MISIMISY KOKOA (amin'ny fiteny anglisy)

 

Misorata hahazo ny Taratasim-Baovaon'ny Rising Voices

Isaorana i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisany anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.