Ity lahatsoratra ity dia manasongadina ny valin'ny fanadihadiana iray izay nahitana fikarohan'ny birao, fanadihadiana ary dinidinika momba ireo olona voalaza ao amin'ny lahatsoratra.
Araka ny hita tamin'ny fanadihadiana tamin'ny taona 2021–2022, marobe ireo mpamorona votoaty amin'ny teny Ho sy Santali avy any India no manampy amin'ny fampielezana ireo fiteny roa ireo eo amin'ireo ampielezana amin'ny alalan'ny famoronana votoaty an-dahatsary, feo sy lahatsoratra an-jotra, na dia eo aza ny fahasarotana amin'ny fitadiavam-bola amin'ny famoronan'izy ireo sy ny tsy fielezan'ny fampiasana soratra teratany.
Any atsinanan’ India no tena monina ny vahoaka Ho sy Santal, raha miitatra hatrany amin'ny faritra sisa any India, Bangladesh, Nepal ary Bhutan ny zanaka ampielezan'izy ireo. Ny Santals (7,5 tapitrisa) dia anisan'ireo vondrom-piarahamonina teratany lehibe indrindra ao India sy Bangladesh, ary fonenan'ny mponina Ho miisa 1,6 tapitrisa i India. Ao anatin'ny vondrom-poko indizeny 705 ao India, fantatry ny fiarahamonina amin'ny anarana hoe Adivasis ireo vondrom-piarahamonina roa ireo.
Fiteny Ho sy Santali
Nandritra ny tantara, nitahiry ny fitenin'izy ireo tamin'ny alalan'ny tadidivava ny vondrom-piarahamonina Ho sy Santal. Nianatra sy nandrakitra an-tsoratra ireo fiteny ireo ny misionera Eoropeanina tamin'ny taonjato faha-18 sy faha-19, namorona fampahalalana an-tsoratra tamin'ny endrika rakibolana, fitsipi-pitenenana ary zavakanto ara-kolontsaina ho riba, ankoatra ny famoahana lahatsoratra ara-pivavahana. Na dia efa nampiharina hatry ny ela aza ny rafi-panoratana Bengali, Odia, Devanagari ary Romana, nahita ireo vondrom-piarahamonina nanamafy ny tenany ara-politika tamin'ny alàlan'ny rafitra fanoratana teratany ny taonjato faha-20.
Nahita indray sy nanavao ny alfabeta Warang Citi teratany tamin'ny teo aloha tamin'ny taonjato faha-13 noforonin'i Deowan Turi mba hanoratra ny fiteny Ho i Kol Lako bodra. Toy izany koa i Raghunath Murmu, namorona ny alfabeta Ol Chiki tamin'ny taona 1925, nanomboka vanim-potoana vaovao hanoratana ny Santali.
Fampiasana ny fiteny amin'ny fitantanana sy ny fanabeazana
Na dia nekena tamin'ny fomba ofisialy aza ny Santali nanomboka tamin'ny taona 2004, nanokatra lalana ho amin'ny fampidirana azy ao anatin'ny rafi-panabeazana ho an'ny daholobe sy ny fampahalalam-baovao faobe, dia natolotra ho ampidirina ao amin'ny Fandaharam-potoana Fahavalo amin'ny Lalàm-panorenana Indiana izay mitanisa ireo fiteny ofisialy ny fiteny Ho.
Ambany dia ambany tsy mampino ny fahaiza-mamaky teny Ho teny voalohany, tombanana ho eo anelanelan'ny 1–5 isan-jato, raha 20–30 isan-jato fotsiny izany ho an'ny Santali, ary maro amin'ireo teratany mpampiasa ny teny no tsy afa-mianatra hanoratra amin'ny endri-tsoratra teratany. Mahaliana fa ny soratra Romana no nofinidy ho rafitra fiaraha-manoratra, indrindra ao amin'ny sehatra nomerika sy hita vatana sasany, fa ny sora-baventy Bengali, Devanagari sy Odia kosa nampiasaina ho an'ny fiteny ofisialy tsirairay any amin'ny ankamaroan'ny toerana onenan'ny vondrom-piarahamonina Ho sy Santal. Ambany ny fahaiza-mamaky teny Ho sy Santali, na dia mahay ny fiteny manjaka ao amin'ny faritra misy azy ireo aza, ka mampisy fiantraikany ratsy amin'ny fidiran'izy ireo amin'ny votoaty amin'ny fiteniny manokana sy ny fampidirana ny soratra teratany. Mamoaka votoatim-baovao marolafy mandritra ny fotoana fohy ny ankamaroan'ny mpamorona votoaty. Tamin'ny taona 2018, namelona ny Wikipedia Santali ny vondrona mpanoratra mpirotsaka an-tsitrapo iray, ka nahatonga azy io ho Wikipedia voalohany amin'ny teny Adivasi.
Tsikaritra amin'ity fanadihadiana ity
Ao anatin'ny tetikasa OpenSpeaks, tohanan'ny Grant for the Web, nanatontosa fanadihadiana mampiasa fomba mifangaro izahay tamin'ny taona 2021–2022: fanadihadiana amin'ny teny Ho, Anglisy ary Santali, ary tafatafa voarafitra ampahany. Mpamorona votoaty amin'ny fiteny Ho sy Santali 39 no namaly ny fanadihadiana, ary natao fanadihadiana tamin'ny antso an-tsofindavitra ny 14 tamin'izy ireo.
Nizara ny ankamaroan'ny mpamorona fa nanomboka ny fantsona YouTube, Facebook ary Instagram izy ireo noho ny fitiavana ary nampitombo ny firotsahana an-tsehatry ny vondrom-piarahamonina ara-boajanahary. Mamoaka lahatsary ao amin'ny YouTube sy Facebook indrindra izy ireo, sy feo amin'ny fampiharana fandefasana mozika, ary sary ao amin'ny pejy/vondrona ho an'ny daholobe ao amin'ny Facebook, ankoatra ny famoahana gazety sy bilaogy an-jotra. Na ny votoatin-dahatsoratra na ny media marolafy, na nosoratana tamin'ny teny Warang Citi (Ho) na Ol Chiki (Santali), dia tafiditra tao anatin'ny fanadihadiana.
Ny ankamaroan'ny votoaty (39.5 isanjato) noforonina tamin'ireo fiteny roa ireo dia mifandray amin'ny fialamboly, araka ny hita ao amin'ny fikarohana antontan-taratasy sy ny fanadihadiana. Amin'ireo mpamorona votoaty 18 amin'ny fiteny Ho, 10 no mamoaka votoaty lahatsary, fito mamoaka votoaty lahatsoratra, fito mamoaka sary, ary dimy mamoaka votoaty am-peo. Amin'ireo mpamorona votoaty 21 amin'ny teny Santali, 12 mamoaka votoaty lahatsoratra, fito mamoaka sary, dimy mamoaka lahatsary, ary efatra namoaka indrindra votoaty am-peo.
Ny famakafakana ireo horonan-tsary YouTube manana mpijery miavaka mihoatra ny iray tapitrisa dia nanambara fa ny 89 isanjato (166 amin'ny 187) dia lahatsary mozika. Nozarain'i Ashwani R. Banjan Murmu, tonian-dahatsoratry ny Wikipedia amin'ny teny Santali fa be dia be ny mpihaino ho an'ny sarimihetsika sy rakikira mozika Santali , saingy vitsy ny lahatsary fampianarana samihafa, izay mampiseho ny fahavitsian'ny fahalianan'ny mpihaino na ny fahakelin'ny fifantohan'ny mpamorona votoaty, na izy roa. Nandrisika ny sasany ho lasa mpamorona votoaty ny fahitana votoaty amin'ny tranonkala amin'ny teny teratany — toa an'i Bodi Baski, tonian-dahatsoratry ny Wikipedia Santali, izay sendra nahita lahatsary sy bilaogy vitsivitsy tamin'ny Youtube Santali tamin'ny taona 2019.
Vakio bebe kokoa: Mpikatroka Indiana namoaka gazetiboky anjotra voalohany amin'ny teny Santali [mg]
Aorian'ny votoaty fialamboly, ny votoaty ara-pitenenana sy ara-kolontsaina (34,2 isanjato) no miteronterona eo amin'ny fafana, arahin'ny vaovao ankehitriny (7,9 isanjato) ary 18,4 isanjato ny votoaty mifandraika amin'ny fanabeazana sy asa.
Ho an'ilay poeta Santali nahazo loka, mpanao rakibolana, sady Wikipediana Maina Tudu, ny fampiroboroboana ny fampianarana amin'ny teny Santali no laharam-pahamehana indrindra. “Raha tokony hijanona nandritra ny areti-mifindra Corona, dia nanomboka fampianarana anjotra aho mba hampianatra ny teny Santali, ary narindra tamin'ny vondrona WhatsApp,” hoy izy nanampy tamin'ny resadresaka nifanaovana taminay. Tudu ihany koa no nanangana ny gazetiboky anjotra Santali voalohany tantanan'ny vehivavy, Ayo Arang sy ny fantsona YouTube.
Mahita fanantenana amin'ny teny Ho ho be mpampiasa sy ampiasaina am-pireharehana i Bikram Biruli, mpanorina ny fantsona Ho Samaj Live ao amin'ny YouTube, Facebook ary Instagram tamin'ny taona 2018, satria ampianarina tsikelikely amin'ny ankizy izany. Tadidiny ny fahorian'ireo mpiteny Ho nampijaliana noho ny maha Adivasi sy ny fampiasana ny teny Ho. Tsikaritr'ilay bilaogera sady mpikirakira YouTube Babulal Jarika fa manentana ny ankizy tanora hianatra ny Warang Chiti ny votoaty novokariny sy novokarin'ny mpamorona hafa, izay mitarika ho amin'ny fampiasana mavitrika ny fiteny Ho.
Famadihana ho vola amin'ny alalan'ny votoaty an'aterineto
Araka ny fanadihadiana, ny 48,7 isanjaton'ny mpamorona no mahazo vola amin'ny dokambarotra YouTube, ny 43,7 isan-jato no mahazo vola amin'ny fampiasana AdSense, ary ny ambiny dia mahazo vola amin'ny Dokambarotra Facebook (Meta). Efa ho ny antsasany (48,1 isan-jato) no nilaza fa manana loharanom-bola faharoa izy ireo, raha miankina ihany amin'ny fahazaoam-bola amin'ny votoaty kosa ny 59,1 isan-jato.
Na dia alefa miaraka amin'ny endritsoratra Warang Citi sy Ol Chiki aza ireo rafitra miasa be mpampiasa indrindra — Android ho an'ny finday sy Microsoft Windows ho an'ny ordinatera, dia mbola tsy tohanan‘ ny Google Adsense ireo soratra roa ireo, mandrara ny fampiasana doka amin'ny teny Ho/Santali ao amin'ny YouTube, Blogger ary sehatra hafa. Midika izany fa mandany fotoana bebe kokoa ny mpamorona votoaty amin'ny teny Ho sy Santali amin'ny fampidirana famaritana sy metadata hafa amin'ny fiteny matanjaka tohanana mba hahafahan'ny mpihaino azy hahita votoaty mora foana.
Nilaza ihany koa ny ankamaroan'ny mpandray anjara (40 isanjato) amin'ity fanadihadiana ity fa mandany 1-5 ora isan-kerinandro amin'ny famoronana lahatsoratra. Maro no nilaza fa nanampy azy ireo handray anjara ny fahazoana ny fitoniana ara-bola efa tara ela noho ny rafitra famandrihana sy ny endrika hafa.
Nanontanian'ny fanadihadiana ihany koa ny fahalianan'ny mpamorona votoaty, ny faniriany ary ny traikefa amin'ny fampiasana ny Distributed Ledger Technology (DLT) toy ny blockchain, avela amin'ny mpitety sy sehatra sasany ankehitriny. Nilaza ny ankamaroany fa ambany na tsy misy traikefa, raha ny sasany kosa nilaza fa liana amin'ny fianarana na naneho ny tahotra ny loza mety hitranga.
Amin'ny ankapobeny, tratran'ny fanerena goavana avy amin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika ny DLT, raha jerena ny loza lehibe amin'ny fitrandrahana crypto noho ny fandraisany anjara amin'ny fahalotoan'ny rivotra sy ny rano, ny fanjifana angovo tsy maitso ary ny fako elektronika. Any India, efa ela no nampiasaina tamin'ny fitrandrahana arintany ny vondrom-piarahamonina Adivasi, rafitra iray mitondra tombontsoa ho an'ireo vondron'olona matanjaka. Mbola loharanon'ny 75 isanjaton'ny angovo ilaina any India ny arintany.
Hitan'ny fanadihadiana ihany koa fa ny olana misy eo amin'ny fihaonan-dalana, toy ny fampihenana ny fidirana ho an'ny vehivavy sy ny olona hafahafa ary ny sakana ara-teknika, dia misy fiantraikany lehibe amin'ny mpamorona votoaty sy ny atiny. Na izany aza, mbola manorina lalana ho an'ny taranaka vaovao mpamorona votoaty ny ezaka maharitra ataon'ny vitsy an'isa. Andaniana fotoana manokana, asa ary vola mihitsy aza ny fanambin'ny famadihana ho vola ny votoaty an'aterineto. Sehatra maro no mbola tsy ahitana endri-javatra fototra toy ny fampidirana, fikarohana ary doka amin'ny sora-baventy, ary fandikan-tenin'ny milina. Eo am-piandrasana ny famatsiam-bola amin'ny tranonkala tsara kokoa, manohy ny fanambarany ara-tsosialy, fanabeazana ary ara-politika ny mpamorona votoaty Ho sy Santali mba hankafizan'ny mpiara-miresaka aminy ny fitoviana, sy ny fisehoany amin'ny sehatra nomerika.