Andrandraina hampiroborobo fizahantany ny hanarenana indray ireo sambo-trano anjato taonany ao amin'ny Farihin'i Dal ao Kashmir

Stationary houseboats in Dal Lake, Sri Nagar, Jammu and Kashmir, 2022. Image by author.

Fitobian'ny sambotrano ao amin'ny Farihin'i Dal, Srinagar, Jammu sy Kashmir, 2022. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Iray amin'ireo toeram-pizahan-tany malaza any Jammu sy Kashmir ny Farihin'i Dal, rano mahavalalanina miorina ao afovoan'i Kashmir ary voahodidin'ny tendrombohitra. Ny iray amin'ireo mahasarika indrindra amin'ity farihy ity dia ireo sambo tranainy malaza efa taonjato maro izay anisan'ny vakoka ao amin'ny Lohasahan'i Kashmir. Na izany aza, tandindonin-doza ny fahaveloman'izy ireo noho ny fandrarana efa ho dimampolo taona amin'ny fanamboarana ireo sambotrano mahazatra ireo noho ny ahiahy fandotoana. Fanampin'izany, vao mainka nandrahona ny fisian'izy ireo ny didim-pitsarana tamin'ny taona 2019 izay mandidy ny fanesorana ireo sambotrano tsy voasoratra ara-panjakana.

Tao anatin'ny hetsika nandrandraina fatratra, nankatoavin‘ny governemanta teo an-toerana ny fahazoan-dàlana sy ny fanamboarana sambotrano miisa 19 tamin'ny Jona 2023 ary manaraka izany ny famelana hanavao tanteraka sy famerenana amin'ny laoniny ny ati-tranon'ireo sambo rehetra efa mihoatra ny zato taona nisiana. Nankasitraka izany hetsika izany ny fikambanan’ny tompon-trano ary nanao antso avo amin’ny fanjakana mba hanitatra ny fanomezana alalana ho an'ireo karazana sambo-trano rehetra.

Showkat Kashmiri avy ao Jammu sy Kashmir nisioka hoe:

Lalam-piainan'ny Vondrom-piarahamonin'ny sambotranon'i #Kashmir! Fiovan-dalao amin'ny fiveloman'ny fiarahamonina sy ny vakoka ara-kolontsainy ny fanapahan-kevitry ny governemanta amin'ny fanamboarana sy fanavaozana ireo sambo-trano malaza ao amin'ny Farihin'i Dal. Jereo ny fitsanganan'ireo zava-mahatalanjona mitsinkafona ireo indray.

Nisioka ihany koa i Seher Mirza, mponina iray ao Srinagar:

Vaovao tsara ho an'ny vondrom-piarahamonina manana sambo-trano monina ao amin'ny #DalLake malaza eran'izao tontolo izao ao amin'ny Lohasahan'i #Kashmir, navelan'ny governemanta (ho azo atao) ny fanamboarana sy fanavaozana ireo sambo-trano tranainy zato taona, izay tena nila fanamboarana endrika. Tonga ho fanamaivanana lehibe ho an'ny fiarahamonina izany.

Ny ankabeazan'ireo sambo-trano ireo dia ahofa amin'ny mpizaha tany, fa ny sasany kosa karakarain'ny fianakaviana Indiana mpanankarena mandany fialan-tsasatra any amin'ny Farihy Dal.

Ny sambo-trano miharendrika

Niatrika fanamby maro ny sehatrasan'ny fizahan-tany amin'ny sambo-trano tato anatin'ny taona vitsivitsy. Tamin'ny volana aogositra 2019, nofoanan'ny governemantan'India ny andininy faha-370 ao amin'ny lalàm-panorenan'i India, izay nanome sata fizakan-tena manokana ho an'ny fanjakan'i Jammu sy Kashmir ifandirana nanomboka tamin'ny taona 1950. Noho ny tahotra korontana, nogiazina tsy hahazo hivoaka ny trano ny mpitarika ara-politika an-jatony, ary naato [mg] ny fidirana amin'ny tambajotra finday, an-tariby, ary ny aterineto. Nakatona ny sekoly, ary nampiharina tamin'ny toerana maro [mg] ny tsy fahazoana mivezivezy.

Efa nampiharihary voka-dratsy teo amin'ny fahaveloman'ireo sambo ireo ny fitotongan'ny fizahan-tany, noho ny tsy fahazoa-mivezivezy maharitra sy ny fanakatonana ny aterineto miampy ny fiantraikan'ny valan'aretina COVID-19 tao anatin'ny taona vitsivitsy. Taloha, nirehareha tamin'ny fananana sambo-trano 2.000 ny Lohasahan'i Kashmir raha tsy misy afa-tsy 750-800 ny sambo-trano miasa ao amin'ny Farihy Dal amin'izao fotoana izao.

Tsy mihetsika ny sambo-trano hazo ary mora iharan'ny loza voajanahary toy ny tondra-drano, ka mila fikojakojana sy fanamboarana tsy tapaka.

Nisioka ny mpanao gazety Nazir Ganaie:

#Kashmir: Fomba fijery mahavaky fo ny trano sambo rendrika

Nizara tantara mitovy amin'izany ny mpanao gazety Jehangir Ali tamin'ny taona 2020:

Ity sambo trano rendrika sy ho faty ity, feno aina taloha, no fanoharana antonona ny toetry ny fizahan-tany ao Kashmir

Ity horonan-tsary nataon'i Urvat il Wuska avy ao Srinagar, Kashmir, ary solontenan'ny vondrom-piarahamonina VideoVolunteers tamin'ny taona 2022 ity no manasongadina ny tantaran'ny tompon-trano iray izay nangataka onitra tamin'ny governemanta. Mizara ny tompon-trano fa voatery nafindra toerana izy ireo rehefa simba tanteraka ny sambo-tranony, ary tsy afaka nanamboatra izany noho ny fandraràna fanamboarana.

Io sambokely io dia sady fonenana no fiveloman’ny fianakaviana, ka lasa tsy manan-kialofana izy ireo rehefa tsy afaka nanamboatra ilay sambo.

Ny tsy fahampian'ny mpanao asa tanana sy ny vola hanamboarana voafetra

Ny lakana mahazatra ao amin'ny Farihin'i Dal dia vita amin'ny hazo ary voaravaka hazo Kashmiri be pitsopitsony sy fanaka sy karipetra ary karazan-jaitra misoratsoratra. Matetika ireo sambo tsy mpihetsika ireo manana efitrano vitsivitsy ho an'ny vahiny ahitana fandroana feno fanaka, efitra fisakafoana mahazatra, lakozia, efitrano fandraisam-bahiny, ary lavarangana mitodika amin'ny Farihin'i Dal mamelombelon'aina.

Exquisite artwork and decoration in a houseboat in Dal Lake, Srinagar. Image by author.

Exquisite woodwork and decoration in a houseboat in Dal Lake, Srinagar. Image by author. Kitapo tsara tarehy sy haingon-trano ao anaty sambo iray ao amin'ny Farihy Dal, Srinagar. Sary avy amin'ny mpanoratra.

Mba hikolokoloana sy hanamboarana ireo sambo-trano ireo, ilaina ny hazo tsara indrindra sy ny mpanao asa tanana za-draharaha. Tsy ampy anefa ireo mpanao asa tanana ireo satria maro no nivadika asa noho ny fandrarana maharitra. Sarotra matetika ny fahazoan'ny tompon-trano mindram-bola tsy maintsy atao noho ny fanamboarana lafo dia lafo.

Nitombo isa indray ny mpizaha tany tao amin'ny lohasahan'i Kashmir tamin'ity taona ity noho ny fihatsaran'ny filaminana sy ny fitoniana ao amin'ny faritra. Raha azo amboarina sy voatahiry ireo sambo malaza, dia dingana lehibe amin'ny fanavotana ny vakoka manan-danja ao amin'ny lohasaha Kashmir izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.