Undertones: Mandray ny fomba fitantarana rosiana amin'izay mahametimety azy ny breziliana

Ity tantara ity dia ampahany amin'ny Undertones, taratasimbaovaon'ny Civic Media Observatory an'ny Global Voices, ary nosoratan'i Marcelo Elizardo, mpanoratra gazety Breziliana. Mamandriha Undertones eto.

Naneho fahatafintohinana tao amin'ny media sosialy ny Breziliana tamin'ny voalohany raha nibaiko ny tafika Rosiana hanafika an'i Okraina i Vladimir Potinina tamin'ny 24 Febroary 2022. Nanameloka ny herisetran'i Rosia sy fanehoam-panohanana ny Okrainiana no fanehoan-kevitra voalohany anjotra. Nisy ireo naningana vitsivitsy, toy ny sasany tamin'ireo mpanohana ny filoha tamin'izany fotoana izany, Jair Bolsonaro, izay nitandrina kokoa amin'izay fitsipahana, indrindra fa vao nihaona tamin'i Potinina tao Moskoa folo andro monja talohan'ny fananihana i Bolsonaro.

Raha irosoana haingana herintaona mahery kely aty aoriana, tamin’ny volana Avrily 2023. Nanambara ny filoha vaovaon’i Brezila, Luiz Inácio Lula da Silva, fa samy tompon'andraikitra tamin’ny ady ny firenena roa tonta. Na dia eo aza ny voka-dratsin'ny fanehoan-keviny maneran-tany, nanamarina ny ijoroany ny elatra havia ifotony an'i Lula tamin'ny filazàna fa mpiara-miombon'antoka ara-barotra manan-danja ho an'i Brezila i Rosia, ankoatra ny maha-mpiara-dia azy ao amin'ny BRICS, vondrona ivondronan'ireo toekarena matanjaka tsy Tandrefana. Ireto ny fitantarana telo lehibe fanohaana ny Rosiana izay nozarain'ny havia sy havanana amin'ny media sosialy Breziliana, indrindra tao amin'ny Twitter, Facebook, ary Reddit araka ny fikarohanay.

Fitantarana 1. “Tokony ho pragmatika amin'ny ady ao Okraina i Brezila noho ny tombontsoany anatiny”

Na dia eo aza ny tsy fifanarahana sasany eo amin'ny fomba andraisan'i Bolsonaro sy i Lula ny ady any Okraina, dia mitazona ny fomba fijeriny tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa ny diplaomasia Breziliana hatramin'ny nanombohan'ny ady. Nitazona ny ijoroany pragmatika i Brezila tamin'ny filazana fa mametraka ny tsy fiandaniana amin'ny fifandirana iraisam-pirenena ny Lalàmpanorenan'i Brezila.

Nitranga ny fihaonana teo amin'i Potinina sy Bolsonaro – kapitenin'ny tafika teo aloha, politisiana farany havanana, sady filohan'i Brezila ny taona 2019 ka hatramin'ny taona 2022 – raha zara raha nisy mpitondra manerantany sahy nifandray tanana tamin'ny filoha Rosiana. Ny tanjon'i Bolsonaro dia ny hifampiraharaha amin'ny varotra zezika sy famonoana bibikely Rosiana any Brezila, izay miankina betsaka amin'ireo fanafarana ireo ny fambolena ao aminy. Taorian'ny fihaonana, satria teo amin'ny faratampon'ny krizy nifanaovana tamin'ny OTAN i Rosia, nilaza i Bolsonaro fa “niray hina tamin'i Rosia” i Brezila. Fanampin'izay, nilaza i Bolsonaro fa hijanona tsy hiandany i Brezila ary tsy hanameloka an'i Potinina amin'ny ady. Taorian'ny fanamelohan'ny filoha lefiny ny fanafihan'i Rosia, noràran'i Bolsonaro ampahibemaso mihitsy aza izy io tsy hiresaka momba izany.

Nanakiana mafy an'i Bolsonaro ny media Breziliana sy ny mpanohitra elatra havia noho ny fifanarahany tamin'i Potinina ary nilaza fa ny tanjon'i Bolsonaro dia hanehoana fa tsy mitoka-monina ara-diplaomatika izy.

Etsy ankilany, nanohana azy avy hatrany ny mpanohana an'i Bolsonaro tamin'ny fitsidihana an'i Kremlin ary nanohy ny fanohanany na dia taorian'ny niampitan'ny fiara mifono vy an'i Potinina ny sisintany Okrainiana aza. Ny tohan-kevitra lehibe indrindra dia ny hoe “tsy afaka ny hanao tsinontsinona ny fambolena ao aminy i Brezila”, fa “efa be ny olana an-tokatranon'i Brezila”, ary “tsy hahazo na inona na inona amin'izay ankolafy ironany i Brezila amin’ity ady ity.” Mandritra izany fotoana izany, nampitombo avo roa heny ny fitantarana momba ny fifandraisana ara-toekarena akaiky eo amin'ny firenena roa tonta ny fampahalalam-baovao Rosiana, tahaka an'i Sputnik Brezila.

Taorian'ny nanambaràn'i Rosia hampiato ny fanondranana zezika any amin'ny Vondrona Eoropeana tamin'ny marsa 2022, nisioka ny fanohanany ny tsy fiandanian'i Brezila noho ny zezika Carlos Jordy, ny kongresista farany havanana any Brezila:

Dikanteny: Nampita i Rosia fa hampiato ny fanondranana zezika any amin'ny firenena maromaro, tsy anisan'izy ireo i Brezila. Ary mbola misy adala mitsikera ny fihetsiky ny filoha Bolsonaro amin'ny fitazonana ny tsy fombàna ny atsy sy ny aroa amin'ny krizy any Rosia sy Okraina.

Teo amin'ny sehatra diplaomatika, nanaraka ny fanapahan-kevitra manameloka ny fanitsakitsahana ny zaratanin'i Okraina ny Masoivohon'i Brezila ao amin'ny Firenena Mikambana nefa koa nanakiana ny fanasaziana an'i Rosia sy ny fandefasana fitaovam-piadiana ho an'i Okraina.

Eo amin'ny ilany havia amin'ny politika Breziliana, niverina teo amin'ny fiadidiana repoblika tamin'ny volana Janoary 2023 i Lula – filoha teo aloha nandritra ny fehim-potoam-piasana roa izay nosamborina nandritra ny fanadihadiana momba ny kolikoly fanasam-piara tamin'ny taona 2017 ary navotsotra taorian'ny filazana fa nisy fitongilanana ny fitsarana.

Nampitovian'i Lula tamin'ny voalohany ny tsiny teo amin'i Rosia sy Okraina, izay nanakianan'ny media, ny mpanohitra avy amin'ny elatra havanana, ary ireo mpiantsehatra tandrefana azy mafy. Nanitsy ny feony i Lula avy eo ary “nanameloka ny fanitsakitsahana ny zaratanin’i Okraina” tamin’ny farany. Na izany aza, dia nilaza hatrany izy fa tompon'andraikitra amin'ny ady ihany koa i Okraina ary hijanona ho tsy miandany i Brezila.

Ampy ireny fanehoan-kevitra ireny hamadihana ny andraikitra ao amin'ny politika Breziliana. Nanomboka nanakiana an'i Lula noho ny “fandraisana ny fitantarana Rosiana” ireo vondrona farany havanana, ary nanjary nanohana ny kabarin'i Lula ho fanohanana ny tsy fiandaniana ireo vondrona elatra havia.

Amin'izao fotoana izao, miantso an'i Okraina ho “fanjakana Nazi” mihitsy aza ireo mpisera elatra havia hiringiriny ao amin'ny Twitter, mamerimberina ny fanamarinan'i Potinina amin'ny fanafihana an'i Okraina. Na izany aza, tsy izany n fitantarana arahan'ny besinimaro.

Raha nitsidika an'i Lula ny praiminisitra Alemana Olaf Scholz tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nizara ny ahiahiny momba ny faneren'ny OTAN an'i Brezila ny mpisera Twitter iray, izay zohin'ireo politisiana breziliana ambony. Azon'ny rehetra nojerena ny siokany tamin'ny fotoana nanapihan-tsary azy.

Dikanteny: Manahy aho. Tonga aty Brezila ny praiminisitra Alemana hahazo an'i Lula handefa bala any Okraina. Tsy maintsy mijanona ho TSY MIANDANY amin'ity resaka ity i Brezila satria anisan'ny BRICS isika. Tsy ho ampiasain'i Etazonia amin'ny ady tsy antsika isika. Mirodana ny Ampira ary te-hisintona ny hafa.

2. “Manana fahefana hifampiraharaha ny famaranana ny ady ao Okraina ny mpitarika breziliana”

Breziliana maro no mandresy lahatra fa na i Bolsonaro na i Lula dia ampy fahefana hifampiraharaha amin'ny famaranana ny ady ao Okraina. Raha ny zava-misy, nirona kokoa amin'ny fanentanana diplaomatika i Brezila an-taonany maro, ohatra tamin'ny fangatahana seza maharitra ao amin'ny Filankevitry ny Fiarovan'ny Firenena Mikambana noho ny tarazo tsy fiandaniany. Feno fandisoam-baovao ihany koa ny fitantarana manodidina ny hery ara-diplaomatikan'i Brezila.

Na dia mitoka-monina ara-diplaomatika aza i Bolsonaro, dia nilaza ireo mpomba azy fa nandresy lahatra an'i Rosia hiala tamin'ny fananiham-bohitra ny filoha breziliana taorian'ny fihaonan'ny filoha tamin'i Potinina tany Moskoa. Navoakan'i Laércio Silva ny lahatsary eto ambany – izay manohana an'i Bolsonaro ny lahatsorany vitsivitsy.

Fandikana dikantsoratra: Arahabaina ry Brezila. Misaotra ny filoha Jair Bolsonaro isika noho ny nanoroana hevitra izao tontolo izao sy hampitsahatra ny ady manome fandriampahalemana sy firaisankina eo amin'ny (samy) Eoropeana. ANDRIAMANITRA AMBONIN'NY REHETRA! 2022-2026 Bolsonaro mandrakizay.

Etsy ankilan'ny taranjany, matetika i Lula no manambara ny fikasany hitarika resaka fandriampahalemana amin'ny ady. Hitan'ireo mpanohana azy ny tsy fiandaniana amin'ny ady ho tetipanorona hifampiraharahana amin'ny famaranana ny ady.

Dikanteny: manolotra fitantarana i Lula izay mamela an'i Rosia ny fepetra kely indrindra hampitsaharana ny ady ao Okraina! Tiana izany hanamorana ny fifanarahana fandriampahalemana sy hananganana latabatra ifampiraharahana eo amin’ireo firenena voakasik’izany. Miaraka amin'i Lula, miverina amin'ny sehatra iraisampirenena i Brezila!

Fitantarana 3: “Mitsabaka amin'ny raharaha anatiny ao Brezila sy any amin'ny firenen-kafa i Etazonia mba hahazoany tombony manokana”

Fitantarana iray hafa iraisan'ny vondrona elatra havanana sy ankavia ao Brezila ny fandraisan'i Etazonia anjara amin'ny ady. Na izany aza, misy fahasamihafana kely amin'ny fomba fijerin'ireo vondrona ireo ity fitantarana ity. Manome tsiny indrindra ny fitantanan'i Joe Biden ny ady ny mpanohana an'i Bolsonaro, tamin'ny filazana fa nanana fifandraisana milamina tamin'i Rosia i Trump, araka ny hitantsika ao amin'ny sioka etsy ambany.

Dikan-teny: Trump “Tena ratsy”. Fifanarahana fandriampahalemana na dia tamin'i Korea Avaratra aza. Afovoany Atsinanana, rava ny Fanjakana Islamika, milamindamina izao tontolo izao. Biden “Tsara”. Fiverenan'ny Taliban sy ady tany Okraina, namerina (ny nataon'i) Obama izay tompon'ny zavabita tamin'ny daroka baomba. Elatra havia “Fiadanana sy fitiavana”.

Hazonin'i Lula ho tompon'andraikitra tamin'ny ady koa ny Tandrefana, tamin'ny filazana fa tsy tokony nanosika ny fiitarany ny OTAN. Vao haingana, nolavin'ny filoha ny antson'i Alemaina ho an'i Brezila handefa fitaovam-piadiana any Okraina. Midika izany fa tsy hanaiky ny fanerena avy amin'i Etazonia sy ny OTAN hanohana an'i Okraina i Lula. Nandritra ny fivorian'ny G7 farany tamin'ny Jona 2023, niaro ny fandraisan'i Rosia anjara amin'ny fifampiraharahana momba ny fandriampahalemana ny mpitondratenin'i Lula.

Mifanohitra amin'ireo mpanohana an'i Bolsonaro, manameloka an'i Etazonia ny elatra havia amin'ny ankapobeny, na inona na inona governemantany, ary manohana an'i Lula amin'ny tsy fijerena ny tombontsoan'i Etazonia. Ny hetsika prô-tandrefan'i Okraina dia hita ho toy ny teti-dratsy nazi amerikanina, araka ny aseho etsy ambany.

Fandikan-teny: Tamin'ny taona 2014, nironan'ny daholobe tamin'ny mponin'i Crimea, tsy maintsy nisafidy ny vahoaka na te ho any Okraina na any Rosia. Hita fa 96% no nanapa-kevitra hijanona hiaraka amin'i Rosia. Tamin'ny taona 2023, namaly an'i Lula i Zelensky fa tsy hisy ny fifanarahana fandriampahalemana mandra-pahazoany an'i Crimea indray. Mitatitra momba ity lohahevitra ity ny gazety Breziliana tamin'ny fitongilanana niely haingana taloha amin'ny fanohanana an'i Etazonia.

Navoaka amin'ny alalan'ny  Community CMO ity taratasim-baovao ity. Raha te hianatra bebe kokoa ianao na handray anjara amin'izany, dia hevero ny hanome hevitra anay [mg] na manatevin-daharana amin'ny fiofanana mivantana amin'ny 7 Jolay amin'ny 12 ora UTC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.