Mandefasa hevitra fanadihadiana any amin'ny Vondrom-piarahamoninay Civic Media Observatory

Nanomboka tamin'ny taona 2019 ny Civic Media Observatory (CMO), sampam-pikarohan'ny Global Voices no niasa hanadihady ny fomba nananganana fitantarana ao amin'ny haivoarin'ny haino-vaky-jerintsika. Noho ny fahalalana ao an-toerana avy amin'ireo mpikaroka avy amin'ny firenena 30 mahery, nandray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra mahaolom-pirenena izahay sy ny fanalefahana ny fanimbàn'ny fitantarana amin'ny media.

Mientanentana izahay ankehitriny hanalalaka kokoa indray ny sehatrasantsika ary manambara ny famoahana ny Community Civic Media Observatory. Hohazonin'ny Observatory ny rafitra fomba fiasa natao tamin'ny CMO teo aloha ka hanampy amin'ny fampivoarana ny vondrom-piarahamonina Global Voices amin'ny alàlan'ny fampidirana ireo olona tia hiara-hiasa aminay maro kokoa.

Te-hanome toerana ho an'ny mpanoratra izahay ato amin'ny Fiarahamonina CMO mba hametraka ny heviny, hampiasa ny fitaovan'ny observatory, ary hamoaka ny voka-pikarohany. Rehefa tafiditra an-tsambo ny mpanoratra, dia mety hampiandraiketan'ny ekipa CMO asa mila vitaina ihany koa ry zareo.

Ahoana no handraisana anjara

Ho ampiasain'ny Vondrom-piarahamonina CMO ny fomba fiasa vaovao handinihana ny rohivoarin'ny haino vaky jery eo an-toerana, izay mahasarobidy ny fjerin'ny vondrom-piarahamonina ato amintsika. Hampiofanina amin'izany fomba fiasa izany ireo mpikaroka, hikaroka ary hamoaka ny voka-pikarohany ao anatin'ireo tantara ato amin'ny Global Voices sy ny taratasin-gazetin'ny CMO, ny Undertones. Hanohana ireo mpikaroka hatrany ny ekipan'ny tonian-dahatsoratra.

Hanome fomba fijery tsimanampaharoa momba ny tontolon'ny haino-vaky-jery manerana izao tontolo izao ity tetikasa ity, ary hanampy amin'ny fampisongadinana ireo olom-pirenena mahara-baovao sy mby an-dakana. Homena valin-kasasarana noho ny fikarohana nataony sy ny asa navoakany ireo mpikaroka.

Misy fomba roa lehibe handraisana anjara:

1. Mandraisa anjara amin'ny iray amin'ireo fiofanana misokatra ataon'ny CMO

Indray mandeha isaky ny tapa-bolana ny fiofanana. Hampiditra ny fomba fiasa sy ny tanjona aminao amin'ny antso maharitra adiny iray ao amin'ny Zoom ny ekipa CMO. Tsy ilaina ny drafitra amin'izany, misokatra ho an'izay rehetra liana amin'ny ataonay ao amin'ny Civic Media Observatory ny fiofanana.

Ireto ny datin'ny fiofanana manaraka: 

2. Azonao atao ny mampiasa ny endrika famenoana ny drafitray ary mandefa ho anay ny iray amin'ireo hevitra fikarohanao. Ireto misy ohatra sasantsasany tamin'ny tantara navoakanay izay mandravaka ny zavatra tadiavinay:

Omeo anay ny hevitra izay mifototra amin'ireo fitantarana hitanao miforona ao amin'ny rohivoarin'ny haino vaky jery ao amin'ny firenena tianao holazaina.

Mba hahitana fitantarana iray dia azonao atao ny manontany tena hoe: Ahoana no iresahan'ny olona momba an'io lohahevitra io? Iza avy ireo vondrona na olon-tsotra mahazo tombotsoa avy amin’izany hevitra izany? Ahoana no fielezan'io fitantarana io? Inona no mety ho fahavoazana na tombontsoa ho an'ny fiaraha-monina manodidina izany hevitra izany?

Aorian'ny fizotry ny fandinihana anatiny, dia hifandray aminao izahay hanombohana ny fiofanam-pikarohana. Avy eo, mety ho lasa tantaran'ny Global Voices sy/na ny gazetiboky Undertones manaraka ny drafitrao!

Hangatahana ianao hifandray amin'ny tonian-dahatsoratra amin'ny antso mba hifanaraka amin'ny sarany sy ireo asa vita.

Amin'izao fotoana izao dia ny teny Anglisy no tena ampiasainay. Na izany aza, raha te-handefa ny drafitra amin'ny fiteny hafa ianao dia alefaso mailaka aty aminay ka ifampiresahantsika ny mety ahafahana miasa amin'izany fiteny izany.

Momba ny Civic Media Observatory

Ny CMO no fihaonan-dalana eo amin'ny laboratoara fikarohana sy ny efitrano famoaham-baovao. Tao anatin'ny telo taona izay, nanao fanadihadiana momba ny fitantaran'ny haino vaky jery momba ny fifidianana 2020 tao Taiwan, ny COVID-19, ny ady an-trano any Etiopia, ny Fisantaran'Andraikitra Etra sy Lalana an'i Shina, ary ny tsirefesimandidy ankihy, arahin'ireo famakafakana maro mampiavaka ilay firenena izahay. Manome famintinana isan-kerinandro momba ny fikarohana nataon'ny mpikaroka ato aminay ny Undertones, taratasin-gazetin'ny CMO.

Azonao atao ny mahafantatra bebe kokoa momba ny CMO amin'ity tafatafa nifanaovana tamin'i Giovana Fleck, mpitarika ny tetikasa CMO ity.

Mientanentana izahay mirotsaka amin'ity tetikasa vaovao ity miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices. Mandrisika ireo mpanoratra rehetra liana izahay mba handefa ny drafiny eto na hifandray amin'i Giovana Fleck raha misy fanontaniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.