Niara-nijoro tamin'ilay vehivavy mpikatroka ny fitsarana avo indrindra ao Kyrgyzstan ka mamela ny fampiasana ny anaran-dreny

Kyrgyzstani mpikatroka, mpanoratra, ary artista, Altyn Kapalova maneho hevitra amin'ilay fotoam-pitsarana hoavy, taorian'ny nitorian'ny Servisim-panjakana fanoratana ny anarana azy noho ny nanomezany ny anaran-dreniny ny zanany tamin'ny taona 2021. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Kaktus Media.

Tamin'ny 30 Jona lasa teo, nolaniana ny didim-pitsarana iray misava lalana tao amin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenan'i Kyrgyzstan amin'ny hamelana olom-pirenena hisafidy ny anaran-dreniny fa tsy ny anaran-drainy ao amin'ny anarany. Afa-manampy ny anarany avy amin'ny anaran-dreniny amin'izay ny olona ao Kyrgyzstan ankehitriny. Tonga izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny fifandonana ara-pitsarana nandritra ny roa taona mahery teo amin'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny fisoratana anarana (SRS) sy i Altyn Kapalova, mpikatroka, mpanoratra ary artista, izay nanova ny anaran'ny zanany hanaraka ny anaran-dreniny tamin'ny taona 2021. Notorin'ny SRS ho nandika lalàna i Kapalova ary nandresy intelo nisesy tamin'ny fitsarana mandra-pandravan'ny Fitsarana Momba ny Lalàmpanorenana ireny didy ireny ka namoahany didim-pitsarana farany. Naneho hevitra momba izany i Kapalova ary nilaza hoe: “Mino aho fa nanao dingana goavana ho amin'ny rariny sy amin'ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy ny firenena.”

Ity ny ranty ao amin'ny pejiny Facebook misy ny fanehoan-kevitr'i Kapalova momba ny didim-pitsarana .

Lova navelan'ny Firaisana Sovietika ny fampiasana ny anaran-dray ao Kyrgyzstan, fony tsy maintsy arahana ny fanomezana anarana araka ny fomban-drazana Rosiana. Izany tarazom-panomezana anarana izany dia ny anaram-pianakavian'ny razan'ny lahy no tovanana -ov/ev ho an'ny lahy na ova/eva ho an'ny vavy miampy anarana fiantso miampy anaran-dray avy amin'ny anaran'ny ray fenoina -vich ho an'ny lahy na -vna ho an'ny vavy. Ohatra, Altynov Janar Bakayevich. Ny fomban-drazana Kyrgyz amin'ny fanomezana anarana dia tsy ahitana afa-tsy ny anaran-dray + uulu (zanakalahin'i ) na kyzy (zanakavavin'i) + anarana fiantso. Taorian'ny nahazoany ny fahaleovantena tamin'ny taona 1991, nanomboka nifindra nametraka anarana ho “uulu” sy “kyzy” ary koa “tegin” (fiaviana) ny Kyrgyz, ohatra, Bakay uulu Janar. Na dia izany aza, maro ireo mbola mampiasa ny -ov/ova amin'ny anaram-pianakaviany sy ny anaran-drainy, toy ny an'ny filohan'ny firenena Japarov Sadyr Nurgozhoevich. Omen'ny lalànaMomba ny sata sivily” alalana ny fampiasana anaran-dray, izay avy amin'ny havan'ny lahy ihany, izay nosokajian‘ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana ho “fanitsakitsahana ny fitsipiky ny fitoviana”.

Ity misy lahatsary YouTube misy ny fanehoan-kevitr'i Kapalova momba ny fotoam-pitsarana voalohany tamin'ny taona 2021.

Fandresena mangidy ho an'i Kapalova, izay niady mba hitazona ny anaran'ireo zanany ho avy amin'ny anaran-dreny izany, saingy nodidiana izy hanaisotra izany. Nanapa-kevitra ny fitsarana fa ireo izay mahatratra 18 taona ihany no afaka misafidy ny hanampy anaran-dreny, ary tsy afaka manome izany ho an'ny zanany rehefa teraka ny reny. Eo anelanelan’ny enina ka hatramin’ny 16 taona ny zanany telo. Nohazavain’ireo mpitsara ny fanapahan-kevitr’izy ireo tamin’ny filazana fa “ao anaty fiaraha-monina nentim-paharazana, dia mety ampijalian'ny namana indray mihira aminy noho ny anarandreny ao aminy ny zaza iray”. Tapa-kevitra ny hanohy ny ady ho an'ny zon'ny vehivavy hanome anaran-dreny ho an'ny zanany rehefa teraka i Kapalova ary mikasa ny hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana iraisampirenena.

Niatrika mpifanandrina maro i Kapalova tao anatin'ny roa taona sy tapany niadiany ara-pitsarana. Nentim-paharazana sy anjakazakan-dray amin'ny ankapobeny ny fiarahamonina Kyrgyzstani. Ohatra, ampiharin'ny fitsipiky ny “jeti ata” (raim-pianakaviana fito) ao amin'ny firenena ny tsy maintsy ahalalàna ny anaran'ny razambe avy amin'ny lahy hatramin'ny taranaka fahafito. Maro no nahita ny fanapahan-kevitr'i Kapalova ho fanafihana ny fomban-drazana sy ny fenitra ara-kolontsaina. Araka ny filazany, nanatevin-daharana ny SRS ny solontenan'ny parlemanta, ny fiadidian'ny Filoha ary ny minisiteran'ny Fitsarana ary nanohitra ny fampidirana ny anaran-dreny tao amin'ny fotoam-pitsarana. Ny filohan'ny Fitantanana ara-panahin'ny Miozolomana ao Kyrgyzstan (Muftiate) dia nanambara fa “mety hanimba ny fototry ny firenena” ny famelana ny fampiasana ny anaran-dreny. Nampitandrina ihany koa izy fa mety hitarika fanavakavahana sy ratra ara-tsaina eo amin'ny ankizy io fanapahan-kevitra io.

Saika tsy misy ao anatin’ity resaka ity dia ny fiakaran’ny tahan’ny fisaraham-panambadiana. Farafahakeliny 25 isanjaton'ny mpivady ao Kyrgyzstan no misaraka. Matetika ny ankizy no avela amin’ny reny, izay tsy afaka mahazo vatsy avy amin’ny rain'ny kilonga na sahirana amin’ny fivelomana satria kely dia kely ny karama. Iray amin'ireo vehivavy mitaiza ny zanany tsy misy fanohanana avy amin'ny rain'ny kilonga na ny fanjakana i Kapalova. Vao herinandro izay, tsy afaka nanome anarana ho an'ny zanany, izay taratry ny tsy fitoviana fototra, ny reny tokan-tena. Mampiditra ny rariny ny didim-pitsarana amin'ny sehatra izay itakian'ny raim-pianakaviana ametrahana ny anarany amin'ny zanany, nefa ny sasany tsy mamahana azy ireo mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.