Franca Umasoye Igwe: Mampiroborobo ny fiteny Ekpeye ao Nizerià

Franca Umasoye Igwe no mampiantrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang  ny 6 hatramin'ny 12 Jola 2023, hizara ireo fomba fijery sarobidy momba ny fiteny Ekpeye ao Nizerià. Ny tafa teo aloha nifanaovan'ny Rising Voices tamin'i Umasoye dia manome topimaso amin'ny fahaizany manokana sy ny fanolorantenany. Izy no mamaritra ny tenany hoe:

Nizeriàna aho, mpanoratra manana fahaiza-mamorona, mpankafy teknôlôjia ary manao adisisika ho an'ny fiteny indizeny. Manana traikefa momba ny fakàna sary sy ny fomba fivarotana anaty tambajotra, ary amin'izao fotoana izao dia manohy manomana maripahaizana momba ny fanitàrana ny fambolena sy ny sôsiôlôjia ambanivohitra ao amin'ilay anjerimanontolom-panjakàna malaza: “Rivers”. Tena zava-mahafinaritra ahy ny fampiasàna teknôlôjia ho amin'ny fampaharetana sy fanomezana aina vao ireo fiteny indizeny. Tsy ela akory izay, nihevitra vahaolana iray aho ho an'ny “tetikasa Afrilingo” hiatrehana ny fahaverezan'ny fiteny, izay nisandratra ho ny tetikasa mpandresy. Teknisiàna roa no niarahako niasa nahafahako namorona izany nandritra ny hackathon WSIS ho an'ireo fiteny Indizeny. Amin'ny alàlan'ny teknôlôjia,, tiako ny ho afaka hiatrika  araka izay tratrako, ny fahaverezan'ny fiteny. Tamin'ny 2020 aho no nanorina ny Speak Ekpeye Fluently Language Initiative. (Tetikasa “miteny tsy miambakavaka ny Ekpeye”) . Io dia ONG manolo-tena hanome aina vao ny fiteny Ekpeye, fiteny iray an'ireo vitsy an'isa ao amin'ny Fanjakan'i Rivers, Nizerià, izay efa tandindonim-paharinganana. Amin'ny alàlan'ny adisisika nataoko tamin'ny ekipako, vitako ny nanangana tontolo iray hianarana ny fiteny Ekpeye ety anaty habaka nomerika (anaty tranonkala sy tambajotra sôsialy). Heveriko fa ny ankizy tsirairay avy dia tokony hahazo vintana mitovy hianarany ny fitenin-dreniny alohan'izay fiteny hafa rehetra, satria tena manandanja amin'ny maripamantarana azy izany, ary ho an'ny fitahirizana ireo fiteny indizeny.

Araho ny @DigiAfricanLang hihainoana ireo fifanakalozan-dresaka mitondra fahazavàna sy ny adisisika momba ny filàna ny hampitomboana ny fahasamihafam-pitenenana ety anaty tambajotra ary manerana ny tanibe Afrikàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.