Global Voices miresaka ny tsirefesimandidy ankihy ao Amerika Latina sy ireo fitaovana enti-miady amin'izany

Screenshot of the fesivals website on the online workshop with Melissa Vida was part of.

Pikantsarin'ny tranonkalan'ny fetibe ahitana torohain'ny atrikasa anjotra andraisan'i Melissa Vida anjara amin'izany. Avy amin'ny: Instituto Multimedia DerHumALC. Loharanombaovao sy zo: Instituto Multimedia DerHumALC.

Nampiantrano resadresaka momba ny tsirefesimandidy ankihy ao Amerika Latina sy ireo fitaovana hiadiana amin'izany i Melissa Vida, tonian-dahatsoratry ny Global Voices ao Amerika Latina sady mpanoratra ao amin'ny Civic Media Observatory. Nasainy ireo GVers Carlos E. Flores avy ao Ekoadaoro sy José Luis Bénitez avy any El Salvador, izay niresaka ny teknika sy ny fitantarana ao ambadiky ny fironana mankany amin'ny tsirefesimandidy ankihy ao amin'ny fireneny avy. Nanatevin-daharana azy telo ireo ny mpandahateny manokana iray avy any Nikaragoà, izay tsy nitonona anarana noho ny antony fiarovana ankihy. Nandray anjara tamin'ny lahatsary voarakitra ihany koa ilay mpamokatra sarimihetsika Nikaragoaiana Gloria Carrión. Nokarakarain'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Iraisampirenena Momba ny Zon'olombelona (FICDH) tamin'ny 3 Jona 2023 tao Buenos Aires, Arzantina ny atrikasa.

Niara-niasa tamin'ny Unfreedom Monitor, tetikasa fikarohana mifantoka amin'ny fanjohiana ireo fironana sy ny fitantarana momba ny tsirefesimandidy ankihy any amin'ny firenena 20 manerantany ao amin'ny Global Voices, ireo GVers ireo. Ohatra, azonao jerena ny tatitra Ekoadaoro sy El Salvador. Niaraha-niasa tamin'ny Civic Media Observatory, tetikasa iray mifantoka amin'ny famakafakana ireo fitantarana lehibe mitranga any amin'ireo firenena voafantina amin'ny fotoana iray, ny mpanao fikarohana avy ato aminay ho an'i Nikaragoà, .

Niresaka ny fomba nironana amin'ny tsirefesimandidy ankihy tsy ao anaty odidina tsirefesimandidy ihany, toa an'i Nikaragoà, ireo nampiresahana fa any amin'ny toerana demaokratika ihany koa, toa an'i Ekoadaro. Navoitran-dry zareo ihany koa ny fahamailahan'ny governemanta mitodika mankany amin'ny fepetra tsirefesimandidy tsikelikely, toa an'i El Salvador. Noresahan-dry zareo ihany ireo karazam-pitaovana ampiasain'ny mpisehatra ao amin'ny tsirefesimandidy ankihy, toy ny fanakonana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny alalan'ny fitsarana sy ny fanorisorenana, amin'ny fanaraha-maso manokana sy ankapobe ny mponina, amin'ny fanakanana ny aterineto sy ny fandisoam-baovao. Noresahina ihany koa ny fomba fiezahan'ireo mpisehatra avy amin'ny fanjakana handresy lahatra ny mponina amin'ny filana ireo fepetra ireo; ohatra hoe mitady hanamarina ireo fomba ireo ve izy ireo sa tsy miraharaha an'izany?

Tamin'ny ampahany faharoa tamin'ny atrikasa, nanolotra ampahany azo ampiharina sy ifanakalozan-kevitra i Alessandro Zagato ao amin'ny Artists at Risk Connection  ary nampianatra an'ireo mpandray anjara ireo fitaovana hisorohana sy hiadiana amin'ny fandrahonana ny fahalalahana maneho hevitra, ny sivana anjotra ary ny fitsikilovana virtoaly.

Raha te hianatra bebe kokoa momba ny Civic Media Observatory ianao ary hanolo-kevitra fanadihadiana fohy momba ny fitantarana, dia miangavy anao hanatevin-daharana amin'ny fiofanana misokatra amin'ny Zoma 7 Jolay amin'ny 12PM UTC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.