Tatitra Unfreedom Monitor: El Salvador

Image courtesy Ameya Nagarajan

Efa ela no sarotra ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsirefesimandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesimandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra ity tatitra ara-panatanterahana momba an’i Kamerona ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Fony namarana ny ady an-trano (1980–1992)  tamin'ny alalan'ny Dinam-Pandriampahalemana teo amin'ny governemanta sy ny hetsika mpiady anaty akata i El Salvador tamin'ny taona 1992, dia nasehon'ny Firenena Mikambana ho firenena fitaratra amin'ny fifampiraharahana ara-pandriampahalemana sy ny famahana fifandirana manerana izao tontolo izao. Hatramin'ny nahateo amin'ny fitondrana ny filoha Nayib Bukele tamin'ny taona 2019, lasa fandalinana tranga fisandratan'endrika vaovaon'ny tsirefesimandidy sy ny fandrendreham-bahoaka i El Salvador.

Tao anatin'ny telo taona monja i Bukele dia nampisy zavanitranga ara-politika mifaningotsingotra nantsoin'ny sasany hoe “Bukelisme”, izay nahasahana sarin'ny taonarivo, mampiroborobo ny fampiasana Bitcoin ho azo ampiasaina ara-dalàna ao amin'ny firenena, ady amin'ny kolikoly sy ny fitantaran'antoko politika tsy tia nentim-paharazana, ary kabary manohitra ny fitaoman'i Etazonia amin'ny politika Salvadoriana. Niasa haingana i Bukele nanangana antoko politika vaovao, Nuevas Ideas, izay mifehy ny ankamaroan'ny solombavambahoaka 84 ao amin'ny Antenimierampirenena sy ireo fiadidian-paritra tena manan-danja indrindra ao amin'ny firenena. Noho io fanohanana io, nataon'i Bukele tamin'ny volana mey 2021 ny fanesorana mampiady hevitra mpitsara dimy tao amin'ny Lapan'ny Lalàmpanorenana ao amin'ny Fitsarana Tampony sy ny Lehiben'ny Fampanoavana. Fehezin'i Bukele noho izany ny mpanatanteraka, ny mpanao lalàna ary ny Lapan'ny Lalàmpanorenana kitro ifaharana ao amin'ny Fitsarana Tampony, izay namaritra indray ny lalàmpanorenana ahafahan'i Bukele hofidiana indray amin'ny taona 2024.

Niasa tao amin'ny sehatrasan'ny dokambarotra i Bukele izay tsy nahavita ny oniversite talohan'ny nidirany politika, ary fantatra noho ny fampiasana ny media sosialy, indrindra ny Twitter, sy ny sehatra hafa mba hampitana hafatra ho an'ny mpanjohy azy. Hatramin'ny naha-filoha azy, nampiasa Twitter i Bukele hampitàna baiko amin'ireo tompon'andraiki-panjakana, hanambara fankatoavana didim-panjakana ary hamaliana ny hetsika rehetra ao amin'ny firenena.

Tranga roa lehibe no fakafakain'ity tatitra ity : ny fampahafantarana fa nampiasaina tamin'ny mpanao gazety avy amin'ny fampahalalam-baovao tsy miankina sy ny solontenan'ny fiarahamonim-pirenena ny rindram-pitsikilovana Pegasus, sy ny fandrahonana nataon'ny mpanolotsainan'i Bukele ara-pitsarana tamin'ireo vehivavy mpanao gazety roa noho ny tsy famoahany loharanom-baovao tsy fantatra anarana tafiditra ao anatin'ny vaovao iray. Ny tranga faharoa dia maneho ny fironana amin'ny fanorisorenana an-jotra sy ny fandrahonana ataon'ireo vehivavy mpanao gazety naroborobon'ny Filoha Bukele sy ireo tompon'andraiki-panjakana sy naverin'ireo mpanohana an'i Bukele natao, ivotoerana mpandoto rindrina, ary ireo mpitaona olonan'ny mpomba ny governemanta ao amin'ny media sosialy.

Amin'ny alalan'ny famakafakana ireo hetsika roa lehibe ireo, ezahan'ity tatitra ity valiana ny fanontaniana fototra amin'ny fikarohana: Inona no tena antony manosika, ny fomba, ary ny valin'ny fitondrana tsirefesimandidy ankihy ao El Salvador? Avy amin'izany, nosoritan'ity fikarohana ity ireo toetra lehibe, tetipanorona ary fitantarana mifandrohy amin'ny famariparitana ny tsirefesimandidy ankihy ao El Salvador. Fehiny, misy ny porofo mivaingana fa manangana tetikasa ara-politika mifototra amin'ny fanao fandrendreham-bahoaka sy tsirefesimandidy ny Bukele sy ny Bukelisme, ary ao anatin'izany paika izany, tanjona lehibe iray ny fanaratsiana endrika ny andraikitry ny asa fanaovan-gazety mahaleotena, ary, amin'ny fampiasana ny teknolojia rindram-pitsikilovana toy ny Pegasus, mametraka ara-dalàna rafitra fanaraha-maso ny feo mitsikera sy ny mpanohitra ara-politika.

Vokatr'izany, tsy vitan'ny mametra ny fahalalaham-pitenenana an-jotra sy ivelan-jotra ao El Salvador ihany ity endrika tsirefesimandidy ankihy ity fa maneho koa ny fahavitrihan'ny famoretana ankihy sy ny fanaraha-maso nakàna aingam-panahy avy amin'ireo fitondrana tsirefesimandidy hafa manerana izao tontolo izao.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Trohy ny tatitra PDF feno momba an'i El Salvador.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.