Toroga Denver: mpampiroborobo ny fiteny Khoikhoi ao Afrika Atsimo

Toroga Denver no mampianatrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang manomboka ny 29 Jona hatramin'ny 5 Jolay 2023, hizara ireo fomba sarobidy tsy lany hamamiana momba ny fiteny Khoikhoi ao Afrika Atsimo. Ny tafa teo aloha niarahan'i Toroga tamin'ny Rising Voices dia manome topimaso amin'ny fahaizany manokoana sy ny fandavantenany.

Mpikatroka ho an'ny fiteny sy ny kolontsaina Khoe ary Afrikaans, mpanoratra, mpakasary, poeta sy mpikarakara lanonambe. Ny tantarany fohy navoakany  ‘Boesman Myt’ dia aingampanahy avy amin'ny làlana nizoran'ny reniny avy any Graaff-Reinet nankany Cape ba hitady fiainana tsaratsara kokoa. Namoaka ihany koa izy fehezan-tantara fohy, ireo tantara “wat kort 1 sy 2″. Manana podcast azy manokana izy: ny ‘Draadloos virrie raadloos’.

Araho ny @DigiAfricanLang hihainoana ireo fifanakalozan-dresaka mitondra fahazavàna sy ny adisisika momba ny filàna ny hampitomboana ny fahasamihafam-pitenenana ety anaty tambajotra ary manerana ny habaka Afrikàna Tatsimo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.