Torohevitra sy fampahatsiahivana WordPress: Fanamarinana lisitra WordPress

 

Raha mampiditra lahatsoratra amin'ny WordPress ianao, ireto ny lisitra fanamarinana fototra tokony hataonao alohan'ny handefasanao azy amin'ny sobatonia:

  1. Rehefa avy manao dika petaka ny lahatsoratra avy ao amin'ny Word na Google Docs ianao, safidio izay rehetra hitanao eo ary fafao ny fandrafetana amin'ny alàlan'ny bokotra toa miendrika gaoma. Hanala ny HTML fanampiny rehetra mety hiteraka olana izany, fa tsy hanala rohy.

  1. Soraty ny lohateny. Ny litera voalohany amin'ny teny voalohany sy ny anaran-tsamirery rehetra ihany no atao sorabaventy. Mariho fa ataontsika sorabaventy ny litera voalohany aorian'ny teboka amam-paingo
  2. Manorata fango. Ny tanjona amin'izany dia ny hanampy odidina kely amin'ny lohateny. Aza adinoina ny mihazona izany tsy mihoatra ny teny 1-2 amin'ny fetra.
  3. Makà sombiny avy ao amin'ny lahatsoratra. Ny hisarihana ny saina mba hamakian'ny olona ny lahatsoratra manontolo no tanjon'izany. Aza adinoina ny mihazona izany mba tsy mihoatra ny teny 3-4 amin'ny fetra.
  4. Makà sary mahafeno ny fepetra takian'ny habeny, mihoatra ny 1200px no tsara indrindra, ary amin'ny endrika endritany.
  5. Ataovy “Heading 3” ny sobalohateninao. Ny litera voalohany amin'ny teny voalohany sy ny anaran-tsamirery ihany no atao sorabaventy
  6. Karazana marika: tsy maintsy misy firenena, faritra, fitenin'ny lahatsoratra. Hisy marika mialoha ny “Weblog”. Aza asiana marika ny boaty “Feature”.

8. Tag the relevant people. This must include subeditors. It can also include other regional editors whose input might be helpful. 

    • Raha mikasika ny zo nomerika ny tantara, mariho ny Advox.
    • Raha lahatsoratra famoahan-kevitra, mariho ny The Bridge.
    • Tokony marihana Ru-net Echo avokoa ny tantaran'i Rosia + Aterineto rehetra.

  1. Jereo raha mifanaraka amin'ny fitantarana manokana ny tantara ary mariho ihany koa io sokajy io raha ilaina.
  2. Hamarino raha marina ilay olona nofantenana tao amin'ny boaty mpanoratra.
  3. Tehirizo ny drafitra.
  4. Mametraha fanehoan-kevitra ao amin'ny sehatra fanitsiana mba hampahafantarana ireo olona voakasik'izany. Raha manao izany ianao alohan'ny fialan-tsasatra, na ny zoma, ataovy azo antoka ny manamarika ny tantara na maika izany na tsia, mba tsy hanavesatra ho be loatra ny tonian-dahatsoratra amin'ny faran'ny herinandro. Hiditra an-tsehatra ny iray amin'ireo tonian-dahatsoratra mpanampy ary hanova izany araka izay ilaina raha toa ka mila avoaka haingana ny tantara iray. Raha afaka miandry izany dia hijery izany ny tonian-dahatsoratra mpanampy voatendry rehefa tafaverina eo amin'ny biraony izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.