Zavakanto manohitra ady teny an-dalamben'i Saint Petersburg: Endrika fifaharana iray

Pikantsary avy amin'ny asa taloha nataon'i Misha Marker ao amin'ny video YouTube. Natao tamin'ny lokon'ny sainam-pirenena Okrainiana, ary milaza hoe: “Fotoana izao hifehezana ny kibonareo” (izay milaza hoe ho mafy ny andro amin'ny fiteny rosiana). Saingy mampiseho ihany koa tady fanantonana olona, izay midika hoe ho ataon'ny fitondrana mangirifiry avokoa ny rehetra.

Namoaka ranty Instagram manasongadina fanoherana ady hita teny an-dalamben'i Saint-Pétersbourg tamin'ny taona 2022 sy 2023, izay efa voafafan'ny manampahefana avokoa, ny Tantara Manandanja (Vazhnye Istorii) fampahalalam-baovao Rosiana mahaleotena. Tsy graffiti mahazatra fahita isan'andro ao Rosia ho fomba fanoherana ady fa zavakanto izay misy sonia indraindray miaraka amin'ny solon'anaran'ny artista iray. Natsofok'i Global Voices amin'ity ranty ity ny ranty Instagram an'i Vazhnye Istorii sy an'ireo artista maro.

Alain'ity afisy ity tahaka ny afisy mialoha fifidianana an'i Valdimir Potinina, filohan'i Rosia ankehitriny. Hirotsaka ho “kandidà” i Potinina mandritra ny fifidianana filoham-pirenena (izay tsy ho malalaka sy tsy ara-drariny noho ny famoretana feno ny tsy fitovian-kevitra sy ny fifehezana ny fampitam-baovao) amin’ny taona 2024. Hoy ilay afisy: “Midadasika ny firenena. Ho ampy ho an’ny olona rehetra ny tany.” Ny teny hoe tany eto, земля amin'ny teny Rosiana dia nosoratana tamin'ny marika latinina Z tany am-piandohana — Zемля. Misy manatrika sy ivoho ny fanehoana an-tsary eto: voalohany indrindra, te-hampihevitra izany fa ny ady feno habibiana fambaboana tany Okraina natomboky Potinina dia tsy ilain'ny firenena mihitsy — manana faritany midadasika loatra ho azy manokana izay tsy voakarakaran'ny fitondrana araka ny tokony ho izy — ary faharoa, mikasa i Potinina ny handefa olona an-tapitrisany hovonoina saingy ho ampy hatrany ny tany ao Rosia handevenana azy ireo. Artista graffiti manana anaram-bosotra xbfmthx no nanao izany. Navoitrany ao amin'ny Instagram ny asany hafa.

Asehon'ny sary faharoa ao amin'ny ranty ny sehatra iray avy amin'ny dihy Rosiana malaza, Farihin'ny Vorombe. Notapahin-doha ary aseho amin'ny loko mena mihoson-drà ireo mpandihy ballet nandihy ny “little swan dance”. Misy manatrika sy ivoho koa ny dikany. Raha lasa mpamono olona ny “kolontsaina Rosiana”, izay nohasohasoana fatratra sady reharehan'ny firenena, ny iray. Ny iray hafa dia matetika aseho amin'ny fahitalavi-pirenena ny dihy ballet rehefa mitranga ny zavatra tahaka ny fiovam-pitondrana — izay nitranga nandritra ny fikasana hanonganam-panjakana tamin'ny taona 1991 izay niafara tamin'ny fananganana fanjakana Rosiana semi-demôkratika sy ny faharavaravàn'i URSS farany. Satria tsy fantatra ny mpanoratra, dia tsy nahita izany tao amin'ny Instagram araka ny tokony ho izy ny Global Voices.

Ny sary fahatelo amin'ny ranty dia mampiseho ny asan'ny artista Vano Bogomaz. Nosoritany i Jesoa nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana sy miaramila Rosiana roa izay toa vao avy namantsika azy. Hita tao amin'ny araben'i Saint-Pétersbourg izany tamin'ny Aprily 2023. Natsofok'i Global Voices ny ranty tao amin'ny pejy Instagram an'i Vano. Hoy ny fanoritsoritana: “Mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka: 23:34) tenin’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Efa 2000 taona mahery izao no lasa, ary mbola tsy afaka mitsahatra amin'ny fanaovan-dratsy isika.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Vano Bogomaz (@vano_bogomaz)

Ny asa manaraka dia an'ilay artista graffiti manana anaram-bositra Zoom. Miteny ho azy ny sary. Natsofoka avy amin'ny pejy Instagram an'ilay artista ny ranty.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by @zoomstreetart

Nipoitra tao Saint Petersburg tamin'ny oktobra 2022 ny ranty.  Tokony ho tahaka izao ny sary: voasakan'ny polisy ao  Saint Petersburg ny asa ary voasazy hando onitra ireo artista. Raha tokony ho Google ny andalam-panaovan-karoka, dia milaza Goolag (Gulag), manondro ny asa anterivozona tany amin'ny saha sovietika, ary ny fanontaniana ao amin'io “karoka” io dia “ahoana no handosirana?” Ny nanao azy dia art-group Yav (Явъ).

Mbola avy amin'ilay art group teo ihany ny asa manaraka. Napetraka teny an-dalamben'ny tanàna tamin'ny 12 avrily, izay andro nankalazana ny nanavatsavana ny habakabaka, tamin'ny tsingerintaonan'ilay andro voalohany teo amin'ny tantara nidiran'ny lehilahy voalohany Yurii Gagarin avy amin'ny Firaisana Sôvietika ho eny an'habakabaka.  Asehony an-tsary ny velarana planeta iray hafa (heverina ho ny volana), ary miteny hoe: Nahoana isika no mandefa balafomanga TSY eto.

Artista graffiti iray hafa, Misha Marker, namoaka afisy tamin'ny Desambra 2022 teo amin'ny iray amin'ireo toeram-piatoan'ny bus ao Saint Petersburg.  Voalaza hoe “Misy *****.” Na dia tahaka ny milaza aza ny artista amin'ny topi-maso voalohany hoe “Misy ranomandry,” dia misy litera dimy banga nesorina, ary raha manana litera efatra ny ranomandry (снег), ny ady (война) kosa manana litera dimy. Voararan'ny lalàna ao Rosia ny milaza ny fananiham-bohitra rosiana an'i Okraina ho “ady.”

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Миша Маркер (@misha_marker)

Asa iray hafa avy amin’ity artista ity ihany naranty tao Saint Petersburg tamin'ny marsa 2023. Ny fafana eo amin'ny afisy milaza “fivoahana.”

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Миша Маркер (@misha_marker)

Tsy ho ampy hamaranana ny ady na ny angovon'ny fitondrana rosiana ireo endrika fifaharana rehetra ireo.  Saingy ny fahitana fa mbola mitranga izay amin'izao fotoana izao no manome topimason'ny fanantenan'ireo ao anaty jadona. Tsy milaza anarana ireo artista rehetra fandrao tratran'ny fanenjehana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.