Tatitra Unfreedom Monitor: Kabary

Image courtesy Ameya Nagarajan

Tsy nifankahazo amin'ny fitondrana tsirefesimandidy hatry ny ela ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraiki-pikarohana ato amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry tsirefesimandidy voatambajotra na tsirefesimandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohana ambany fifehezan'ny Unfreedom Monitor ity tsonga momba ny Kabary/Resaka ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Fitsipika fototry ny demôkrasia ny fahalalahana maneho hevitra, satria zo mamela ny olom-pirenena sy ny haino vaky jery hihazona ny fanjakana hanao tamberin’andraikitra sy ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony amin’ny fitantanana ny firenena iray. Ny faneriterena ny fahalalaham-pitenenana dia fomba iray lehibe hanomezam-bahana ny tsirefesimandidy ankihy. Ny raharaham-pamakafakana an'i Rwanda no hampiseho fa mamerimberina miteny lalàm-pamoretana ny governemanta hifameno amin'ny teknolojian'ny fanaraha-maso sy ny famoretana ataon'ny fanjakana hikendrena ny feon-kevitra hafa. Miatrika sazy fanagadrana mampitroatra ny ankamaroan'ireo maningam-piteny voasambotra fa sahy manontany ny (tsy fiovan-)javatra na mihaika ny fitantaram-panjakana momba izay nitranga nitarika ny fandripaham-bahoaka tamin'ny taona 1994. Amin'ny tranga sasany, nisy namono na maty noho ny toe-javatra mampiahiahy ny mpanao gazety sy ny mpikatroky ny antoko mpanohitra. Mamboly kolontsain'ny fanivanan-tena eo amin'ny olom-pirenena izany toe-javatra izany amin'ny ankapobeny  sy fahatsapana ankapobeny amin'ny fanerena sy ny fiaraha-misafidy amin'ny fitantaran'ny fanjakana.

Nisy traika masiaka tamin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny fiavian'ny teknolojian'ny fanaraha-maso ankihy ao Rwanda sy ny fampiasan'ny governemanta azy amin'ny hanaraha-maso ireo mamoaka feo hafa. Voatondro ho mpanjifa goavana amin'ny rindram-pitsikilovana Israeliana NSO, antsoina hoe Pegasus, izay nampiasaina hitsikilovana ireo mpanohitra ara-politikan'ny fitondran'ny Filoha Paul Kagame ary amin'ny tranga iray manokana, mba hitsofohana amin'ny fifandraisana manokan'ny filoha Afrikana Tatsimo Cyril Ramaphosa. Filazana tsipahin'ny fitondran'i Kagame mafy izy io. Tamin'ny volana oktobra 2019, voalaza fa nisy faharefoana tao amin'ny WhatsApp nahafahana nikirakira rindram-pitsikilovana Pegasus hikendrena ireo Rwandey mpisintaka ara-kevitra, anisan'izany ny mpanao gazety sy ny mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra (Amnesty, 2021).

Vaindohan-draharaha ny zon'ny fiainana antakonana sy ny fiarovana angon-drakitra anjotra noho ny anjara asany akaiky amin'ny fandavorariana ireo zo hafa toy ny fahalalahana miteny, ny fahalalahana hahazo torohay sy ny fahalalahana hampijoro fikambanana, ankoatra ny hafa. Na izany aza, tsy mifanaraka amin'ny demôkrasia ny fampiasan'ny governemanta ny teknolojian'ny fanaraha-maso atao amin'ny mpanao gazety sy ny mpikatroka satria tsy afaka mampiasa an-kalalahana ny zony ry zareo haneho hevitra ao amin'ireo andian-asa fanaony. Dinihan'ity tatitra ity ny sehatry ny kabary/lahateny eo ambany saokan'ny Unfreedom Monitor, anasongadinana ireo fandrahonana sy fitantarana ampirisihan'ny fanjakana hanakanana ny fahalalahana toy izany, ka nampaisaina ho tranga hofakafakaina tamin'izany ny Repoblikan'i Rwanda.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Tsy nifankahazo amin'ny fitondrana tsirefesimandidy hatry ny ela ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraiki-pikarohana ato amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry tsirefesimandidy voatambajotra na tsirefesimandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Trohy ny tatitra amin'ny PDF momba ny kabary/resaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.