“Atahorana haharitra an-taonany maro ny ady an-trano ao Sodàna”: Resadresaka nifanaovana tamin'ny manam-pahaizana Hatim Abdulaziz

 Olona nafindra toerana ao amin'ny sisin-tanin'i Darfur any Sodàna; Pikantsarin'ny fantsona YouTube an'i France24

Manohy mizara ny fiainany andavanandro ao anatin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny toe-javatra mampalahelo iainan'ny maha-olona ireo niharam-boina tamin'ny ady an-trano Sodaney.

Mampifandona tafika roa ao anivon'ny Repoblikan'i Sodàna ny ady an-trano: ny Tafika Mitam-piadiana Sodaney (Forces armées soudanaises – FAS) tarihin'ny Jeneraly Abdel Fattah al Burhan, sy ny Tafi-panohanana Haingana (Forces de soutien rapide -FSR) an'ny Jeneraly Mohamed Hamdan Dagalo, fantatra amin'ny anarana hoe Hemeti. Vokatry ny lasa manjavozavo sy savorovoro teo amin'ny fitantanana ny firenena teo ambany fiadidian'i Omar el-Bechir, teo amin'ny fitondrana nanomboka tamin'ny taona 1989 ka hatramin'ny taona 2019 izany. Taorian'ny fifandonana telo nahafatesana olona nanomboka tamin'ny taona 1955-1972, avy eo teo tamin'ny taona 1983-2005 ary ny taona 2003-2020, dia nanomboka ny 15 aprily 2023 ny ady an-trano fahefatra niainan'ny firenena.

Vakio: Ao Sodàna, gadran'ny fanirian-dazan'ny mpitarika ara-miaramila roa ny sivily [mg]

Manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana iainan'ireo mponina nafindra toerana izay lasibatra voalohany amin'ity ady ity ny fivoaran'ny toe-draharaha. Tamin'ny 31 Janoary 2024, nanambara ny Kaomisera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) fa efa ho 8 tapitrisa ny olona nafindra toerana noho ny ady.

Mba hahatakarana ny zava-misy eny an-kianja, niresaka tamin'ny alalan'ny LinkedIn tamin'i Hatim Abdulaziz, manampahaizana mikasika ny fitantanana tetikasa momba ny tontolon'ny maha-olona, sady lehiben'ny biraon'ny (SUDO) ny Global Voices.

Jean Sovon (JS): Amin'izao fotoana izao, manao ahoana ny toe-draharaha momba ny zon'olombelona ao Sodàna?

Hatim Abdulaziz (HA) : Malheureusement, la situation des droits de l'homme au Soudan s'est aggravée en raison de la guerre en cours entre l'armée soudanaise et les Forces de soutien rapide. Cette détérioration se manifeste à la fois par l'extension géographique du conflit et par la gravité des transgressions. Nous avons vu ces transgressions s'étendre à de nouveaux États tels que Khartoum (capitale situé au centre-est du pays), Al-Jazirah (centre-sud-est) et le Nil Blanc (sud du pays). Sous le règne d'Omar el-Bechir, la guerre était principalement limitée à la région du Darfour (ouest), à la région du Kordofan (centre) et au État du Nil Bleu (sud du pays). Les différentes forces militaires commettent toutes sortes de violations des droits de l'homme et de crimes de guerre, notamment des exécutions sommaires, des tortures, des déplacements forcés, la destruction de villages, le pillage, la privation de la population d'eau, de nourriture et d'éducation. Chaque camp accuse l'autre de commettre ces crimes, mais il y a peu de progrès en termes d'enquête ou d'efforts réels pour protéger les civils.

Hatim Abdulaziz (HA): Indrisy fa niharatsy ny toe-draharaha momba ny zon'olombelona ao Sodàna noho ny ady mitohy eo amin'ny tafika Sodaney sy ny Tafi-panohanana haingana. Miseho amin'ny alalan'ny fanitarana ara-jeografika ny fifandirana sy ny hamafin'ny fandikan-dalàna izany fahasimbana izany. Hitantsika ireo fandikan-dalàna niparitaka tany amin'ireo fanjakana vaovao toa an'i Khartoum (renivohi-pirenena any amin'ny faritra afovoany-atsinanan'ny firenena), Al-Jazirah (afovoany-atsimo-atsinanan'ny firenena) ary Nil Blanc (atsimon'ny firenena). Nandritra ny fitondran'i Omar al-Bashir, voafetra tao amin'ny faritra Darfour (andrefana), ny faritra Kordofan (afovony) ary ny fanjakana Kordofan (atsimon'ny firenena) no tena nisy ny ady. Mampihatra ireo karazam-panitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny heloka an'ady rehetra ireo hery miaramila isan-karazany, ka anisan'izany ny famonoana, ny fampijaliana, ny fandroahana an-keriny, ny famotehana vohitra, ny fandrobana, ny tsy fanomezan-drano, sakafo sy fanabeazana ny mponina. Samy mifampiampanga ho nanao ireny heloka bevava ireny ny andaniny sy ny ankilany, saingy tsy dia nisy fivoriana firy teo amin’ny

JS: Manakana ny fanaterana fanampiana maha-olona any amin'ny toby misy ireo nafindra toerana ny roa tonta. Moa ve tsy ireo lehilahy matanjaka Hemeti sy Burhan no minia manao an'izany?

HA  : Les communautés touchées dans près de la moitié du Soudan ont un besoin urgent d’aide humanitaire, en particulier en termes de nourriture, d'eau, d'abris et de protection. Malheureusement, l'aide humanitaire actuelle fournie par la communauté internationale ne couvre que moins de 5 % des besoins réels. Le Soudan connaît la pire crise de déplacement au monde [rapport en anglais], avec de graves défis auxquels sont confrontés les enfants et les femmes. Cependant, les dirigeants des deux camps en conflit ne font aucun effort pour soutenir les victimes ou atténuer leurs souffrances. De plus, chaque camp entrave la distribution de l'aide dans les territoires et les zones contrôlées par le camp adverse. La crise humanitaire s'aggrave chaque jour davantage, et il y a de sérieuses craintes qu'elle ne conduise à une famine généralisée, compte tenu du taux de chômage élevé et des échecs agricoles dans plusieurs régions du Soudan. La responsabilité d'une éventuelle famine incombe principalement aux dirigeants des deux armées en conflit et à la communauté internationale, qui n'a pas encore pris de mesures fortes et efficaces pour intervenir avant que la situation ne se détériore davantage.

HA  : Ireo vondrom-piarahamonina voakasika ao amin'ny saika ny antsasak'i Sodàna no mila fanampiana maika maha-olona, ​​indrindra amin'ny lafiny ara-tsakafo, rano, fialofana ary fiarovana. Indrisy anefa fa ny fanampiana maha-olona omen'ny fianakaviambe iraisampirenena amin'izao fotoana izao dia tsy mahafeno afa-tsy 5% amin'ny tena filàna. Misedra krizy goavana amin'ny famindran-toerana manerantany i Sodàna, manana fanamby lehibe atrehina ny ankizy sy ny vehivavy. Na izany aza, tsy manao ezaka hanohanana ireo niharam-boina na hanamaivanana ny fijaliany ny mpitarika eo amin'ny andaniny sy ankilany amin'ny ady. Ankoatra izay, manakantsakana ny fitsinjarana ny fanampiana any amin’ny faritany sy ireo faritra fehezin’ny fahavalo ny andaniny sy ny ankilany. Miharatsy isan'andro ny krizy maha-olona, ​​ary misy ny tahotra mafy sao mety hitarika mosary mielipatrana izany, noho ny tsy fisian'ny asa sy ny tsy fahombiazan'ny fambolena any amin'ny faritra maro ao Sodàna. Tompon'andraikitra voalohany indrindra ny amin'ny mety hisian'ny mosary ireo mpitarika ny tafika roa mpifanandrina sy ny fianakaviambe iraisampirenena, izay tsy mbola nandray fepetra hentitra sy mahomby mba hiditra an-tsehatra alohan'ny hiharatsian'ny toe-draharaha.

JS: Afaka milaza ve isika androany fa mihena ny fanantenan'i Sodàna amin'ny hiverenan'ny fandriampahalemana sy ny fitoniana?

HA : La guerre actuelle au Soudan présente différentes dimensions, notamment des facteurs politiques, géographiques, sociaux, ethniques, historiques et des influences régionales. Une erreur majeure commise par l'ancien régime d'Omar el-Bechir a été de permettre la croissance de deux armées distinctes avec des chaînes de commandement et des dirigeants différents au sein d'un même pays, ce qui a finalement conduit à une collision entre elles, comme nous l'avons constaté 11 ans après la création des Forces de soutien rapide (FSR). El-Bechir poursuit ses propres intérêts et ceux de son parti, ignorant l'intérêt national. Il utilise M. Hemeti et ses troupes pour combattre les factions du Darfour en son nom. Les FSR ont réussi cette tâche et ont presque vaincu toutes les factions rebelles du Darfour. Cependant, au fil du temps, les FSR ont commencé à poursuivre leurs propres intérêts en termes de richesse et de partage du pouvoir. La complexité de la situation rend difficile d'atteindre la paix dans les mois à venir, et il est presque impossible pour l'une des parties de vaincre l'autre, car les deux camps sont bien armées et disposent de dizaines de milliers de soldats mobilisés et motivés prêts à combattre. Les exigences minimales de chaque partie sont encore loin d'être satisfaites. L'armée régulière demande le démantèlement des FSR et l'arrestation de leurs dirigeants, tandis que les FSR exigent l'arrestation de dirigeants importants de l'ancien régime, y compris el-Bechir, ainsi qu'une plus grande justice dans le partage des richesses et du pouvoir.

De plus, il y a les effets des partis civils et démocratiques dirigés par Abdallah Hamdok, l'ancien Premier ministre, qui demandent l'arrestation des islamistes du Parti du Congrès National et leur reddition de comptes pour tous les crimes commis au cours des 34 dernières années. De l'autre côté, il y a des islamistes de l'ère el-Bechir qui tentent de reprendre le pouvoir. À moins que la communauté internationale ne prenne des mesures réelles pour inciter les deux parties à venir à la table des négociations, la paix n'est pas envisageable dans les prochains mois, et il y a un risque important de sombrer dans une guerre civile prolongée qui pourrait durer des années.

HA: Manana lafiny samihafa ny ady amin'izao fotoana izao ao Sodàna, ao anatin'izany ny lafiny ara-politika, ara-jeografika, ara-tsosialy, ara-poko, ara-tantara ary ny hery isam-paritra. Ny fahadisoana lehibe nataon'ny fitondran'i Omar al-Bashir teo aloha dia ny famelana ny fitomboan'ny tafika roa samihafa miaraka amin'ny rojom-baiko sy mpitarika samy hafa ao anatin'ny firenena iray ihany, izay nitarika fifandonana teo amin'izy ireo tamin'ny farany, araka ny hitantsika 11 taona taorian'ny fananganana ny Forces de soutien rapide (FSR). Mikatsaka hatrany ny tombontsoany manokana sy ny an'ny antokony i El-Bashir, tsy miraharaha ny tombontsoam-pirenena. Mampiasa an'Atoa Hemeti sy ny miaramilany izy hiady amin'ny ankolafy Darfur amin'ny anarany. Nahomby tamin'io asa io ny FSR ary saika resiny ny mpikomy rehetra tao Darfur. Na izany aza, rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nikatsaka ny tombontsoany manokana ny FSR amin'ny resaka harena sy fizaram-pahefana. Mananosarotra ny hisian’ny fandriampahalemana amin’ny volana ho avy ny fahasarotan’ny toe-draharaha, ary tsy ho vitan’ny iray mihitsy ny handresy ny ankilany, satria samy mitam-piadiana avokoa ny andaniny sy ny ankilany ary manana miaramila an’aliny maro nahetsika sy vonona hiady. Mbola ho ela vao ho feno ny fepetra faran’izay kely indrindra ho an’ny ankolafy tsirairay. Mitaky ny fandravana ny FSR sy ny fisamborana ireo mpitarika azy ny tafika ara-dalàna, raha mitaky ny fisamborana ireo mpitarika manan-danja tamin'ny fitondrana teo aloha kosa ny FSR, anisan'izany i al-Bashir, ary koa ny fizarana ara-drariny lehibe amin'ny harena sy fahefana.

Ankoatra izany, misy ny vokatry ny antoko sivily sy demokratika tarihin'i Abdallah Hamdok, Praiminisitra teo aloha, izay mitaky ny fisamborana ireo Islamista ao amin'ny Parti du Congrès National (Antoko Kongresy Nasionaly) sy ny tamberin'andraikitra amin'ny heloka bevava rehetra natao nandritra ny 34 taona lasa. Etsy andaniny, misy ireo Islamista tamin'ny vanim-potoana al-Bashir izay mikatsaka hahazo fahefana indray. Raha tsy mandray fepetra mivaingana ny fianakaviambe iraisampirenena mba handrisihana ny andaniny sy ny ankilany ho eo amin'ny latabatra fifampiraharahana, dia tsy azo vinavinaina ny fandriampahalemana amin'ny volana ho avy, ary atahorana ny hisian'ny ady an-trano maharitra izay hiitatra an-taonany maro.

JS: Taorian'ny fisarahana tamin'i Sodàna Atsimo tamin'ny taona 2011, tsy matahotra ny hisian'ny fisarahana vaovao any Sodàna ankehitriny ve ianao?

HA : Le spectre de la sécession existe toujours, mais il est loin de devenir une réalité pour plusieurs raisons: aucune des deux parties en conflit ne plaide actuellement en faveur de la sécession. Les Darfouris (habitant de Darfour) ne sont pas partisans d'une séparation du Darfour du reste du Soudan. Chacune des deux parties espère toujours réussir dans la guerre et contrôler l'ensemble du Soudan. L'extension de la guerre pour atteindre de nouveaux États centraux tels que Khartoum, Al Jazeera et le Nil Blanc a détourné l'attention du Darfour, et un nombre important de Darfouris vivent depuis des décennies dans le centre, le nord et l'est du Soudan. On note aussi qu'il y a une forte présence de dirigeants darfouris qui participent au gouvernement et soutiennent l'armée. Pour finir, il existe une tension et des conflits importants entre différents groupes ethniques du Darfour. Bien que les Soudanais craignent une autre partition, ce n'est actuellement pas une issue probable de cette guerre.

HA : Mbola misy ihany ny tahotra amin'ny fisarahana, saingy tsy ho tanteraka izany noho ny antony maro: samy tsy misy manohana ny fisarahana amin'izao fotoana izao ny andaniny sy ny ankilany. Ny Darfouris (mponin'i Darfur) dia tsy mankasitraka ny fisarahana an'i Darfour amin'ny sisa amin'i Sodàna.  Mbola manantena ny hahomby amin'ny ady sy hifehy an'i Sodàna rehetra ny roa tonta. Nampivily ny saina hiala an'i Darfour ny fanitarana ny ady ho tonga any amin'ireo fanjakana afovoany vaovao toa an'i Khartoum, Al Jazeera ary White Nile, ary maro amin'ireo Darfouris no nipetraka nandritra ny am-polony taona maro tany afovoan-tany, avaratra ary atsinanan'i Sodàna. Marihina ihany koa fa misy ny fisian'ireo mpitarika Darfouri izay mandray anjara amin'ny governemanta ary manohana ny tafika. Farany, misy fifandirana lehibe sy fifanolanana eo amin'ireo vondrom-poko samihafa ao Darfour. Na dia matahotra fisarahana hafa aza ny Sodaney, dia mety tsy ho vokatr'ity ady ity amin'izao fotoana izao izany.

Mbola tsy voaresaka ao amin'ny gazety iraisampirenena ty fifandonana ity, voasaron'ny ady any Okraina sy Gaza. Na izany aza, efa nahafaty olona an'arivony ny ady an-trano Sodaney farany, ka efa ho 15.000 tao amin'ny tanàna iray ao Darfour.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.