Ao Mali, ny mozika no manome ny sarin'ilay firenena

Saripika ahitana an'i Salif Keita ao amin'ny fantsony YouTube

Ananan'i Mali ny karazana mozika tena marolafy noho ny fanànany foko maro samihafa, fiteny sy kolontsaina isankarazany. Lasa iray amin'ireo toerana avo fanandratana ny vakoky ny mozikan'i Afrika araka izany ilay firenena.

Efa hatrany amin'ny fahaleovantenany tamin'ny 22 Septambra 1960 no niainga io faniriany  hamaritra amin'ny ampahany ny tenany amin'ny alàlan'ny kolontsainy io: avy hatrany ireo manampahefana tamin'izany fotoana izany dia nametraka pôlitika nikendry ny famoronana sy ny fampielezana ny maripamantarana nasiônaly maliàna, loharanon'ny maha-ara-drariny. Araka izany, nambaran'i Modibo Kéïta,  filohampirenena voalohany tao Mali, tao anatin'ny kabariny nataony tao amin'ny kianja filalaovana tao Bamako tamin'ny 9 Jolay 1967, nandritra ny famaranana ny « herinandrom-pirenena ho an'ny tanora » fa :

« Tsy misy fahaleovantena ho velona raha tsy misy ny fanavaozana ara-kolontsaina. Tsy misy ny tena firenena, tsy misy vahoaka, raha tsy manana ny kolontsain'ny tena manokana ».

Io finiavana pôltika io no nanosika ireo Maliàna hampiroborobo ny maripamantarna manokana azy tamin'ny alàlan'ny mozika indrindra indrindra. Rehefa nekena ho isan'ny vako-pirenena, ireo zavamaneno ampiasain'io mozika io no voalohany mampiavaka azy, toy ny n’goni (zavamaneno mampiasa tady tsaingohana), ny kora (zavamaneno mampiasa tady), ny balafon (zavamaneno velesina) ary ny dumdum (fitambarana zavamaneno maromaro velesina) izay mahatonga ny famokarana mozika ao amin'io firenena io hiavaka manokana.

Ity lahatsary ity dia ahitàna ny kora lalaovin'i Toumani Diabaté sy ny zanany lahy Sidiki Diabaté, roa samy goavana amin'ny fiangaliana io zavamaneno io:

Misy vehivavy ihany koa milalao io zavamaneno io, toy ny asehon'ity lahatsary ity:

alina 5+ mandra-pahatongan'ny tsingerintaona fahadimy amin'ny 7 Aprily. Mba ho tafiditra tsara ao anaty ambiansy, indro ny topimaso amin'ny fientanentanana. Madina Ndiaye avy ao Mali, voalohany vehivavy mpilalao kora, milalao mozika noforonina ho antsika, saingy misy zava-tsy ampoizina. Liana ve? Miaraha aminay, mandefasa imailaka amin'ny hello@voice.global
— Voice (@voicetweetz) 2 Aprily 2021

Amin'ny lafiny iray, ireo mozika ao Mali dia nipoitra avy amina fiangaly hafa marobe, toy ny hiran'ireo mpihaza, ny mozikan'ny wassoulou, ny antsan'ireo griots (olona voatokana hanao ny fiderana sy ny fitanisàna ireo fitantaràna ara-tantara mankalaza ireo maherifo tao Afrika Andrefana).

Mozika iray nahatohitra ny fitsokan'ny rivotry ny vaninandro maoderina

Hain'ireo gadona nentindrazana tao Mali ny nitety vanim-potoana. Tamin'ny alàlan'ireo mpandova sy ireo taranaka griots no nanaovany izany, toa an'i Mamadou Diabaté, Ganda Fadiga, Toumani Diabaté, Babani Koné, Ami Koïta.

Indro hira iray an'i Mamadou Diabaté manaingo tsara mihitsy ny fampiasàna ireo zavamaneno nentindrazana:

Toy izany koa, ity hiran'i Ami Koïta ity, izay mpandova mendrika an'ireo griot:

Misy ireo anarana goavana hafa eo amin'ny mozika maliàna, izay tsy voatery ho griots na taranaky ny griots, no nambabo izao tontolo izao tamin'ireo gadona nentindrazana nolovain-dry zareo. Azo tanisaina amin'izany ry Salif Keïta, olona varira mpiangaly mozika no sady mpikatroka, fantatra noho ny tolona ataony ho an'ny zon'ireo mitovy aminy sy ny ady ataony manohitra ny tsy rariny eto amin'izao tontolo izao. Rakikira 14 no efa voasorany, ka ny farany indrindra “ Un autre Blanc” (Fotsy iray hafa) dia nivoaka tamin'ny 2019. Miresaka momba izay ny Tv5 Monde ao amin'ny Twitter:

Masoivoho iray ho an'ny mozika maliàna izy manerana izao tontolo izao. 50 taona niasàna teo amin'ny sehatra nasiônaly, manerantany sy tao amin'ny tanibe. Mamoaka ny rakikirany faha-14 i Salif Keïta. Mandeha ny resaka fa hoe io no farany. “Un autre Blanc” (Fotsy iray hafa” no lohateniny
— Le journal Afrique TV5MONDE (@JTAtv5monde) 2 Febroary 2019

Ampangain'i Salif Keïta  ihany koa ny ady sy fifandirana manerana izao tontolo izao, ary amin'ny alàlan'ilay hirany hoe Siria, eto izy dia manome voninahitra ireo niharan-doza

Ao anatin'ity rojon'artista ity dia ahitàna ireo anarana hafa toy ny an'i Ali Farka Touré nodimandry tamin'ny 2006, nahazo loka Grammy Awards roa (tamin'ny 1994, tamin'ilay hira “Talking Timbuktu”, niaraka tamin'i Ry Cooder, ary tamin'ny 2006 tamin'ilay hira “In the Heart of the Moon”, niarahany nandrakitra tamin'ilay mpiangaly kora Toumani Diabaté), Khaira Arby, Vieux Farka Touré (zanak'i Ali Farka Touré), Habib Koité, Boubacar Traoré, Rokia Traoré, hita nisongadina teo amin'ny faha-23 taonany tamin'ny 1997 nandritra ny fetibe Mozika Safiotra tao Angoulême – Frantsa, Samba Touré sy Oumou Sangaré, ilay diva mirotsaka miady ho an'ny vehivavy ary efa nahasoratra rakikira mihoatra ny folo.

Toa an'i Salif Keita, Sangaré ihany koa dia mpikatroka no sady mpiangaly mozika, araka ny asehon'ity bitsika ity:

#People #Musique #Oumou_Sangaré dia iray amin'ireo mpisolo tena ny mozika afrikàna manerana izao tontolo izao. Miaraka amin'ireo rakikira mihoatra ny folo efa navoakany, izy dia olona iray ihany koa mirotsaka amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy, ary miady manohitra ireo olana mandetika an'i Afrika. pic.twitter.com/ZsIzNYbS8y

— People223.com (@People2231) 20 Oktôbra 2022

Indro ny lahatsary iray avy amin'ilay lohateny Wassulu Don, notsongaina tao amin'ilay rakikirany farany:

Tamin'ny 2018, ity tena diva ho an'ny mozika maliàna ity no nankalaza ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra, nandritra ny kaonseritra iray goavana natao tao Bamako tamin'ny Desambra, niarahana nanatontosa tamin'ny  Radio France Internationale (RFI).

Mozika: Mankalaza ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra ilay vehivavy maliàna mpihira: Oumou Sangaré

https://t.co/1PZI6mXR3n pic.twitter.com/sCmW0MpoKW

— RFI Afrique (@RFIAfrique) 27 Desambra 2018

Ny mozika maliàna dia fantatra ihany koa amin'ny alàlan'ireo olomalaza toa an'i  Amadou sy Mariam Bagayogo, ireo « mpivady jamba » namorona ny Beaux dimanches ( tao Bamako), izay manao fitetezam-paritra iraisampirenena ihany koa.

Indro ny lahatsary iray amin'ny hiran-dry zareo malaza mitondra ny lohateny hoe “Je pense à toi” (Any aminao ny saiko) :

Fahasamihafàna ara-poko,  fahamaroan'ny mozika

Ahitàna foko samihafa ny vahoaka maliàna, ka ny maro an'isa amin'ireo dia ry zareo Bambaras, ny Bobos, ny Bozos, ny Dogons, ny Khassonkés, ny Mandingues, ny Miniankas, ny Peuls, ny Sénoufos, ny Soninkés, ny Songhaïs, ny Touaregs, ary nys Toucouleurs. Miisa 70 ny fiteny nasiônaly ao amin'ny firenena, ary ireo tena fiteny fototra dia ny Bambara sy ny Peul. Izany no manazava ny fahasamihafàn'ny vakoka mozikany.

Araka izany, ny mozika mandingue izay hita ihany koa any amin'ireo firenena hafa toa an'i Ginea sy  Côte d'Ivoire, dia tafiditra ho isan'ireo mozikan'ny foko ao Mali.

Tahàka izay ihany, ny mozika dogon, mazàna adino ao anatin'io vakoka manankarena io, dia tena maro kazarana ihany koa. Izy io dia ampifamatorina akaiky amin'ireo fombafomba samihafa : fampakarambady, fandevenana. Taorian'i Kadja Lélé, bekotro maroholatra tamin'ity sehatra ity, ilay tanora mpihira Déné Issébéré no lasa mpilanja fanevan'io kolontsain'ny mozika dogon io, na ao Mali izany na ivelan'ny sisintaniny. Saingy mihoatra ny faritry ny maha-nentindrazana azy ity mozika ity, araka ny anehoan'ilay reggaeman Koko Dembélé azy:

Tena ankafizina any ivelan'ny sisintany maliàna, ny mozika touareg dia nahavita nametraka ny tenany manokana, indrindra fa tamin'ny alàlan'ny blues touareg. Ny tarika Tinariwen no misolo tena azy, tarika nisava làlana io fironana mozikaly io, inty ny lahatsary iray:

Any anivon'ireo Am-pielezana

Hita sy mavitrika ihany koa ao Eorôpa sy any an-toerana hafa ry zareo Maliàna, ary mandray anjara amin'ny fampitomboana laza ny mozina maliàna manerana ny tany. Izany no ataon'i Oumar Koïta, efa nahazo ny zom-pirenena Alemàna, na koa i Mokobé, Maliàna avy ao Frantsa nahavita nametraka ny tenany ao anatin'ny tontolon'ny gadona rap. Mokobé dia niaraka niasa tamina artista afrikàna marobe, araka ny asehon'ity fiarahana niasa tamin'i Viviane N'Dour ity.

Ballaké Sissoko koa dia niaraka niasa tamina mpiangaly mozika marobe, toy ilay mpitendry lokanga Vincent Ségal  na ilay mpitendry pianô Ludovico Einaudi no sady nampahafantatra ihany ny kora sy ny kolontsaina maliàna.

Lavitra an'ireo fitsaratsaram-poana mandoko ilay firenena h o toy ny  firenena iray miaina ady sy anjakan'ny tsy fahamarinan-toerana ara-pôlitika sy ara-piarovana, amin'ny alàlan'ny hatsaràny sy ny harena ara-kolontsaina sy ara-pitenenna ananany, Mali dia mandray anjara amin'ny fametrahana vakoka mozika erantany.

Raha mila lisitra filalao feno amin'ireo mozika maliàna dia eto mijery. Misy lisitra hafa ho an'ny mozika erantany nataon'ny Global Voices ho azo idirana amin'ny alàlan’ity kaonty Spotify Global Voices ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.