KIRK – Gazety Serba mpanao fanadihadiana, henjehana amin'ny resaka fanalam-baràka, mamorona santatra iray mampididoza

Ampahan'ny tarika KRIK tamin'ny 2020. Sary natolotry ny KRIK tam-pitiavana; fampiasàna nahazoana alàlana.

Fitantarana tsy mbola nifindra tànana avy ao amin'ny Meta.mk no fototra niaingan'ity tantara ity. Dika iray nasiam-panovàna no naverina navoaka etoana noho ny fifanarahana iray hifampizara votoaty nifanaovan'ny Global Voices sy ny Orina Metamorphosis. 

Andro vitsy monja talohan'ny handraisany ny loka 2022 avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna ho an'ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana ao Serbia, nohelohin’ny fitsaràna iray ao Serbia araka ny (SLAPP) fitoriana iray mahakasika fanalàm-baràka ilay trano mpamoaka vaovao fanadihadiana KRIK noho ny famoahana vaovao iray momba ny fitsarana heloka bevava, ary nitanisàny ny filazan'ny voaheloka fa hoe manana fifandraisana amin'ny minisitry ny atitany ny andian-jiolahy iray.

Ny SLAPP, fanafohezana ny strategic lawsuits against public participation (fanenjehana stratejika atao amin'ny fandraisan'anjaran'ny daholobe), fantatra ihany koa ho toy ny fitoriana atao hanivànana, handemena sy hampanginana ireo fanakianana, amin'ny alàlan'ny fanerena azy ireny handoa lafobe ny sandam-piarovana araka ny lalàna, mandra-pisinton'izy ireny ny fanakianany na ny fanoherany.

Ireo fikambanana mpiaro ny fahalalahan'ny media, toy ny Fikambanan'ireo mpanao gazety ao Serbia, Ny Ivontoerana Iraisampirenena ho an'ny Gazety, ny Federasiôna Eorôpeàna an'ireo Mpanao Gazety (EFJ), ny Fiaraha-mientana ho an'ny Fahalalahan'ny Media ary ny SEE Check Network, ary hatramin'ireo mpisolovava sy pôlitisiàna avy amin'ny mpanohitra, dia samy naneho ny ahiahy na nanameloka tsotra izao ilay didim-pitsaràna. Ireo media tsy miankina , Danas, N1, Nova, Cenzolovka, Glas Šumadije, JUGpress, Autonomija ary ny Žiginfo dia naneho ny firaisankinan-dry zareo tamin'ny alàlan'ny famerenana namoaka ilay lahatsoratry ny KRIK izay natao ho anton'ilay raharaham-pitsaràna natsofoka tamin'ny volana May 2021.

Nitafàn'ny Meta.mk ny mpanao gazety ao amin'ny KRIK, Milica Vojinović, tompon'ilay lahatsoratra ary efa im-betsaka nahazo valisoa teo amin'ny asa, isan'ireny ny Loka CEI SEEMO ho an'ny Asa Fanaovana Gazety Fanadihadiana Niavaka Indrindra tamin'ny 2021. Nohazavainy tao anaty fanambaràna iray tamin'ny imailaka ny lanjan'ity tranga ity:

Kada je reč o presudi kojom smo osuđeni za povredu časti i ugleda donedavnog direktora Bezbednosno-informativne agencije, a sadašnjeg ministra Bratislava Gašića, ona predstavlja veoma opasan presedan za novinare u Srbiji. Naime, ovo je prvi put da smo tuženi (a sada veći i osuđeni) zbog vesti sa suđenja sa kog smo izveštavali. Na tom suđenju je pomenut i Gašić u kontekstu veza sa kriminalcima. Iako je i na suđenju utvrđeno da smo verno preneli ono što se dogodilo, ipak nas je sudija osudila samo zato što je informacija za koju smo dali tačno pojašnjenje išla na štetu Gašića. Još je i naglasila da je to što je Gašić funkcioner otežavajuća okolnost za nas, što bi u demokratskim državama trebalo da bude obrnuto – trebalo bi da su funkcioneri podložniji kritikama od ostalih građana.

Ilay didim-pitsarana manameloka ny KRIK amin'ny resaka fanalàm-baràka, izany hoe faniratsirana ny voninahitra sy lazan'i Bratislav Gašić, ilay tale vao haingana tao amin'ny  Masoivohon'ny Sampan-draharaham-pitsikilovana (BIA) ary minisitra amin'izao fotoana izao, dia endrika santatra iray mampididoza ho an'ireo mpanao gazety ao Serbia: izany hoe,  ity no tranga voalohany tamina fitantarana vaovao momba ny fitsaràna ka nitarika ho amin'ny fanenjehana ary nahazoana fanamelohana. Nandritra ny fotoam-pitsaràna dia votonona ho mifampiresaka amin'ireo mpanao heloka bevava i Gašić. Na ohatra aza, nandritra ny fitsaràna, nomarihan'ny mpitsara fa nitatitra tsy nisy tomika ny zava-nisy izahay, dia nohelohiny ihany izahay satria ilay vaovao sy ny fanazavana fanampiny marina nataonay dia toa hoe nanohintohina an'i Gašić. Notsindriany koa aza fa ny maha-mpiasam-panjakana an'i Gašić dia vao mainka manasarotra ny raharaha ho anay! Ao anatina fanjakana demaokratika iray, mety ho nifamadika tamin'izany ny fandehan-javatra; mila mahay mandray kiana kokoa ry zareo mpiasam-panjakana, raha ampitahaina amin'ny olompirenena hafa.

Nanomboka ny 26 Oktôbra i Bratislav Gašić no nitazona ny toeran'ny minisitry ny atitany ao amin'ny Repoblikan'i Serbia. Izy no anisan'ny iray amin'ireo mpikambana mpanorina ny Antoko Liampivoarana ao Serbia (SNS) izay eo amin'ny fitondrana, ary efa filoha lefitra tao ny 2012 hatramin'ny 2016. Efa nitazona ny toeran'ny Ben'ny Tanàna ihany koa izy tao Kruševac (2012–14) ary minisitry ny fiarovana ny 2014 hatramin'ny 2016. Nalàna tamin'io toerany io izy taorian'ny tantara ratsy nateraky ny faniratsiràna imasombahoaka feno fanavakavahana nataony tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety. Herintaona teo ho eo taorian'izay no nanendrena azy ho filohan'ny masoivohon'ny sampan-draharaham-pitsikilovana (BIA). Taorian'ny fanendrena azy faramparany ho minisitry ny atitany, notendrena ihany koa izy ho toy ny mpikambana ao anatin'ny rantsana iray vaovaon'ny governemanta hisahana ny miralenta.

Araka ny voalazan'ny tatitra 2021 an'ny RSF momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, “voarahon'ny tsindry pôlitika sy ny tsimatimanota amin'ireo heloka bevava nanjo azy ireo” ny mpanao gazety ao Serbia. Nambaran'i Vojinović fa ny vokatr'io didim-panjakana manjo ny KRIK io dia vao mainka mety hanaratsy ny toerana efa nampalahelo nisy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety tao amin'ny firenena.

Ova odluka je veoma opasna s obzirom na to da pravi atmosferu u kojoj će novinari ubuduće biti zabrinuti prilikom svakodnevnog izveštavanja sa suđenja ili drugih događaja jer bi mogli da prođu kao mi iako prenose verno šta se dogodilo. Ovo bi moglo da vodi i ka autocenzuri novinara, odnosno dodatnom gušenju slobode medija, a samim tim i ka smanjenoj mogućnosti građana da dobiju važne informacije.

Tena mampididoza io fanapahankevitra io satria mamorona rivo-piainana mahatonga ireo mpanao gazety hatahotra ny mety hiharan-javatra mitovitovy amin'izao manjo ny KRIK izao noho ny fanadihadiana ataon-dry zareo isanandro eny anoloan'ny tribonaly, na hetsika hafa natao ho an'ny daholobe, na dia mitatitra am-pahamarinana ho fampahafantarana ny vahoaka ny zava-mitranga aza ry zareo. Mety hitondra any amin'ny fanivànan-tena ataon'ireo mpanao gazety io ary fanasemporana misimisy kokoa ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, mampihena ny mety ho fahafahan'ny olompirenena mahazo ireo vaovao mavesa-danja.

Zava-misy iray goavana amin'io raharaha io ny hoe neken'ny mpitsara Nataša Petričević Milisavljević ny fananany fifandraisana akaiky amin'ny minisitry ny asa, Nikola Selaković, mpikambana iray manana ny lanjany ao amin'ny antoko SNS eo amin'ny fitondrana, izay misy fifandraisany amin'i Gašić, mpitory.

Ao anatin'ny didy navoakany, nitanisa antony maromaro tena mifanipaka amin'ny fanamelohana nataony ilay mpitsara, tena hoe tsy nandray afa-tsy ireo andininy entina hanamelohana ny KRIK.  Stevan Dojčinović, lehiben'ny mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny KRIK, nanazava hoe:

 [Ilay didy] tsy mametraka fanontaniana momba ny fahamarinan'ny resaka nohenoina ary navoakan'ireo mpanao gazety; lazainy ihany koa fa zon'ireo mpanao gazety ny mitondra fanazavàna ho an'ny mpamaky azy ireo — saingy miaraka amin'izay, nohelohina mifanaraka indrindra amin'izany ny toniandahatsoratry ny KRIK sy ilay mpanao gazetiny, noho ny fanazavana ny fomba fiteny hoe “mipetraka ambony vy mahamay” izay nomeny ho an'ireo mpamaky azy ary nampiasaina tao anatin'ilay resaka nampitainy ho an'ny olona. Ny ampahany tena tantara ratsy amin'ilay didy dia ny zavamisy hoe ny maha-mpiasam-panjakana an'i Bratislav Gašić no noraisina ho toy ny toedraharaha vao mainka mampananosarotra ny raharaha ho an'ireo mpanao gazety — fa tsy ny mifanohitra amin'izay.

Ho fanoherana ilay didim-pitsarana, nanambara ny KRIK fa hanao fampakarana eny amin'ny Fitsarana mpandrava didy . Eo am-panantenana fa hofoanana ilay didy mandreraka, milaza ihany koa ireo mpanao gazety ao amin'ny KRIK fa fikasan-dry zareo ny hanohy ny asany amin'ny fanaovana fanadihadiana matianina ary hotohizany ny fanadihadiana ireo heloka bevava voarindra sy ny kolikoly any amin'ireo mpisehatra goavana, tafiditra amin'izany ireo efa nitory an-dry zareo rahateo.

Amin'izao fotoana izao, ny KRIK dia miatrika fitoriana 11, iray amin'izany ny an'i Gašić. Ny ankamaroan'ireny dingana ireny dia talohan'ny Desambra 2021 no nanombohany, fony marobe ireo fikambanana mpiaro ny fahalalahan'ny media, toy ny Article 19, EFJ sy ny Ivontoerana Eorôpeàna ho an'ny Fahalalahan'ny  Asa Fanaovana Gazety sy ny Media (ECPMF), nampitandrina hoe ny onjam-pitoriana SLAPP mahazo ny KRIK dia misy fiantraikany mandresy lahatra amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Serbia. Natombok'ireo olomaventy akaiky ny SNS, antoko eo amin'ny fitondrana ao Serbia, ary afaka mifameno ireny dingana ireny, itakiana onitra mihoatra ny 90 tapitrisa RSD (maherin'ny 800.000 dôlara amerikàna)  — in-telo avo heny amin'ny tetibola isantaonan'ilay media.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.