Mitady mpikaroka ho an'ny tetikasa Global Voices Advox any amin'ny firenena samihafa

 

Advox, hetsika zo nomerika ataon'ny Global Voices, dia mitady mpikaroka hitarika, hanolotra ary hampita fikarohana ho an'ny tetikasa momba ny fiarahamonina an-tambajotra sy ny tsirefesimandidy any Kazakhstan, Kyrgyzstan ary Kenya.

Hamakafaka, handrakitra ary hitatitra momba ny fitomboan'ny tranga miseho amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny fifandraisana nomerika mba hampiharana sy hampiroboroboana ny fitondrana tsirefesimandidy ny tetikasa. Hamorona rafitra ho an'ny famakafakana, hanangana fomba fiasa sy fomba fanaraha-maso, fandraketana, ary hanamafy ireo zava-niseho sy tranga ho an'ny mpamaky voakasika ity tetikasa ity, ary hamokatra tatitra amin’ny andiana tranga maromaro.

Tompon'andraikitra amin'ny fanatanterahana ny tanjon'ny fikarohana ataon’ny tetikasa eo amin'ny sehatra nasionaly ireo mpikaroka ao amin'ny firenena, miara-miasa amin'ireo mpikaroka any amin'ny firenena hafa momba ny fandinihana olana, ary mamokatra fanehoan-kevitra sy famakafakana ho an'ny Advox izay hanohana ny fanamafisana ny asa. Tompon'andraikitra amin'ny fiantohana ny mpikaroka ao amin'ny firenena fa tanterahina amin'ny fenitra fomba fiasa ambony indrindra ny fikarohana ary tohanan'ny fahalalahana ara-tantara. Hiara-hiasa amin'ny ekipan'ny Global Voices ihany koa ireo mpikaroka ao amin'ny firenena mba hanangona sy handika teny ny vaovao ho an'ny faritra hafa amin'ny tetikasa araka izay takiana.

The project researcher's duties will include:

Ireto avy ny andraikitry ny mpikaroka amin'ny tetikasa:

  • Producing and implementing research on networked authoritarianism in a specific country from conception to implementation, including both writing and qualitative data analysis
  • Mamokatra sy manatontosa fikarohana momba ny tsirefesimandidy an-tambajotra ao amin'ny firenena iray manokana manomboka ifotony ka hatrany amin'ny fanatontosana, ao anatin'izany ny fanoratana sy ny famakafakana angondrakitra vita tsara
  • Producing a research plan for completing the research within the required time frame and within budget
  • Mamokatra drafi-pikarohana hamitana ny fikarohana ao anatin'ny fe-potoana ilaina sy ao anatin'ny tetibola
  • Collaborating with other researchers to share skills and thematic knowledge
  • Miara-miasa amin'ny mpikaroka hafa mba hizara fahaiza-manao sy fahalalana ara-potokevitra
  • Organising and attending validation workshops for the research
  • Manomana sy manatrika ny atrikasa mba ho mari-pototra ho an'ny fikarohana
  • Coordinating research activities with researchers from other country teams
  • Mandrindra ny asa fikarohana miaraka amin'ireo mpikaroka avy amin'ny ekipan'ny firenena hafa
  • Recruiting digital rights practitioners from their selected country to contribute to Advox
  • Mitady mpiasa za-draharaha momba ny zo nomerika avy any amin'ny firenena voafantina mba handray anjara amin'ny Advox
  • Managing in-country informants
  • Mitantana ireo mpanome vaovao any amin'ny firenena

Ny kandidà voaray amin'ity toerana ity dia:

  • Manana fahaiza-manao momba ny fikarohana avo lenta sy/na betsaka, traikefa amin'ny fampivelarana sy fampiharana drafi-pikarohana, amin’ny fitarihana fikarohana sy traikefa, miasa amin'ny angondrakitra sy andiana angondrakitra, miasa eny an-kianja, ary mampifanaraka ny fomba fiasa amin'ny fiovan’ny toe-javatra
  • Mahafehy solosaina tsara
  • Mahafehy ny fanoratana ho an'ny mpamaky tsy avara-pianarana
  • Manana fifandraisana Internet matanjaka
  • Afaka miasa amin'ny tontolo sy kolontsaina isankarazany
  • Mahaleotena rehefa miasa ary miaraka amin'ny ekipa miasa amin'ny asin'oram-paritra maro samihafa
  • Mahay miteny anglisy tsara (tena tsara raha mahay fiteny fanampiny hafa)
  • Mahay mifanerasera amin'ny fomba mahomby
  • Mahay mandamina fotoana tsara

Tsy misy fepetra ara-jeografika amin'ity toerana ity. Mariho fa tsy manana birao na foibe ny Global Voices. Mila mahay tsara mandamina ny  fandaharam-potoanany manokana ny mpifaninana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo ary vonona hanao dia iraisampirenena.

Raisinay an-tanandroa ireo kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mandrisika ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa Global Voices izahay mba handray anjara.

Raha handray anjara:

Alefaso mailaka amin'ny jobs@globalvoices.org ny CV sy ny taratasy milaza ny anton'ny fahazotoana amin'ny teny anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony hahatonga anao ho kandidà mendrika indrindra ho an’ny Global Voices, ahitana izao andininy izao: Advox Project researcher: [ny anaranao]. Fe-potoana fandefasana farany: amin'ny 11:59 atoandro ora ET (GMT -5) amin'ny 30 septambra 2022.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.