Hira “soca” vitsivitsy hitondra anao hatrany am-piandohany ka hatrany am-paran'ny karnivalin'i Trinidad & Tobago

Mpanao ankosotra tamin'ny karnivaly, tao amin'ny Canva Pro.

Ao amin'ny lafika mavitriky ny Mozika Karaibiàna, ny soca no mbola toy ny fidoboky ny fon'ireo fankalazàna ny Karnivaly malaza erantany ao Trinidad & Tobago, mitondra hafaliana, hery ary gadona mampazoto ao anatin'ilay fetibe. Miaraka amin'ny Alarobian'ny Lavenona, izay manamarika ny fiantombohan'ny Karemy, izay latsaka ho ny 14 Febroary tamin'ity taona ity, isan'ny fohy ny vanim-potoanan'ny Karnivaly 2024, saingy fanambin'ireo artista ny hamokatra akora vaovao izay sady tsy ho azo lavina ny maha-trinbagôniàna azy sy mahasarika an'izao tontolo izao.

Indro misy lisitr'ireo fantina manokana noforonina hitondra ho anao izay zavatra nentin'ny herinandron'ny Karnivaly — hira iray isaky ny dingana tamin'ilay fetibe — ireo fety, ny Jouvay (ilay fombafomba entina manokatra ireo fankalazàna ny Karnivaly), ny  matso an-dalambe ny Alatsinainy sy Talata, ary ny “Las’ Lap” (Fanamarihan'ny mpandika: ny andro faratampon'ny haravoana entina manakatona ny karnivaly), ilay horaka farany alohan'ny fiafaràn'ilay fetibe hiandrasana taona iray hafa indray.

Ny nankafizina tamin'ny “Fête”— “Penthouse” nataon'ny Voice

Efa ho fotoana elaela izao no niakatra ny sehatry ny “Soca” i Voice, nahazo ny anaram-boninahitra International Soca Monarch 2016, ary ireo fanatitra isantaona fanaony dia matetika mitondra tsiky eny amin'ny tavako sy fahavitrihana eny amin'izay izorako. “Penthouse”  dia fitantaràna amin'ny fomba feno faharanitan-tsaina ny traikefa niainan'ny ankamaroan'ireo mpankafy ny Karnivaly: misafidy ny hijanona an-trano ianao mandritra ilay takariva, mandra-panentan'ny namana iray anao mba “hiserana monja sy hampiseho ny endrikao” mandritra ilay fety. Ny ambiny, araka ny filaza, dia tantara sisa: “Ary ankehitriny, mamo ety an-kianjam-bahoaka aho.”

Hira iray nosoratana tamin'ny fomban'ny manampahaizana io.  Toy ny tena voarafitra mihitsy ny fihenjanana voalohany amin'ny fijoroany — toy ny hoe voafefin'ireo fialantsininy naverimberiny tsara izy: “Tsy ho aiza na ho aiza aho anio hariva, ah, tsapako ny haravoana, ah, eto miaraka amin-dramatoa vadiko.” Rehefa tafaraka tamin'ny amboarampeo izy — voatentin'ilay halefahana mampiavaka an'i Voice, miaraka amina kasika kely fotsiny natao an'io sisiny marikivy io — lasa malalaka kokoa ilay fitantaràna rehefa natombony ny “go dong … wine and go dong,” milaza ilay fihetsika manolankolana valahana ho toy ny misintona “bouchon”  izay mariky ny karnivalin'i Trinidad&Tobago.  Avy eo, mala any ny fampifanakaikezana azy manoritroritra ny zavamisy ho tonga amin'ny “toerana [iray] avon'ny Penthouse “.

Majikan'ny fanoratana tononkira io amiko — tantara iray azo ampifandraisina, firosoana feno hakingàna, tononkira maharesy lahatra ary hatsikana kely. Fa indrindra, asehon'ilay tononkira ny tanjaky ny mozika soca hitarika anao hanao zavatra mety tsy nahazatra anao ny nanao azy — ho lasa tena hafa mihitsy — ka moa tsy izany ve ny tena fototry ny Karnivaly?

Tongasoa ny Karnivaly — “Powder” an'ny 3Canal

J'ouvert — avy amin'ny frantsay hoe “Jour Ouvert,” midika ho “fanokafana ny andro” — na ny teny Kiriolona (Créole) “Jouvay,” — dia fombafomba tsotra manamarika ny fanombohana amin'ny fomba ôfisialin'ny Karnivaly. Fantatra ihany koa amin'ny hoe “dutty mas,” mihoso-potaka, cacao, tara, tanimanga, loko fanao amin'ny vàtana ary hatramin'ny vovoka (powder) ireo mpandray anjara, ary mandihy eny an-dalambe amin'ny vao mangiran-dratsy mandra-piposaky ny masoandro. Ny fampiasàna vovoka amin'ny Jouvay dia mampahatsiahy ny sailor mas, izay nanomboka tany amin'ny andiantaona 1880s fony tonga tao Trinidad&Tobago ireo  sambo Britanika, Frantsa ary Amerikàna.

Ny “Powder” dia pimaso ataon'ilay tarika mpiangaly rapso  3Canal amin'ilay fombandrazana sailor mas, nefa koa ilay hira dia manana ny fiaviany avy amin'ilay fomba fiteny hoe “Tsy vitanao ny hilalao mas no sady hatahotra,” midika hoe tsy afaka ny hirotsaka an-tsehatra hanao zavatra iray ianao no sady hatahotra ny ambana sy izay mety ho vokany. Ny tononkira koa dia mitondra hafatra lalina iray ho anao: Sady fototra no masina ny Jouvay, ary tsy maintsy hajaina, tsy alain-tàhaka amin'ny fanaovana zara fa fety tsotra fotsiny. Io no iray amin'ireo antony nilazàn'ny 3Canal, tsy ela akory izay, fa ny 2024 no mety ho taona farany hitondrany imasom-bahoaka ny tarikany Jouvay: “Rehefa isambolana no ato ho Jouvay dia tsy mahagaga raha mivaona ilay fombafomba, saratsarahan'ny olona ny ankizy, Andriamanitra ô!”

Amin'ny resaka famokarana mozikaly, tiako ny hoe ny ampahany misy ny gadona sy ny kipantsom-barahina mirindra no mametraka ahy ho ao anivona korontana masina, izay tsy inona fa ny marainan'ny Jouvay. Tsapa ho azo antoka kokoa ilay izy rehefa injay i Wendell Manwarren nihiaka ny hoe, “Look meh!” — izay tokony ho endriky ny mas, araka ny hazavainy: fifampiraharahàna eo amin'ny mpanao ankosotra sy ireo mpitazana. Nitarainany ny hoe lasa “Jereo aho” kokoa ny mas maoderina — tsy mifantoka loatra amin'ny fanehoana fa lasa kokoa any amin'ny selfie sy ny Instagram. Ny iafaràny, hiaina ny karnivaly araka izay itiavany azy ny olona, fa izaho misafidy ny ho eo anivon'izany sakoroka Jouvay izany, milalao ny mas-ko tsy mila selfie,  tsy misy tahotra ny vovoka.

Alatsinainin'ny Karnivaly — “DNA” an'i Mical Teja

Iray tamin'ireo hira goavana tamin'ity vanim-potoana ity,  ny  “DNA” dia heverin'ny maro ho mpifaninana iray haka ny Road March, angamba noho ny hirany sady nampientanentana ny fo no nanainga fanahy. Mirakitra tanteraka ny hambompom-pirenena ilay hira, hambompo izay tsy misaraka amin'ny traikefan'ny Karnivaly, tsy misy idiaran'ny hoe mipetraka ao amin'ny nosy ianao, na tonga fotsiny hilalao ny mas: efa “ao anatin'ny DNA-ntsika” io ary  “tsy misy” toy ny hoe ao an-trano.”

Malefaka ilay hira ary raha mitaha amin'ireo sasany vao haingana nahazo ny Road March, amina gadona antonony — izay mahatonga azy ho lafatra mandritra ireo fotoana lavabe laniana eny an-dàlana, indrindra fa amin'ny Alatsinainin'ny Karnivaly, izay fotoana fanazaran-tena hatrizay ho an'ny tena hetsika. Fanamarihana manokana: ny “Runaway,” an'i Teja, groove iray mahafinaritra notsoahana avy amin'ilay klasikan'i Explainer hoe “Lorraine,” ary mitantara ny anganon'ilay mpankafy mas nandositra ny hatsiaka mamirifirin'i New York ka nody tany aminy hamonjy ny Karnivaly.

Talatan'ny Karnivala  — “Carnival Contract” an'i Bunji Garlin

Rehefa ny fikodedika manaraka ny ankosotra no resahana, izay mamakivaky ny sehatra amin'ny farany, manao fitafy marevaky ny Talatan'ny Karnivaly*, Bunji Garlin, efa in-droa nahazo ny Road March, mahafantatra fa tena misy lanjany be ny gadona — ary ny “Carnival Contract” dia nitàna ny fampanantenany hatrany am-piandohana, nanorina  “crescendo” iray azonao hakàna sary an-tsaina fotsiny izao ireo mpanao ankosotra mipoitra tampoka eny an-tsehatra toy ny soavaly tapa-kofehy.

Maharakotra saika ireo teboka rehetra resahan'ny “DNA” izy — fitiavana ny Karnivaly, filalaovana mas miaraka amin'ireo namana — saingy amin'ny fomba hentitra kokoa, ary ankafiziko mandrakariva ny sary ezahan'i Garlin foronina any anatin'ireo tononkirany: “Manana fifanarahana iray izaho sy ny Karnivaliko; isantaona izahay dia manindrona mafy toy ny fantsika, izaho eny an-dalambe, ngeza lavitra noho ny trozona misy trafo.” Hainy ihany koa ny mampandray anjara ny vahoaka, amin'ny famafàzana kely an'ireo tononkirany amina fomba nahazatra “miantso sy mamaly”, araka izany, raha tsy vitanao ny mahatsiahy fehezanteny iray ao anatin'ilay hira, azonao atao foana ny miventy ny “Hey, hey, hey!”

Hahaliana ny hahita hoe, amin'ity taona ity, iza amin-dry zareo no ho tonga eny an-tampony miaraka amin'ny isa be indrindra amin'ny seho vitany teny an-dalambe.

Las’ Lap — “Soul of Calypso” an'i Machel Montano

Tsy tena Karnivaly ny Karnivaly raha tsy eo ilay Mpanjakan'ny Soca, Machel Montano. Tamin'ity taona ity anefa, nandao ny sehatry ny Soca izy, tamin'ny filazàna fa mamarana ny Master fandalinany ny Karnivaly izy.

Kanefa,  nipoitra ihany i Montano teo amin'ilay banja malalaka tena nahazatran'ny calypso. Ny hirany “Soul of Calypso” — izay tena famaritana ny mozika soca — no nitondra azy niverina ifotony, nandray ny faka ara-mozikany sy manome haja ireo zokiolona mitana ny fombandrazana. Ankoatry ny hoe manome fanabeazana momba ny niavian'io karazana mozika mahavariana io ho an'ireo mihaino azy ilay hira, ilay rakikira sy fiangaly azo lazaina ho tranainy ihany an'ilay mozika koa dia mifanaraka amin'ny rivopiainana mampitonitony miaraka amin'ny an'ny Las’ Lap, gadona malefaka.

Rehefa ilay ianao reraka sy valaka be iny, lafatra afaka hitetezana làlana ilay fiverenan-kira manintona, saingy diso faly loatra ianao fa nahavita Karnivaly iray hafa — ary ho an'izao tontolo izao ny hafatra: tsy olana izay fomba fitiavanao ny karnivalinao (na ny mozikan'ny Karnivalinao) fa fianakaviana iray daholo isika rehetra. Ary izany, ambonin'ny zavatra hafa rehetra, no fo mampitempo ny Karnivalin'i Trinidad & Tobago.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.