MIVANTANA amin'ny 22 Septambra: Jadona ara-teknolojika ao India

Graphic for technauthoritarinism in Indian webinar

Teo anatrehan'ny vahoaka sy ny fisehoana ivelany ary ny lahateny, nanambara ny — revolisiona nomerika eny amin'ny sehatra ifotony — “Techade” an'i India ny praiminisitra Narendra Modi amin'izao folo taona izao, mahakasika ny olona rehetra izany ary “manadio” ny lafiny rehetra amin'ny politika, toekarena ary ny fiaraha-monina.

Na dia mandrisika ny olom-pirenena hampiasa ny fahaiza-manao nomerika hitondrana ny firenena ho amin'ny hoavy mamirapiratra kokoa aza ny mpitarika ny demokrasia lehibe indrindra manerantany, dia narahin'ny fomba fanao “jadona nomerika” isan-karazany izay manakatsakana ny fahalalahan'ny olom-pirenena amin'ny fidiran'i India haingana tamin'ny nomerika. Amin'ny fisamborana, fiampangana diso mihatra amin'ireo mpanao gazety sy mpitsikera ny fanjakana noho ny zavatra navoakany tao amin'ny media sosialy, dia nisy fanadihadiana milaza fa nampiasa rindrambaiko mpitsikilo (spyware) Pegasus tamin'ny mpanohitra azy ny governemanta Indiana. Ao anatin'ny ady ara-pitsarana mikasika ny fangataha-panesorana votoaty ny Twitter sy ny fanjakana Indiana. Ary mitranga izany rehetra izany ao anatin'ny tsy fisian'ny lalàna fiarovana ny angon-drakitra mba hanohanana ny fahalalahana fototra toy ny zo hanana fitana-tsiambaratelo.

Tamin'ny tatitry ny firenena India navoakanay vao haingana izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa Unfreedom Monitor an'ny Global Voices Advox, manoritra avy amin'ny fikarohana nataonay izahay mba hanasongadinana ireo trangan-jadona nomerika ao India sy ny fomba iresahana izany ao amin'ny sehatra media maromaro, anisan'izany ny media sosialy.

Miaraha aminay mivantana ao amin'ny YouTube live ny 22 Septambra amin'ny 11 ora GMT/4 3o pm IST hifanakalo hevitra momba ny fikarohana hita tamin'ity tatitra ity sy ny fomba fanoheran'ny fiarahamonim-pirenena ireo fomba amam-panao tsi-refesi-mandidy ireo. Hotontosaina amin'ny 1 ora tolakandro UTC/4.30 hariva IST ny 22 septambra ny adihevitra. Maimaim-poana ny fivoriana ary misokatra ho an'ny besinimaro. Misoratra anarana eto ambany mba hahazoana fampahatsiahivana momba ny hetsika:

Misoratra anarana maimaim-poana amin'ny Eventbrite

Hotarihan'i Setu Bandh Upadhyay, mpikaroka momba ny politikan'ny teknolojia sy ny zo nomerika ary mpikaroka ao amin'ny Observatory Civic Media ao amin'ny Global Voices ny hetsika, ary hanasongadina ireto mpiantsehatra manaraka ireto:

  • Pratik Sinha dia mpiara-manorina ny Alt News, tranonkala indiana manaramaso ny zava-misy izay manolo-tena hitifitra vaovao diso, ny fanalam-baraka ary ny fampahalalam-baovao tsy marina na amin'ny media sosialy na amin'ny haino aman-jery mahazatra.
  • Mpikaroka momba ny tetikasa Civic Media Observatory an'ny Global Voices i Shubhangi Heda ary Kandidà PhD ao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojia Queensland. Niasa tamin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny politikan'ny media sy ny teknolojia ny fikarohana voalohany nataony. Efa niasa ho mpandalina politika momba ny fitanan-tsiambaratelo, ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ary ny fitantanana ny angon-drakitra izy.
  • Ava Haider kosa dia mpandalina momba ny fikarohana ao amin'ny Aapti Institute, izay mahaliana azy indrindra ny momba ny rohivoary nomerikan'ny fampandrosoana, ny fandrosoana ara-tsosialy amin'ny alàlan'ny teknolojia ary ny endrika fanehoana an-jotra. Talohan'ny nidirany tao amin'ny Aapti, dia niasa ho Mpampianatra Mpanampy tao amin'ny Oniversite Ashoka i Ava, izay nampianatra teoria politika ho an'ny mpianatra ary nanampy tamin'ny famoronana fandaharam-pianarana anjotra tamin'ny volana voalohan'ny COVID-19. Mikatsaka ny hanitatra ny vatsim-pianarana ao anatin'ny fihaonan'ny mari-panondroana, ny politika ary ny fametrahana ho nomerika ao India amin'ny alàlan'ny asany izy .

Tsy andrinay ny handraisanao anjara miaraka aminay amin'ny Alakamisy 22 Septambra amin'ny 11 ora GMT/430 alina IST (tsindrio ato raha hanova ho amin'ny faritry ny ora ao amin'ny toerana misy anao).

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).  .

Trohy ny endrika PDF amin'ny fehin'ny dosie.

Midira amin'ny tobinangondrakitra azon'ny rehetra idirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.