Tatarasim-baovaon'ny RV : Fanomanana mialoha ny Fihaonambe Erantany momba ireo Fiteny Vitsy an'Isa
Dikandahatsoratra
Fanamarihan'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovaontsika isam-bolana dia manome famintinana ireo lahatsoratra am-bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana nomerika, toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana nomerika, ary ireo fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno amin'ny aterineto. Vakio eto ny fanontàna teo aloha amin'ity gazety ity.
Arahaba ry mpamaky: Efa Jolay izany izao, ary efa tapa-taona no nodiavintsika. Misy zavatra goavana efa nomanina ve ianareo ho an'ireo volana ho avy? Azo antoka fa ny sasany efa manao drafitra tsara ho an'ny taona manaraka, dia mila maheno avy aminareo izy ireny!
Any Payes de Galles no hatao ny andiany faha-19 amin'ny Fihaonambe Erantany momba ireo Fiteny Vitsy an'Isa, afaka herintaona eo ho eo. Ankoatra ny fiainana manokana manodidina ilay raharaha, fotoana ihany koa io hanaovana fanolorana/fampahafantarana, fifanakalozan-dresaka, ary fanorenana tambajotra. Raha mahatsapa faniriana hiditra anatin'izany ianareo, azonareo ny manomboka alohaloha amin'ny alàlan'ny famaliana dieny izao ny antso misokatra handraisana izay tolokevitra momba azy io.
Azonareo atao ny mandray anjara amin'ny fandefasana tolokevitra momba ny taratasy, ny afisy goavana na ireo andiana mpandray fitenenana amin'ny lisitra iray misy ireo fotokevitra araka izay tsikaritra ao amin'ny tranonkalan-dry zareo, tafiditra amin'izany ny teknôlôjia, ny famadihana ho nomerika ary ny anjara asan'ny media sôsialy any anatin'ireo vondrompiarahamonin'ny fiteny vitsy an'isa — izay tsapanay fa tena mety hahaliana tokoa ireo mpamaky anay, toa anareo ihany.
Fara-fisoratana: 30 Septambra 2022
MISIMISY KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES
Raha nanomboka ny fiarahan-dia amin'ny IDIL2022–2032 miaraka amin'ireo mpikatroka ho an'ny fiteny avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, ny Rising Voices sy ireo mpiara-miasa aminy dia mitondra ho anao ny andiana fifandimbiasam-panentanana iray ao amin'ny Twitter. Liana amin'ny fitenin'ireo indizeny, vitsy an'isa, tandindonindoza, na tsy dia fahita firy ve ianao, ary ny anjara raisin'ny aterineto sy ny teknôlôjia ho fampiroboroboana sy famelomana indray azy ireny? Ndao hiaraka aminay dia henoy izay hozarain'ireo vahiny mpampiantrano !
@ActLenguas (Amerika Latina)
- T'ikita Wara [es] momba ny fiteny Quechua, tenenina ao Bôlivia
- Izaira López Sánchez [es] momba ny fiteny Tu'un Savi (Mixtec), fiteny teratany ao Meksika
- Luis López-Resendiz [es] momba ny CIELO (Comunidades Indígenas en liderazgo) sy ny asan-dry zareo hampisehoana masoandro ireo fanamby maro atrehan'ireo vondrompiarahamonia mpifindra monina ao amin'ny faritr'i Los Angeles
- Daniela Millaleo Montano [es] momba ny fiteny Mapuche, fiteny teratany ao Shily sy Arzantina
@AsiaLangsOnline (Azia)
- Fikri Ansori momba ny fiteny Rejang, fiteny teratany ao Indonezia
- Sanjib Chaudhary momba ny fiteny Tharu Tatsinanana ao Nepal
- Amir Hader momba ny Shina, fiteny teratany ao Pakistàana sy India
@DigiAfricanLang (Afrika)
- Mazhun Idris momba ny fiteny Hausa, ampiasaina betsaka ao Afrika Andrefana
- Tochi Precious momba ny fiteny Igbo, fiteny teratany ao Nizerià
- Daniel Abugre Anyorigya momba ny fiteny Gurene, fiteny teratany ao Ghana sy Burkina Faso
- Alhassan Mohammed Awal momba ny fiteny Dagbani, ifampiresahana ao Ghana
@EuroDigitalLang (Eorôpa)
- Kevin Scannell momba ny fiteny Irish sy ny fandavantenany hanao izay hitondràna ilay fiteny ho ety anaty habaka nomerika
- Silvia Cebolla momba ny fiteny Aragonese ao Espaina sy ny ezaka ataony ho fampiroboroboana ilay fiteny
- Beñat Garaio momba ny fiteny Basque ao amin'ny Firenena Basque, eo anelanelan'i Espana sy Frantsa, manaraka ny moron'ny Bay of Biscay(golfe de Gascogne)
FANKASITRAHANA
Moa mba fantatrao ny fisian'ireo olona/fikambanana manokan-tena amin'ny fampiroboroboana ny fampiasana fitaovana nomerika mba hanomezana hery ny olom-pirenena sy ireo vondrom-piarahamonina manerana an'i Eorôpa? Ho fankalazana ny fiantraikan'izy ireo, azafady indrindra hevero ny hanendry azy ireo — na ianao mihitsy koa no misorata anarana — ho amin'ny All Digital Awards 2022 (ato ny andinindininy). Fara-fisoratana: 29 Jolay 2022
FITAOVANA & LOHARANO
Mpanao gazety ve ianao sa mpampita vaovao mampiasa tsy tapaka ny Twitter hanatrarana ny tanjonao? TRFilter dia fampiasa iray ety anaty tranonkala natao hampiadana anao. Miaraka amin'ny fanampiany, azonao atao ny mampangiana/manakana ireo kaonty sy manafina ireo fanehoankevitra izay tena manafintohina, tsy mila akory miverina mijery ilay votoaty. Mitady vahaolana azo ampiharina mba hanoherana ireo filam-baniny/herisetra ety anaty tambajotra ve? Azonao atao ny manomboka izany eto.
FIKAROHANA
Ahoana no atoan'ireo vehivavy raha resaka fampiasàna aterineto mandehandeha, raha oharina amin'ireo lehilahy, nandritra iny taona lasa iny? Ny Mobile Gender Gap Report 2022 vao nivoaka tsy ela akory izay, no milaza amintsika fa toa misy fihisarana kely — sy/na fitsimbadihana mihitsy — amin'ny fandrosoan'ny fampiatiana nomerika an'ireo vehivavy. Manontany tena ve hoe maninona sy nahoana ? Vakio ny tatitra, eto, fa ianao ihany dia afaka hahita azy.
Mandritra izany, manao ahoana ny fampiatiana nomerika nandritra ny valanaretina COVID raha ireo olona tratry ny fahasembanana ara-tsaina no resahana? Nanana fahafahana nahazo niditra tamin'ny fampiasana ny teknôlôjian'ny fifandraisana sy fampitambaovao ve ry zareo (TIC) mba hamaly ireo filàny fototra sy hisitrahany ireo tombontsoa marobe amin'ny firotsahana amin'ny nomerika? Mba hahafantaranao misimisy kokoa, azonao atao ny mijery ny famintinana fohy ato, na mitroka eto ilay fandalinana manontolo.
VAKIO BEBE KOKOA, JEREO ary HENOY
- Inclusion, not just an add-on via Pollicy (vakiteny amin'ny fiteny anglisy)
- Creating an inclusive & belonging work culture via InclusionHub (vakiteny amin'ny fiteny anglisy)
Misorata hahazo ny Taratasim-Baovaon'ny Rising Voices
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra