
Sary fanaingoana nataon'i David Canul (Pájaro Toj) ho an'ny Rising Voices.
Hafaliana ho an'ny Rising Voices ny manambara ireo Mpiaramiasa vaovao 10 voafantina ho ao anatin'ny Mayan Languages Digital Activism Fellowship Program 2022. (Fandaharanasa Fiarahamiasa ho an'ny Fikarohana Nomerikan'ny Fiteny Maya)
Ireo olona folo nofantenana avy any amin'ireo fanjakana meksikàna ao Chiapas, Quintana Roo ary Yucatan dia hanomboka dingana iray fiaraha-mianatra mandritra ny valo volana izay hisy fotoana fitarihandàlana ataona mpiahy avy amin'ny tariky ny Rising Voices ahitàna ireo mpikatroka nomerika manana traikefa avy ao amin'ireny faritra ireny. Ireo fifanakalozana ireo dia hanampy amin'ny fampivoarana ny traikefa fahaiza-mitarika mifandraika amin'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteny mba hametrahany ny tetikasam-pikatrohana manokan-dry zareo iarahany miasa akaiky amin'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana. Ny tsirairay amin'ireo olona nofantenana dia hizara ny traikefan'izy ireo sy ny fandrosoana vitany amin'ny alàlan'ireo famoahana tsy tapaka ao amin'ny tranonkala sy ireo fantsona hafa.
Manomboka ny volana May, hanomboka fihaonam-bondrona izahay, sy isambatan-olona, hitondrana miaraka ireo mpikatroka vao misondrotra mba hirotsaka feno anatina tambajotra nasiônaly, isam-paritra, na erantanin'ireo mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny.
Taorian'ny fandinihana lalina ireo tetikasa 80 mahery napetrak'ireo mpikatroka avy ao amin'ny faritra atsimon'i Meksika tamin'ilay fandaharanasa, olona 10 no voafantina, dimy Chiapas ary dimy avy amin'ny saikinosin'i Yucatan:
List of 2022 Fellows
-
-
-
-
Ana Laura Mendoza Chay
State: Yucatán Language: Maya yucateco
-
Antonio Margarito Huet Moshan
State: Chiapas Language: Tsotsil
-
Celfa Iraida Sántiz Sántiz
State: Chiapas Language: Tzeltal
-
Didier Argelio Chan Quijano
State: Yucatán Language: Maya yucateco
-
José Alfredo Hau Caamal
State: Yucatán Language: Maya yucateco
-
Katia Alejandra Gonzalez Garcia
State: Chiapas Language: Tsotsil
-
Merli Isabel Colli Hau
State: Yucatán Langauge: Maya
-
Radaí David Pérez Oleta
State: Chiapas Language: Tzeltal
-
Rodrigo Petatillo Chan
State: Quintana Roo Language: Maya yucateco
-
Yulma Guadalupe Rodríguez Alvaro
State: Chiapas Language: Ch'ol
-
Samy raisin'ny ekipan'ny tetikasa Rising Voices ho manandanja sy sarobidy avokoa ireo tolotra tsirairay. Kanefa, ireo tolotra izay naneho nazava tsara indrindra ny drafitrany mba hampandraisana anjara ny vondrompiarahamonina sy ny fomba hampidirana ilay fiteny ho anatin'ny fanofanana mpiteny vaovao, indrindra fa eny anivon'ny tanora, no voaray farany. Isaoranay daholo ianareo tsirairay nisoratra anarana nanao fangatahana ho anatin'ilay fandaharanasa. Araho hatrany ny fanavaozam-baovao, indrindra fa ny mombamomba ireo tsirairay mpiaramiasa vaovao.
-
-