Manamafy ny onitra amin'ireo fantsom-pahitalavitra noho ny votoaty “ara-politika” ny Vaomieran'ny Serasera Zeorziana

Navoaka voalohany tao amin'ny OC Media ity lahatsoratra nosoratan'i Tata Shoshiashvili. Naverina navoaka eto ny  dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty.

Namoaka fanambarana ny vaomiera Nasionaly Zeorziana misahana ny serasera (GNCC-ang) tamin'ny 25 Novambra fa mandoa onitra ireo fantsom-pahitalavitra maromaro tahaka ny Mtavari, Imedi, Studio Maestro sy Kartuli Arkhi.

Nampandoa onitra an'ny Mtavari Arkhi TV, fantsom-panoherana lehibe indrindra any Georgia tamin'ny vola mitentina Gel 112,000 ( 35.000 dolara Amerikana), izany hoe 1 isanjaton'ny vola miditra isan-taona ny GNCC, noho ny fandefasana “dokambarotra ara-politika” telo. Samy voasazy handoa onitra 2 500 (800 dolara Amerikana) ny Imedi, izay miankina amin'ny mpomba ny governemanta, sy ny Studio Maestro raha nahazo fampitandremana kosa ny Kartuli Arkhiwas.

#Georgia: Voasazy handoa onitra 36.000 dolara Amerikana ny @MtavariChannel  mpitsikera ny governemanta noho ny fandefasana horonantsary manohana ny @SaakashviliM ary heverina ho fampielezan-kevitra ara-politika ivelan'ny vanim-potoana natokana ho amin'izany’. Manameloka izany ho fitaovana ho an'ny sivana sy onitra tafahoatra ny @RSF_inter ary miantso ny mpandrindra mba handinikany fanapahan-keviny.

Nanameloka ilay onitra i Nika Gvaramia, lehiben'ny Mtavari, mamaritra izany ho “sivana” ary nilaza fa tsy mikasa handoa ny onitra ny fantsona ka hampakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana.

Araka ny filazan'ny GNCC, voasazy handoa onitra ny Mtavari noho ny fandefasana horonantsary telo teo anelanelan'ny 17 sy 18 novambra. Nanasongadina ny sarin'ireo manampahefana ambony ao amin'ny Sampan'ny Fonja Zeorziana sy ny fitsarana izay tafiditra tamin'ny fisamborana ny filohan'i Gergia teo aloha, Mikheil Saakashvili, ny iray tamin'ireo horonantsary. Nahitana ny soratra #FreedomforMisha ny sasany tamin'ireo sary. Araka ny filazan'ny Civil.ge, nilaza ny fitarantaran'ny feo tamin'ny horonantsary hoe: ​​ity olona ity dia “namono an'i [Saakashvili],” taorian'ny sary tsirairay. Nifarana tamin'ny fitakian'ny mpitantara ny “famotsorana an'i Mikheil Saakashvili” ilay horonantsary.

Ahitana sombiny avy amin'ireo fanambarana nataon'ny filoham-pirenena Zeorziana Salome Zurabishvili, ireo mpitarika ny Antoko Georgian Dream, ary ireo depioten'ny antoko momba ny fisamborana an'i Saakashvili sy ny fitokonana tsy hihinan-kanina ny lahatsary faharoa. Narahana fitantarana mitovy amin'ny feo tamin'ny horonantsary voalohany ny fanambarana tsirairay.

Nampiseho ny sarin'ireo mpitarika ny Georgian Dream sy ny mariky ny antoko miova ho tarehin'ny filoha Rosiana Vladimir Potinina ny horonantsary fahatelo, izay noforonin'ny Shame Movement, vondrona mpanohitra mpikatroka liberaly.

Ireo mpikatroka miaraka amin'ny Shame Movement nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny GNCC taorian'ny fanambarana ny fanapahan-kevitra:

Araka ny fanitsiana ny taona 2012 tamin'ny fitsipiky ny GNNC, “tsy azon'ny haino vaky jery atao ny mandefa dokambarotra fifidianana mialoha [ara-politika]  sy hetsi-pifidianana mialoha ny fotoana rehetra ankoatra ny fotoana natokana ho an'ity tanjona ity.

Voasazy handoa onitra GEL  58000 (18 000 dolara Amerikana) ihany koa ny Mtavari noho ny fanitsakitsahana voalaza fa mitovy amin'izany.

Voasazy handoa onitra ny Studio Maestro, Kartuli Arkhi, sy Imedi noho ny tsy fandefasana ny adihevitra ara-politika nandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana mialoha ho an'ny fifidianana monisipaly 2021.

Niresaka tamin'ny OC Media, nilaza i Natia Kapanadze, mpandrindra ao amin'ny Coalition for Media Advocacy (Firaisambe ho an'ny Fiarovana ny Media), Mpanaramaso media ao an-toerana fa nahitana fironana hanome onitra ambony bebe kokoa amin'ny media mpanohitra ny GNCC

Mampiharihary izany ny fanapahan-kevitra [ny alakamisy]  fa mandrahona ireo haino vaky jery amin'ny fomba samihafa ny vaomiera ary indrisy, fa noho ny politikam-panoratana samy manana ny azy no anton'izany fikarakarana samihafa izany “hoy izy.

Nanampy koa izy fa tamin'ny fandikana ny horonantsary navoakan'ny Mtavari ho ampahany amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana, mety hampidi-doza ny “fahafahan'ny fikatrohana sivily” ny vaomieran'ny serasera ary mety hampiditra ny “famerana ny fahaleovantenan'ny tonian-dahatsoratra.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.