Ampiantranoan'ny TargetingS sy ny Global Voices ary natao ho an'ny tonian-dahatsoratry ny tambajotra sosialy any amin'ny efitrano famoaham-baovao, ity tapatapak'ahitra maharitra 60 minitra amin'ny Alakamisy 2 Desambra amin'ny 4 ora hariva GMT / 5 ora hariva CET / 11 ora maraina EST / 8 ora maraina PST ity dia hifantoka amin'ny fomba iarahan'ny ekipan'ny tambajotra sosialin'ny Global Voices mizara tantara amin'ny mpanara-baovao manerana ny tambajotra sosialy.
Maimaim-poana sy misokatra ho an'ny daholobe ny fivoriana ary halefa mivantana amin'ny YouTube.
<<Misoratra anarana eto >>
Atolotr'i Nevin Thompson, mpitarika ny tambajotra sosialy ato amin'ny Global Voices, hanasongadina ny ekipan'ny media sosialy ato amin'ny Global Voices ny fifanakalozan-kevitra, ao anatin'izany i J. Carolina Brantiecq, Eli Rivera, ary Asteris Masouras. Chris Deco no hisolo tena ny TargetingS, mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices ao amin'ny tambajotra sosialy.
Toy izao no ho hita ao anatin'ny lohahevitry ny dinika:
- Ny fomba fiasan'ny ekipa ao amin'ny efitra famoaham-baovao amin'ny fizarana vaovao an-jotra
- Fomba fanao, torohevitra ary hevitra tsara indrindra avy amin'ny efitrano famoaham-baovao samihafa hifandraisana amin'ny mpanara-baovao
- Fahatakarana ny fomba hamantarana sy hanomezana laharam-pahamehana ny fahafahana mifandray amin'ny mpanara-baovao, ary avy eo manatsara ny fitosaky ny asa (workflows)
- Fanaovana ny fitosaky ny asanao ho kibo saoky ny nahiny
- Fahatakarana hoe inona ny fandrefesana mety arahana ho an'ny efitrano famoaham-baovaonao
- Fomba fanao tsara indrindra sy torohevitra haingana ary fikafika mba handraisana tombony betsaka avy amin'ny famokaranao vaovao
- Famantarana sy fampiasana votoaty “tsy mety malazo”.
Momba ny TargetingS
Ny TargetingS dia sehatra fitantanana tambajotra sosialy mifototra amin'ny haranita-tsaina voatrolombelona (AI) izay manamaivana ny fotoana lany amin'ny asa mahazatra atao ao amin'ny tambajotra sosialy, mampitombo ny isan'ny mpanjohy ary manome hirika mitondra fampidiram-bola. Natomboky ny manam-pahaizana momba ny teknolojia sy ny media tamin'ny taona 2014, hita any amin'ny firenena miisa 40 ankehitriny, amin'ny fiteny miisa 30 ary mamoaka lahatsoratra mihoatra ny 19 tapitrisa isam-bolana ny Targetings.
Antsimpiriany:
Rahoviana: Alakamisy 2 Desambra amin'ny 4 ora hariva GMT / 5 ora hariva CET / 11 ora maraina EST / 8 ora maraina PST (tsindrio eto raha hijery ny ora any amin'ny toerana misy anao)
Aiza: Mivantana amin'ny YouTube
Misoratra anarana amin'ny: https://www.eventbrite.com/e/adventures-in-social-media-promotion-tickets-184259584377
Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin'ny:
Nevin Thompson, Mpitantana ny Tambajotra Sosialy, Global Voices