‘Tohano ny mpiompy tantely any aminareo': ireo olana ao Karaiba, Andro Erantany ho an'ny Tantely

Tantely avy amin'ny andiany iray amin'ireo 60 ao amin'ny toby Carmel Valley Estate ao avaratra-andrefan'i Trinidad. Sary avy amin'i Monique Johnson, Nahazoana alàlana.

Ny 20 May, nomarihan'izao tontolo izao ny faninefany tamin'ny fankalazana isantaona ny Andro Erantany ho an'ny Tantely, tamin'ny alalan'ny hetsika virtoaly iray nampiantranoin'ny Food and Agriculture Organization (FAO), rantsan'ny Firenena Mikambana, ary nifanaraka tamin'ilay lohahevitra “Bee Engaged – Tantely mirotsaka an-tsehatra (Fanamarihana avy amin'ny mpandika: kilalaonteny avy amin'ny hoe Be engaged midika hoe Raiso ny andraikitra) —Miverena Manorina Tsaratsara Kokoa ho an'ny Tantely.”

Mitàna toerana lehibe amin'ny fitaterana vovobony ny tantely, dingana iray tena ilaina amin'ny fahaveloman'ny rafi-piainana, ny hamaroam-piainana, ny antoka ara-tsakafo sy ny faharetany, nefa vokatry ny faharavan'ny tontolo iainany sy ny fiantraika hafa ateraky ny ataon'ny olombelona, isan'izany ny olana entin'ny fiovàn'ny toetrandro, dia tandindonin-doza ry zareo, 100 hatramin'ny 1000 heny noho ny tokony ho izy. Tena mamely mafy ny fianakaviamben'ny tantely manerana izao tontolo izay ny fomba fambolena tsy mitsinjo lavitra, toy ny fanaovana voly tokana amin'ny toerana iray ary ny fiantraika manimba aterak'ireo fanafody famonoana bibikely.

Tanjon'ny hetsika amin'ity taona ity ny hanairana ny sain'ny olona erantany hoe ny COVID-19 dia vao mainka nampitombo ny tsy fanjariana / tsy fahampian'ny sakafo, no sady mandresy lahatra ihany momba ireo fomba azo hamerenana ny tontolo iainana sy ireo bibikely mpitatitra vovobony izay tena ilaina tokoa.

Manerana an'i Karaiba, nanao ny anjarany ireo mpisera amin'ny media sôsialy, nizara lahatsary momba ilay fotoana, tamin'ny WhatsApp sy ireo fantsona tambajotra hafa. Natao hampianarana ny ankizy ny anjara toerana lehibe tànan'ny tantely ny sasany tamin'ireny. Nikarakara andian-dresaka iray tamin'ny Andro Erantany ho an'ny Tantely i St. Lucia, izay nanaovana tombana ny dingana vitan'ny indostrian'ny tantely ao amin'ilay nosy.

Tao Jamaika, nifantohan‘ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana ny fahamaroam-piainana sy ny faritra voajanahary saropady ao Cockpit Country, toerana iray vavolombelona fa afaka miara-dàlana tsara ny fampandrosoana sy ny asan'ireo mpiompy tantely- io, rehefa jerena, no hany fomba fanao tokana mitsinjo lavitra (lovainjafy).

Ankoatry ny tontolo iainana manandanja be ananany, tena mifamatotra ara-tantara amin'i Jamaika ihany koa i Cockpit Country. Ny tontolo feno vatosokay ao aminy no toerana niafenan'ireo Maroons rehefa avy nandositra ny fanandevozana teo ambany fanjanahan'ny Britanika. Na izany aza, mitohy ho loza mitatao hatrany ilay faritra noho ireo fomba fanao tsy mitsinjo lavitra, izay betsaka no vokatry ny ataon'ireo “mpamboly madinika mikapa ny hazo mba hanaovana tsatòka na kitay”, hoy ny UNDP. Notohizan'ny tatitra nataony fa:

Mba hanampy amin'ny hisian'ny fampidirambola manaja ny tontolo iainana, ireo fomba fivelomana lovainjafy toy ny fiompiana tantely dia manaparitaka ireo mpiady ho an'ny hamaroan-javamiaina anaty natiora sy ireo mpitaona vovobony .

Tantely manirery maka mamimbony eo amin'ilay bozaka fantatra any an-toerana amin'ny anarana hoe ‘bozaky ny bitro,’ ao amin'ny lemak'i Carmel Valley Estate. Sary an'i Monique Johnson, nahazoana alàlana.

Manaiky i Leif Johnson, mpiompy tantely, sy ny anabaviny, Monique, izay mitantana ny toeram-piompian'ny fianakaviana ao Carmel Valley Estate any avaratra-andrefan'i Trinidad. Mba hitohizan'ny fahaveloman'ny tantely ary hiroboroboany araka ny tokony ho izy, tena ain-dehibe ny fanohanana.

Tamin'ny resaka an-telafaona, nanamarika i Leif fa iray amin'ireo loza mitatao goavana indrindra “ny famotehana ala tsy am-piheverana”, ary na tonga lafatra aza, hoy izy, ny  Sampandraharaha misahana ny Ala ao anatin'ny Ministeran'ny Fambolena, ny Tany ary ny Jono ao amin'ny firenena, dia “tena faran'izay tsy ampy olona.” Noho ny fanaovana tavy mba hovolena na hanorenana trano, miatrika fahaverezan'ny fomba nahazatra azy ny tantely sy ireo bibikely hafa mpamindra vovobony. Ao amin'ilay vondrom-piarahamonina mpamboly an-tampon-kavoana ao Paramin, milaza izy fa amina hektara ny tany no nodiovina, saingy tsy mifanaraka amin'izay fa tsy mba miverina mamboly an'ireo faritra ala ringitra ny tantsaha hanoloana ny teo.

Mandritra izany fotoana izany, any amin'ireo vondrom-piarahamonina tantsaha any amin'ny morony atsinanan'ny firenena, voamarik'i Leif fa fanamby iray goavana ny fahapoizinana avy amin'ny fanafody famonoana bibikely amin'ny voly. Marobe ireo ‘fanafody famonoana bibikely safidin'ireo ” tantsaha no manimba zavatra betsaka,” isan'izany ireo mpamindra vovobony zanatany. Manana karazany hatramin'ny 50 i Trinidad & Tobago amin'ireo tantely tsy misy fanjaitrany izay tafiditra anatin'io sokajy io.

Fanamby hafa maro ho an'ireo tantely ao an-toerana ny famafazana tsindraindray an'ireo vondrom-piarahamonina ireo, ataon'ny sampandraharaha avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamana misahana ny Fanarahamaso ny Bibikely Mpamindra aretina, ao anatin'ny ezaka ho fampihenàna ny fisian'ny moka. Nangatahan'ireo mpiompy tantely manerana ny firenena ry zareo ao amin'ilay sampandraharaha mba hampita mazava tsara sy amin'ny fomba mahomby ny fandaharanasa famafàzana fanafody ataon-dry zareo, ka mba hahafahan'izy ireo mamindra ny tranon-tanteliny ho amin'ny faritra azo antoka. Na dia milaza aza ny tranonkalan'ny ministera fa tafiditra anatin'ny fomba firosony ny “fampiatiana azo antoka, mahomby ary tsy mamono antoka an'ireo fepetra rehetra fiadiana amin'ny bibikely mpamindra aretina, mifanaraka amin'ny tokony ho izy sy maharitra”, lazain'i Leif fa mamono tantely ireo fanafody simika ampiasain-dry zareo rehefa mahakasika azy.

Ny fahatongavan'ny valanaretina COVID-19 sy ireo fepetra naterany dia vao mainka nahasarotra ny fiarovana ny tantely ho an'ireo andian-tantely maherin'ny 7.000 sy ireo 300 mpiompy tantely voarakitra ao Trinidad & Tobago. Amin'izao fotoana izao ny firenena dia miaina anaty hamehana, tsy fahafahana mivezivezy eo anelanelan'ny amin'ny 9:00 alina sy 5:00 maraina. Koa satria ny hariva ihany ny tantely vao miverina ao an-tranony, tena olana be ho an'ireo mpiompy tantely ny tsy fahazoan-dry zareo alàlana manokana amin'ilay tsy fahafahana mivezivezy raha vao misy fandaharam-potoana hamendraka fanafody famonoana bibikely. Ankoatra izay, tsy miharihary ny ankamaroan'ny asa fiompiana tantely. Lasa fironana kokoa izao ny miompy tantely any anaty faritra be hazo, izay ny maro aminy dia manakaiky toerana fambolena / fiompiana mampiasa fanafody simika.

Mpiompy tantely ao Carmel Valley Estate – Trinidad. Asry an'i Monique Johnson, nahazoana alàlana.

Misy anefa ny fanantenana. Clarence Rambharat, minisitry ny fambolena amin'izao fotoana izao, dia nampiseho “fahalinana mavitrika” amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpiompy tantely ary mahatsapa ny lanjan'ny fiarovana ny tantely ho salama tsara. Manana fikambanana mpiompy tantely miisa efatra samy hafa i Trinidad & Tobago, miparitaka ara-jeografika, izay nandresy lahatra mba hisian'ny lalàna fandraràna ny fampiasàna fanafody famonoana bibikely. “Maro amin'ireo fanafody simika ampiasaina sy ‘amidy’ eto no “azo antoka”, hoy i Leif, “ny neonicotinoids, izao poizina ho an'ny tantely—ary raràna any amin'ireo firenena ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna.” Rehefa tsy misy ny lalàna tahaka izany, anefa, dia andraikitry ny mpanjifa ny manadihady sy manao safidy mazava.

Misy andian-tantely 60 ao Carmel Valley Estate, izay ivon'ny hetsika rehetra ataony. Ny vokatra rehetra volen'ny fianakavian'i Johnson, toy ny kakaô, dia volena tsy ampiasàna vokatra simika na kely aza, saingy mbola eo foana ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro. Vao avy nandalo indrindra vanintaona maina tsy dia mahazatra nahitàna orana i Trinidad & Tobago, izay lazain'i Leif fa nanimba ny famokarana. “Nofaohan'ny orana ny mamimbony teny amin'ny voninkazo ary tsy afaka nisidina ireo tantely satria mando ny elatra,” hoy izy manazava, ” araka izany dia tsy tratranay akory na dia ny 25 isanjaton'ny vokatra famokatra  mahazatra aza. Mifarana amin'ny Jona ny taompamokarana, ary satria mizaka fitongongànana tahàka izany daholo ny ankamaroan'ireo hafa mpamokatra tantely, misondrotra ny vidin'ny tantely, mametraka ilay vokatra ho tsy taka-bidy ho an'ireo mpanjifa antonontonony.”

Ho fandraisany anjara amin'ny fampitomboan-taranaka ny tantely, nanao tolotra ny Tobago Apicultural Society  fa hivarotra mpanjakan-tantely eorôpeàna miisa 150 amin'ny vidiny 100 Dolara Trinidad & Tobago tsirairay (eo amin'ny 15 doalra amerikàna eo) ho an'izay mpiompy tantely liana. Na miasa toy ny fikambanana fototra amin'ny fampifandraisana ireo vondrona mpiompy tantely aza ilay fikambanana ao amin'ilay nosy, misy fandraisana anjara kely ara-bola atao isantaona, dia afaka miditra ho mpikambana daholo izay rehetra liana ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny tantely.

Miaza anefa i Leif fa afaka mamboly fahazarana kely sahady ireo mpiompy salantsalany nefa hitondra tombony goavana ho an'ireo tantely. “Jereo izay azo asolo ny fanafody famonoana bibikely,” hoy izy, “na misafidiana iray mba azo ihafiana kokoa, toy ny bioneem.” Ny fomba fanao mampihatra ny Permaculture (fampivadiam-boly) dia efa teboka iray tsara hanombohana. Mitoloma ho an'ny hamaroam-piainana, amin'ny alàlan'ny fambolena hazo madinika sy  karazana zavamaniry maro manome voninkazo, ary hatramin'ny hazo fihinamboa sy anana. “Voasary, manga, zavoka, voanketsihetsy (pasteky), kokombra, voatabia ary voatavo, samy tsara avokoa ho an'ny tantely,” hoy i Leif, “ary hahazo vokatra betsaka tsara lavitra ianao miaraka amin'ny famindràna vony ataon'ny tantely.”

Ary raha tena maniry marina ny hanampy ny tantely ianao, hoy i Monique manampy, “tohano ny mpiompy tantely any aminareo! [Izy ireo] no tena mpitantana sy iray amin'ireo mandany fotoana mikarakara ary manana ny traikefa hampitomboana ny taranaka tantely. Miezaha mamantatra azy ireny, manome tànana azy, mahita ny zava-tsarotra iainany ary ny fomba azon'ny fiarahamonina anampiana an-dry zareo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.