
Rihitra mikoriana avy ao amin'ny La Soufrière. Sary an'i Dave Brown ao amin'ny Flickr; CC BY-NC-ND 2.0.
Sahala amin'ny hoe tsy ampy ny fipoahana volkano efa misy amin'izao fotoana izao sy ny firarahan'ireo lavenona eraky ny faritra avy ao amin'i La Soufrière, fa dia miatrika tondradrano sy fihotsahan'ny tany mampididoza indray izao ireo vahoaka ao St. Vincent sy Grenadines, vokatry ny orambe nivatravatra tamin'ny 29 Aprily.
Arakaraky ny fanatonan'ny vanimpotoanan'ny rivomahery 2021 ao amin'ny Atlantika, mety vao mainka hiharatsy ny fihotsahana ateraky ny lahars—fotaka mandrevo avy amin'ny volkano. Ireo faika matevina sy poti-javatra vôlkanika taterin'ny lahars, izay afaka mikisaka malaky be mankeny amin'ireo lemaka iva fihandronan'ny rano, dia mety hanimba trano, handrakotra tany midadasika fanaovana fambolena ary hanentsina ireo renirano sy riandrano madinika, hiteraka tondradrano mahavoa faritra maro:
Extensive erosion on the coastline at wet Wallibou, St. Vincent due to lahars on 29.04.21
Footage: Richard Robertson, UWI-SRC@VincieRichie #lasoufriere #LaSoufriere #svg #uwi #stilldangerous #lasoufriereeruption2021 #TeamSRC #redalert #volcano #uwiseismic pic.twitter.com/5tuV0sd63W— UWISeismic Research (@uwiseismic) April 29, 2021
Fihotsahan-tany goavana ao amin'ny morontsiraky ny faritra mando Wallibou, St. Vincent vokatry ny lahars tamin'ny 29.04.21
Sary: Richard Robertson, UWI-SRC@VincieRichie #lasoufriere #LaSoufriere #svg #uwi #stilldangerous #lasoufriereeruption2021 #TeamSRC #redalert #volcano #uwiseismic pic.twitter.com/5tuV0sd63W
— UWISeismic Research (@uwiseismic) 29 Aprily 2021
Mamely ireo faritra manakaiky ny ilany atsimo amin'ny nosy ny fihotsahan'ny tany sy ny tondradrano, isan'izany i Kingstown, renivohitra. Ao amin'ny Facebook, Lennox Lampkin, izay mipetraka tena akaiky kely an'ilay volkano, no nanamarika hoe:
Eny amin'ireo làlana tsy voasoroka no tena henjana ny tondradrano satria […] voabahan'ireo fasika vôlkanika matevina ireo tatatra fitsihan'ny rano.
Ankoatra izay, tsikariny fa:
[R]aha azo ferana ho anatin'ny faritra mena ny lahars, ireo tondradrano kosa dia hanerana ny firenena ary mety, [raha ny marina] hiantraika be lavitra amin'ny ilany atsimo raha oharina amin'ny avaratra. Ireo faritra tena be mponina dia mety hahita ny arabe any aminy hivadika ho renirano mamotaka.
Marobe ireo lahatsary zarain'ny olompirenena mpanao gazety mampiseho ireo vokadratsy mampalahelo:
Flooding in Kingstown.
(Not my vid) pic.twitter.com/Qw4G20ytO7
— Lavern King ?? (@Lavern_King) April 29, 2021
Tondradrano ao Kingstown.
(Tsy ahy ny lahatsary)pic.twitter.com/Qw4G20ytO7— Lavern King ?? (@Lavern_King) 29 Aprily 2021
Ny National Emergency Management Organisation (NEMO)- sampan-draharaha misahana ny fitantanana ny hamehana – dia namoaka fanambaràna an-gazety tamin'ny 27 Aprily, nanamarihany fa misy lahars mampididoza voalazan'ny tatitra any amin'ireo faritra mena sy volomboasary, ary lasa manahirana ny fivezivezen'ny mponina, indrindra fa andrasana ny mety ho mbola fitohizan'ny orambe mandritra ny fiafaran'ny herinandro.
Marobe ireo olona mipetraka amin'ireny faritra ireny no nilaza fa “maratra anaty” ry zareo noho ny tsy fahafahan-dry zareo mody an-trano.
Na ny University of the West Indies Seismic Research Centre, na ilay mpahay manokana ny volkano, Dr. Jenni Barclay, anefa dia samy nanitrikitrika ny loza:
— UWISeismic Research (@uwiseismic) April 29, 2021
Things change.
Especially when working on #LaSoufriere
We were working with @uwiseismic in the Wallibou on Monday (left), then again today (right). Never underestimate the power of a lahar #stilldangerous pic.twitter.com/ZzfiEz929L— ProfJenniBarclay (@VolcanoJenni) April 30, 2021
Miova ny zavatra rehetra.
Indrindra fa rehefa miasa ao amin'ny#LaSoufriere
Niaraka niasa tamin'ny @uwiseismic ao Wallibou izahay tamin'ny Alatsinainy (havia), ary androany koa (havanana). Aza tsinontsinoavina velively ny herin'ny lahar #stilldangerous pic.twitter.com/ZzfiEz929L— ProfJenniBarclay (@VolcanoJenni) 30 Aprily 2021
Mampiseho ny haben'ny fahavoazana ireo lahatsary marobe nivoaka tao anatin'ny tambajotra sôsialy:
With rain there comes additional hazards. Reports are this morning that there have been sounds coming from #LaSoufriere. Whether there was an explosive eruption or just venting, time alone will tell. pic.twitter.com/6CGKAn04oA
— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) April 29, 2021
Miaraka amin'ny orana, miampy ny loza mety hitranga. Misy tatitra milaza androany maraina fa nisy feo nivoaka avy tao amin'ny #LaSoufriere. Na nisy fipoahana mahery, na fitosahana fotsiny, ny fotoana no hilaza izany. pic.twitter.com/6CGKAn04oA
— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) 29 Aprily 2021
Have mercy Lord. pic.twitter.com/xA592IEgh9
— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) April 29, 2021
Mamiondrà fo Andriamanitra ô pic.twitter.com/xA592IEgh9
— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) 29 Aprily 2021
#LaSoufriere #LaSoufriereEruption #svg #uwi ?? https://t.co/ON5Xpt35pB
— just be nice (@NaomiNaay) April 30, 2021
Ny dona goavana tsy maintsy natrehan'ny firenena nandritra ireo herinandro vitsy farany dia nitarika ireo mpisera sasany hanontany tena hoe hatraiza no fara-fahazakàn'izy ireo an'izany:
Boy we in #Vincy getting licks with #fire #ash now #water. #Rain in we tail. #svg #april2021floodsvg #StVincentAndTheGrenadines #LaSoufriere
— Bettie Jn. Baptiste (@hazeanelka) April 29, 2021
Ry zalahy, izahay aty #Vincy dia lelafin'ny #afo #lavenona, ary amin'izao fotoana izao #rano. #orana mampijaly anay. #svg #april2021floodsvg #StVincentAndTheGrenadines #LaSoufriere
— Bettie Jn. Baptiste (@hazeanelka) 29 Aprily 2021
Overnight rainfall in Saint Vincent and the Grenadines has led to Lahars (fast moving, dense mixture of rocks, ash & vegetation) that have the consistency of wet concrete & can cause serious damage. This worsens the Trauma to the SVG people.#SVG #LaSoufriere #volcano #trauma https://t.co/zts0tmllK3
— ACEs Caribbean Community (@AcesCaribbean) April 29, 2021
Niteraka fisiana Lahars (fihetsehana malaky be, fangarom-bato mavesatra, lavenona&zavamaniry) ny orambe nandritry ny alina tao Saint Vincent & Grenadines , izay marihitra toy ny ranon-tsimenitra mbola mando no sady afaka hiteraka fahavoazana henjana be. Vao mainka hampitombo ny dona ara-tsaina mahazo ny mponina ao SVG io.#SVG #LaSoufriere #volcano #trauma https://t.co/zts0tmllK3
— ACEs Caribbean Community (@AcesCaribbean) 29 Aprily 2021
Mandalo sedra hoe hatraiza no mafy toto ny firenena, ary ny vokadratsy manao randran-tarika avy amin'ilay fipoahana volkano dia nisy fiantraikany ratsy tamin'ny fambolena sy ny biby fiompy, misy ny ahiahy momba ny tahirin-tsakafo ho an'i St. Vincent, hatramin'ny ho fahaveloman'ny fiainana anaty ala ao aminy, isan'ireny ireo boloky zanatany ao St. Vincent.
Kanefa, ny sampandraharaha misahana ny ala ao amin'ny firenena dia tsy tapaka mamatsy sakafo an'ireo sehatra isankarazany natao hamahanana voronkely any anatin'ny faritra volomboasary. Nampanao fanombanana teny an-kianja ihany koa ry zareo momba ireo toeram-ponenana fototra any an'ala, tsy hoe fotsiny ho an'ireo boloky zanatany ao St. Vincent, fa koa ho an'ireo karazana zavamaniry sy biby hafa tsy fahita afa-tsy ao an-toerana, ary nandrisika ny vahoaka mba handray anjara amin'io ezaka ataony io amin'ny fandefasana tatitra raha mahita vorona na biby toa mivalaketraka.
Na noheverina ho toy ny “farandro” aza ny fiantraikan'ny fipoahan'ny La Soufrière, nandefa sary iray i @uwiseismic tao amin'ny Twitter, izay nifantoka bebe kokoa tamin'ny fizakàn'ny firenena ny zavamisy:
Photo of the day. A valley on the Leeward side of SVG impacted by the ongoing eruption of La Soufriere. Despite the damage, small green shoots still stand resilient in the face of the volcanic hazards. With time, the area will recover. Photo credit:@VincieRichie pic.twitter.com/B1cA5RaLpx
— UWISeismic Research (@uwiseismic) April 28, 2021
Sarin'ny androany. Lemaka iray ao amin'ny sisin'i Leeward ao SVG nizaka ny fipoahan'ny La Soufriere amin'izao fotoana izao. Na eo aza ny faharavàna, mbola misy tsimoka maitso mijoro hatrany manoloana ny setrasetran'ilay volkano. Miaraka amin'ny fotoana, hiverina ho toy ny taloha ny faritra. Sary an'i @VincieRichie pic.twitter.com/B1cA5RaLpx
Ao anatin'izany koa, ireo kintan'ny fialamboly ao amin'ny faritra, toa an'i Rihanna, izay teratany avy any Barbados; Sean Paul sy Buju Banton, avy any Jamaika ary Nicki Minaj, izay manana razambe avy any Trinidad&Tobago, dia hanao fampisehoana kaonseritra virtoaly amin'ny 23 May ka tanjona amin'izany ny hanangonana ireo vola ilaina ho an'i St. Vincent & Grenadines. Ny Oniversite ao Antilles ihany koa dia nandrindra ezaka fanangonana vola tamin'ny fampiasana ny tenifototra #RallyRoundSVG.
Mandritra izany fotoana rehetra izany, mitohy mivoatra ihany i La Soufrière, ary tohizan'ireo mpahay siansa ny fandraketana ireo fiantraikan'ny fihetsehany—isan'izany ny fipoahana iray tamin'ny 22 Aprily, Andron'ny Tany
#LaSoufriere #stilldangerous puffing away after 3 months & 9 days effusive activity, 13 days explosions and 8 days quiet…sleeping again? @DormantGroup @uwiseismic @soufriere_hills #TeamSRC pic.twitter.com/wThqWobMYp
— richard robertson (@VincieRichie) April 30, 2021
#LaSoufriere #mbolamanetrokamampididozafoana na dia 3 volana & 9 andro aty aorian'ny nihetsehany aza, 13 andro nipoahana ary 8 andro nilamina…niverina natory ve? @DormantGroup @uwiseismic @soufriere_hills #TeamSRC pic.twitter.com/wThqWobMYp
— richard robertson (@VincieRichie) 30 Aprily 2021
Tsy misy mahafantatra izay ho ataon'ny La Soufrière manaraka eo, na olona iray aza—eny fa na dia ireo mpahay momba ny volkano izay nandinika ny fivoarany hatrany alohan'ilay fipoahana tamin'ny 9 Aprily aza— saingy eken'ny rehetra fa #mbola mampididoza izy.