
Sarin'ny volkano Soufriere tany St.Vincent nalefa tao amin'ny kaonty media sosialin'ny Foibem-pikarohana momba ny Horohorontany (UWI Seismic Research Center).
Niseho ny faminanian'ireo manam-pahaizana momba ny horohorontany fa hiafara amin'ny fipoahana ny fivangongoana sy ny fitabataban'ny volokano La Soufrière St. Vincent sy Grenadines.
Tamin'ny 8:52 maraina (GMT-4) tamin'ny 9 aprily, nisioka teny telo monja ny Birao Nasionalin'ny Fitantanana Vonjy Taitra (NEMO) — “Voamarina ny fitrangan'ny fipoahana” – vaovao farany narahan'ny sioka manaraka fotoana fohy taty aoriana:
La Soufriere has moved into an explosive state. Plumes up to eight kilometers. Ash fall expected within five minutes#svgeruption2021#
— NEMO SVG (@NEMOSVG) April 9, 2021
Nifindra ho amin'ny fipoahana i La Soufriere. Miakatra hatramin'ny valo kilometatra ny volony. Andrasana ao anatin'ny dimy minitra ny filatsahan'ny lavenona
Taorian'ny fivoriana maika ny tolakandron'ny 8 aprily, nanomboka namindra olona teo amin'ny 20000 monina akaikin'ny volkano any avaratry ny nosy ny governemanta, manodidina ny 18 isanjaton'ny mponina iray manontolo ao amin'ny firenena izany.
Nanomboka tamin'ny enina maraina tamin'ny 9 aprily, nanamafy ny NEMO fa “mitohy ny fialana amin'ny faritra mena mankany amin'ny faritra azo antoka”. Samy nisy famindran-toerana natao na an-tanety na an-dranomasina, miaraka amin'ireo faritany maromaro, ao anatin'izany i St. Lucia sy Barbados, izay manolotra handray ireo olona afindra toerana.
Nandefa sarina satro-trano nalaina taloha kelin'ny filentehan'ny masoandro izay voasarona hazavana manjelatra mampiahiahy ny Foibem-pikarohana Horohorontany ao amin'ny Oniversiten'ny Les Antilles:
Latest images of the dome taken before sunset from the summit camera by @VincieRichie shows the dome now glowing and the height is now estimated to be above the southern crater wall. Follow us and @NEMOSVG for more info. #volcano #svg #lasoufrière #redalert pic.twitter.com/t498dx6fWr
— UWISeismic Research (@uwiseismic) April 8, 2021
Ny sary faran'ny satro-trano nalaina talohan'ny filentehan'ny masoandro avy eny an-tampony tamin'ny fakan-tsarin'ny @VincieRichie mampiseho ny satro-trano mamiratra ankehitriny ary tombanana ho eo ambonin'ny rindrin'ny hantsana atsimo ankehitriny ny haavony. Araho izahay sy @NEMOSVG raha hijery vaovao fanampiny.
Vao maraimbe, dia nampiseho hetsika bebe kokoa ny sary:
The start of a new day. Long exposure photo taken by volcano seismologist Roderick Stewart at the Belmont Observatory early this morning. You can clearly see the glow from the new dome. @NEMOSVG and the Centre continues to monitor and provide updates. #lasoufrière #volcano #svg pic.twitter.com/8QfwjXlIcZ
— UWISeismic Research (@uwiseismic) April 9, 2021
Ny fanombohan'ny andro vaovao. Sary naseho naharitra nalain'i Roderick Stewart, mpahay momba ny volkano, ao amin'ny Belmont Observatory vao maraina be androany. Afaka mahita mazava ny famirapiratra avy amin'ny satro-trano vaovao ianao. Manohy manara-maso sy manome vaovao ny @NEMOSVG sy ny Foibe.
Latest images from the summit of La Soufriere. The dome can be seen from the wharf at Chateaubelair.
Photo: UWI Seismic Research Centre.#lasoufriere #svg #redalert pic.twitter.com/8SNSNX9Vmf— UWISeismic Research (@uwiseismic) April 9, 2021
Sary farany avy eny amin'ny tampon'ny La Soufriere. Azo jerena avy amin'ny wharf any Chateaubelair ny satro-trano.
Hatreto aloha, voarakitra ny volon-davenona hatrany amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Argyle, izay manodidina ny 19,2 km miala ny volkano.
Mpikirakira haino aman-jery sosialy maro no nizara sary sy lahatsarin'ilay fipoahana no sady niangavy ny hafa mba hiaro tena:
Just released video of La Soufriere St.Vincent. Get to safety NOW ? pic.twitter.com/t1dCVdDjYd
— ?The Wife?? (@SpicyWifee) April 9, 2021
Namoaka sary fotsiny misy ny La Soufriere St.Vincent.. Miarova tena ANKEHITRINY
Did they get everyone out of the Red Zone before La Soufrière erupted a few minutes ago???
This is simply terrifying. ?— Tenille. (@tenilleclarke1) April 9, 2021
Afaka namoaka ny rehetra niala ny faritra mena ve izy ireo talohan'ny nipoahan'i La Soufrière minitra vitsy lasa izay ??? Mampatahotra tsotra izao. ?
Another view from on the ground #LaSoufrière pic.twitter.com/NjWR0lMnj1
— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) April 9, 2021
Fahitana iray hafa avy eny an-toerana #LaSoufrière
Mpikirakira Twitter iray nanamarika fa nitranga telo andro monja talohan'ny tsingerintaona faha-42 nisehoan'ny volkano farany ity fipoahana ity:
My God I need to call my dad! It’s even his birthday today -82 yrs?. My phone has gone mad. Messages. Ppl panicking – La Soufriere has erupted just shy of its 12 April 1979 anniversary when I was a toddler in St Vincent. Have mercy Lord ?? #LaSoufriere ? pic.twitter.com/CXo8dLn7iO
— ?The Wife?? (@SpicyWifee) April 9, 2021
Andriamanitro, mila miantso ny raiko aho! Tsingerintaona nahaterahany androany -82 taona?. Lasa adala ny findaiko. Hafatra. Raiki-tahotra ny vahoaka – Nipoaka ny La Soufriere taloha kelin'ny tsingerin-taonany 12 aprily 1979 fony aho zaza tany St Vincent. Mamindrà fo Tompoko ??
The majesty that is #LaSoufrière is awake in all her terrifying glory. https://t.co/2rnbZg1baM pic.twitter.com/ZBYgS6mHcT
— Heidi Badenock ?? (@heidibadenock) April 9, 2021
Nifoha tamin'ny voninahiny rehetra mampatahotra ny fahalehibiazan'i #LaSoufrière
Na dia nivoaka aza ireo vavaka tao amin'ny media sosialy ho an'ny mponin'i St.Vincent sy Grenadines, niahiahy ny mpiserasera sasany raha mety hiteraka tranga hafa ao amin'ny faritra ny fipoahan'ny La Soufrière, fanontaniana iray napetrak'i @uwiseismic tamin'ity sioka ity:
VT's often impact the area around the volcano. Most are shallow and small in magnitude so the impact is not far reaching. The volcanoes in the EC are not connected, they all have independent magma chambers so an eruption at one is unlikely to trigger another one.
— UWISeismic Research (@uwiseismic) April 9, 2021
Matetika misy fiantraikany amin'ny faritra manodidina ny volkano ny VT. Tsy dia lalina sy kely habe ny ankamaroany ka tsy goavana loatra ny fiantraikany. Ny volkano ao amin'ny EC dia tsy mifandray, samy manana efitrano magma tsy miankina avokoa izy ireo ka mety tsy hitarika iray hafa ny fipoahana ao amin'ny anankiray.
Ny sasany kosa nanandrana naminavina ny lalan'ny famoahana ilay volkano:
If a lateral eruption at La Soufriere would occur I would suspect it would follow this area to the South west instead of going straight south. There's no way to know this right now, however. pic.twitter.com/WOLKYqP1kF
— Bowl Of Cereal (@MikePKtwat) April 9, 2021
Raha misy ny fipoahana avy any La Soufriere, dia manahy aho fa hanaraka an'io faritra io hatrany atsimo andrefana izy fa tsy hianatsimo avy hatrany. Tsy misy fomba hahalalàna an'izany izao, na izany aza.
Mpikaroka volkano iray hafa, Dr. Jazmin Scarlett, izay noderaina tamin'ny fizarana vaovao tsy tapaka tao amin'ny Twitter, nanamarika fa nitondra aingam-panahy ho an'ny lalan'ny asany ny tantara nampisavorovoro tao St.Vincent. Nahafaty Teratany Kariba Mainty hoditra maro izay noroahin'ny governemanta mpanjanatany britanika hipetraka ao amin'ny Sandy Bay eo ambanin'ny aloky ny volokano ny fipoahan'ny La Soufrière tamin'ny taona 1902 :
I don’t care that I don’t have a job in volcanology, this is why I became a volcanologist, to help my family and friends in St. Vincent. I’ve read and listened to what happened to my indigenous and enslaved ancestors. No one or nothing is going to stop me doing what is right.
— Dr Jazmin Scarlett (wear a mask!) (@scarlett_jazmin) April 9, 2021
Tsy raharahako na tsy manana asa amin'ny volkanolojia aza aho, izany no nahatonga ahy ho lasa mpikaroka momba ny volkano, mba hanampy ny fianakaviako sy ny namako any St.Vincent. Namaky sy nihaino ny zava-nitranga tamin'ireo razambeko teratany sy nandevozina aho. Tsy misy na iza na iza na zavatra hanakana ahy hanao izay tsara.
Na dia ankehitriny aza, manana fiaviana indizeny ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ny faritra avaratry ny nosy. Ny fanantenana amin'ity fipoahana farany teo ity dia ny tsy hamerenan'ny tantara azy indray.