Navoaka ny fonja Iraniana tamin'ny fifanoloana voafonja i Kylie Moore-Gilbert, akademika Aostraliana 

Kylie Moore-Gilbert after her release from prison in Iran

Kylie Moore-Gilbert taorian'ny famotsorana azy avy tao amin'ny fonjan'i Iran. Pikantsarin'ny horonantsary tao amin'ny SBS News ny 20 Novambra 2020.

Noraisina tamin-kafaliana sy tamim-pisentoana tao Aostralia sy manerana izao tontolo izao ny famotsorana ilay Akademika Britanika-Aostraliana Kylie Moore-Gilbert taorian'ny 800 andro mahery tany am-ponja Iraniana. Tao anatin'ny fifanakalozana gadra Iraniana miisa telo no nahazoana ny famotsorana azy.

Notanana am-ponja tany Iran nanomboka ny volana Septambra 2018 noho ny fiheverana azy ho mpitsikilo i Dr. Moore-Gilbert. Nandeha ny tatitra fa notanana i Moore-Gilbert ary nomelohina ho nanao fitsikilovana ho an'i Israely rehefa fantatr'i Iran ny fifandraisany tamin'ny teratany Israeliana iray.

Nizara ny hafalian'izy ireo tamin'ny vaovao momba ny famotsorana azy ny Oniversiten'i Melbourne, toerana naha-akademika an'i Moore-Gilbert:

Faly sy tony izahay fa navotsotra avy tany am-ponja tao Iran i Dr Kylie Moore-Gilbert. Nilaza ny sojabe lefitra Profesora Duncan Maskell fa any amin'ny toerana azo antoka, salama ary matanja-tsaina tsara i Dr Moore-Gilbert, ary ny fahasalamany sy ny mahasoa azy no laharam-pahamehana voalohany ho an'ny oniversite.

Nisioka ihany koa ny vondrona namany mpanohana azy sady mpiara-miasa aminy:

Tena faly tokoa izahay fa handeha hamonjy fodiana ilay namanay mahatalanjona sady mpiara-miasa aminay Dr Kylie Moore-Gilbert taorian'ny 804 andro nigadrana tany Iran. Afaka ihany ilay vehivavy tsy manan-tsiny. Andro miavaka tokoa androany any Aostralia! 1/

Nitatitra ny raharaha momba azy ny Global Voices tamin'ny volana Aogositra 2020: Mbola mijanona ho ‘takalon'aina politika’ any am-ponjan'i Qarchak, Iran i Kylie Moore-Gilbert, akademika any Melbourne [mg]

Nisy ahiahy betsaka momba ny fahasalaman'i Moore-Gilbert indray mandeha tany Aostralia. Nizara ny heviny i Jason Rezaian, izay nandany 544 andro nigadra tany Iran:

Faly be aho mahita fa afaka ihany i Dr. Kylie Moore Gilbert rehefa nataon'ny fitondrana any Iran takalon'aina 2 taona mahery. Na dia faly aza aho dia tsapako ihany koa ny fikorontanan-tsaina sy ny hakiviana eo amin'ny endriny. Mirary fahasalamana, fahasitranana, fiainana milamina ary faharetana ho azy aho.

Anisan'ireo nangataka ny hampitsaharana ny antsoina hoe diplaomasian'ny takalon'aina ihany koa izy:

Tonga ny fotoana ho an'ireo mpiara-dia demaokratika – ireo tompon'andraikitra governemanta rehetra – hiarahana miasa hamaranana amin'izay fanohanan'ny fanjakana ara-bola ny fanaovana takalon'aina, hatomboka amin'i Iran, izay efa fantatra hatry ny ela ho mpanao heloka bevava eran-tany amin'ity fomba fanao barabariana ity.

Nitaky ny fampiasana diplaomasia mangina ny praiminisitra Aostraliana Scott Morrison, rehefa niarahaba ny famotsorana azy, izay notsikerain'ny sasany tamin'ny namany sy ny mpiara-miasa aminy. Tsy nety nilaza ny heviny momba ny fifampiraharahana hafa na ny fandraisan'ny governemanta anjara izy. Nanambara izy fa tsy misy gadra any Aostralia tokony hatakalo.

Voalaza fa telo lahy voaheloka ireo gadra Iraniana nosoloina olona ary notanana any Thailandy noho ny fiampangana mifandraika amin'ny fikasana hamono ireo diplomaty Israeliana. Mampanahy mafy ny mety hisian'ny fanomezana valisoa ho an'ny diplaomasian'ny takalon'aina sy ny fanaovana fifampiraharahana mifandraika amin'ny fampihorohoroana:

Andiam-panehoan-kevitra. Na dia faly aza isika rehetra fa votsotra i Kylie Moore-Gilbert dia tsy tokony hisy ny fiheveran-diso: vao nahazo valisoa i Iran tamin'ny fakana takalon'aina, ary mbola niaraka tamin'ny famotsorana voaporofo fa mpamono olona ihany koa, indrindra fa i Masoud Sedaghat Zadeh ao amin'ny IRGC, tompon'andraikitra tamin'ny fampihorohoroana ny Jiosy tamin'ny taona 2012

Nahatonga fanontaniana ihany koa ny andraikitry ny governemanta Israeliana:

Moa ve ny Governemanta Aostraliana nifanakalo hevitra momba ny fanoloana gadra niaraka tamin'i Israely, araka ireo Iraniana miisa telo navotsotra ho takalon'ny fahafahan'i Kylie Moore-Gilbert izay nogadraina noho ny tetika hamonoana ireo diplaomaty Israeliana? Minisitry ny Raharaham-bahiny @MarisePayne: “Tsy hanome hevitra momba ny adihevitra diplomatika aho”

Aostralianina maro no nametraka olana hafa momba ny zon'olombelona, ​​izay heverin'izy ireo fa tokony hovahan'ny governemantan'i Scott Morrison. Delia Quigley dia iray tamin'ireo tao amin'ny tambajotra sosialy nampahatsiahy ny governemanta Aostraliana ny fitondrany ireo mitady fialokalofana, indrindra ny fampiasana fitazomana am-ponja maharitra:

Tsy misy isalasalana fa nahafinaritra ny nahafahan'i Dr Kylie Moore-Gilbert tamin'ny fanagadrana tsy ara-drariny tao Iran.

Toa fihatsarambelatsihy ihany izany rehetra izany satria mankalaza izany ny governemantantsika kanefa mitazona am-ponja ireo izay nitady fialokalofana ara-dalàna avy any amin'ny toerana toa an'i Iran ry zareo ?

Nampifandray ireo tranga roa ireo i Karyn H, mpanentana ny famotsorana ny Aostraliana iray hafa, Julian Assange. Niantso ny minisitry ny raharaham-bahiny Aostraliana, Marise Payne, izy mba hiditra an-tsehatra:

Faly aho naheno ny famotsorana an'i Kylie Moore-Gilbert. Manantena ihany koa aho fa havotsotra ny teratany Aostraliana Julian Assange. Tena manome aingam-panahy ny herim-pony sy ny fikirizany. Antenaina fa hiasa mafy toy izany koa ianao amin'ny famotsorana an'i Julian.

Nisaotra ny governemanta Aostraliana ary nidera ny vahoaka Iraniana tao anatin'ny fanambarana nataony taorian'ny famotsorana azy i Moore-Gilbert:

I have nothing but respect, love and admiration for the great nation of Iran and its warm-hearted, generous and brave people. It is with bittersweet feelings that I depart your country, despite the injustices which I have been subjected to. I came to Iran as a friend and with friendly intentions, and depart Iran with those sentiments not only still intact, but strengthened.

Tsy manana afa-tsy fanajana, fitiavana ary fiderana aho atolotro ny firenena lehibe ao Iran sy ireo vahoaka sariaka sy malala-tanana ary be herimpo. Tsapako fa sady mamy no mangidy ny handaozako ny firenenareo, na eo aza ny tsy rariny nampisedraina ahy. Tonga tany Iran toy ny namana sy nanana finiavana hinamana aho, ary ny fihetseham-po toy izany ihany koa no handaozako an'i Iran, tsy vitan'ny hoe tsy nipika ihany, fa natanjaka kokoa.

Natoka-monina noho ny COVID-19 izy amin'izao fotoana izao any amin'ny toerana tsy nampahafantarina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.