Pakistàna: Sazy henjana kokoa ho an'ny fanolanana, isan'izany ny famosirana amin'ny fomba simika

Vehivavy Pakistaney mihira ny “Aur Woh Rapist Ho Tum” (“Ianao no mpanolana”). Pikantsary an'i Aurat March avy ao amin'ny Youtube.
Ny 24 Novambra teo, neken‘ny governemanta Pakistaney ny foto-pitsipika amin'ireo lalàna henjana kokoa hanasaziana ny herisetra ara-nofo, ka tafiditra ao anatin'izany ny famosirana amin'ny fomba simika atao an'ireo mpamerin-keloka.
Nankatoavin'ny Kabinetra Federaly ireo lalàna, antsoina hoe Didim-panjakana Manohitra ny Fanolanana (Fanadihadiana sy Fitsaràna) ary ny Didim-panjakana 2020 (Fanitsiana ny) Lalàna Famaizana, ary miandry ny fanaovantsonian'ny filoha Arif Alvi.
Manana fahefana midadasika be sy mahasahana endrika maro amin'ny resaka heloka bevava io fehezana didim-panjakana io, isan'izany ny anjara toeran'ny vehivavy amin'ny fandrafetana pôlitika, fepetra ikendrena ny hijerena malaky ny raharaha mahakasika fanolanana, ny fiarovana ireo niharam-pahavoazana sy ny vavolombelona, ary ny fananganana angondrakitra nasiônaly misy ny anaran'ireo mpanao herisetra ara-nofo.
Teboka iray mivoitra ao ny fanitarana ny famaritana araka ny lalàna ny atao hoe fanolanana. Amin'izao fotoana izao, ny lalàna famaizana ao Pakistana dia mamaritra ny fanolanana ho toy ny “fanaovana firaisana ara-nofo amin-jazavavy latsaky ny 15 taona, nisy ny fanekeny na tsia.” Ilay fanitsiana natao dia hanitatra ny famaritana ho amin'ny vehivavy anatin'ny sokajin-taona rehetra sy ny lehilahy latsaky ny 18 taona, ary hampiditra ao anatiny ireo fanondroana toy ny “fanolanana faobe”, ny “nanova fananahana”.
Ny fitiliana amin'ny alàlan'ny rantsan-tànana roa, niasa be tao Pakistana rehefa manao fitiliana ny mpitsabo mpiaramiasa amin'ny fitsaràna mba hamaritana hoe nisy sa tsia ny fanolanana, dia horaràna ihany koa ao anatin'ireo lalàna vaovao.
Taona telo nanaovana hetsipanoherana ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy vao tonga amin'izao fanovàna lalàna izao, hetsika natosik'ireo tranga fanolanana faran'izay noresahana indrindra an-gazety toy ilay fanolanana sy famonoana zazavavy fito taona tany akaikin'i Lahore tamin'ny 2018, na ilay fanolanana renimpianakaviana niteraka roa tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity rehefa sendra olana teny an-dàlambe migodana ny fiarany.
VAKIO BEBE KOKOA: Mitaky Ny Rariny Ho An'i Zainab, Ankizivavy 7 Taona Voaolana sy Novoina ho Faty Tao Kasur ny Pakistaney
VAKIO BEBE KOKOA (amin'ny teny anglisy): In Pakistan, women stage nationwide protest in response to shocking rape incident
Ny sazy faratampony famonoana amin'ny alàlan'ny fanantonana no sazy hofaritan'ireo lalàna vaovao, na fampidirana am-ponja henjana ho an'ireo izay voaheloka ho nanolana, fa ny teboka mbola miteraka resabe ao anatiny dia ny fampidirana ny famosirana amin'ny fomba simika an'ireo mpanao herisetra ara-nofo, izay tsy hotanterahana raha tsy efa nahazoana ny faneken'ilay nanao ny heloka.
Betsaka ny fanehoankevitra mifamahofaho ao Pakistàna momba izay teboka farany izay.
Ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny vehivavy sy ny ankizy, hatramin'ireo mpitarika fivavahana, dia samy nanakiana ny fampidirana ilay famosirana amin'ny fomba simika. Nabila Feroz Bhatti, mpanatanteraka ao amin'ny Hetsik'i Punjab ho an'ny Zon'ny Ankizy, nilaza tamin'ny “Union of Catholic Asian News” hoe:
Tsy maintsy alohan'ny fampiharana ny sazy ny fanamelohana. Ilaintsika ny manamafy ny rafitra toy ny fanadihadian'ny pôlisy, ny dingana medikaly sy ara-pitsaràna. Ny fanamelohana no olantsika fa tsy ny fanasaziana. Raha kely indrindra, 97 isanjaton'ireo voampanga ho nanolana teto amin'ny firenena no tsy voaheloka mihitsy noho ny tsy fetezana nisy tao anatin'ny rafitra.
Maheen Agha, mpampiasa Twitter, nilaza fa ekeny hoy toy ny famaizana ireo mpanolana ny famosirana amin'ny fomba simika:
The punishment of chemical castration of rapists has been approved by the federal cabinet of Pakistan and prime minister. This is a huge achievement. Fingers crossed for its implementation. #ChemicalCastrationOfRapists #imrankhanPTI
— Maheen Agha (@Lady_Says11) November 24, 2020
Neken'ny praiminisitra sy ny kabinetra federaly ny sazy famosirana amin'ny fomba simika. Fandresena goavana io. Samia mivavaka ho an'ny fampiharana azy. #ChemicalCastrationOfRapists #imrankhanPTI— Maheen Agha (@Lady_Says11) 24 Novambra 2020
Lasa saina i Zarrar Khuhro, mpanao gazety:
Chemical castration is an ongoing debate globally and is indeed practiced in some countries and US states. No one is saying its a silver bullet and ofc you need holistic measures here. However I think this ordinance (i'd like to see it enacted by parliament) is good overall. https://t.co/RrmKLZ44lR
— Zarrar Khuhro (@ZarrarKhuhro) November 25, 2020
Resabe mbola mandeha erantany ny famosirana amin'ny fomba simika ary tena ampiharina tokoa any amin'ny firenena sasantsasany ao Etazonia. Tsy misy olona milaza fa io no ilay vahaolana mahagaga ary mazàna dia ilainao eto ny mandray fepetra hatrany ifotony. Kanefa, heveriko fa tsara amin'ny ankapobeny io didim-panjakana io (tiako ny hahita azy hahazo ny fankatoavan'ny antenimiera). https://t.co/RrmKLZ44lR
— Zarrar Khuhro (@ZarrarKhuhro) 25 Novambra 2020
Reema Omer, mpanolotsaina amin'ny raharaham-pitsarana ho an'ny Kaomisiôna Iraisampirenen'ireo Mpahay Lalàna, dia mandà ny fampiasàna ity kazarana sazy fananarana ity. Hoy izy nibitsika:
Very unfortunate Govt. is moving ahead with “punishing” repeat sex offenders with chemical castration
In addition to rights concerns, shows complete lack of understanding of what chemical castration entails and reduces rape – primarily a crime of power – to a crime of lust https://t.co/xczSoneSUy
— Reema Omer (@reema_omer) November 24, 2020
Tena mampalahelo, nirosoan'ny Gov ny “fanasaziana” amin'ny famosirana amin'ny fomba simika ireo mpamerinkeloka amin'ny fanolanana
Ankoatry ny olana momba ny zo, dia mampiseho ny tsy fahampian'ny fahatakarana ny ateraky ny famosirana amin'ny fomba simika ary mampietry ny fanolànana – voalohany indrindra dia heloky ny fahefana – ho heloky ny faniriana tafahoatra https://t.co/xczSoneSUy
— Reema Omer (@reema_omer) 24 Novambra 2020
Tao anaty matoandahatsoratry ny gazety Pakistaney iray “The Nation“, ilay injeniera Rabia Aslam koa dia naneho ahiahy momba ny famosirana amin'ny fomba simika:
Noho ny feritraina sy resaka hôrmôna tsy milamina ao anatiny dia antsoina hoe mpanolana ny olona iray nanao herisetra ara-nofo. Raha mandalo amin'ny famosirana amin'ny fomba simika izy, mety hankahala vehivavy, bebe kokoa aza, amin'ny fiheverana hoe ny resaka maha-lahy sy vavy no antony nahazoany henatra. Farany, mety ho tonga hatramin'ny famonoana vehivavy mihitsy ilay mpanolana. Mety atao maodely ny fifandimbiasana araka ny fotoana nisehoan'ny fiovan'ny mpanolana iray ho lasa mpamono.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...