Fandanjalanjan'ny mpisera Facebook Amerikanina Latinina ny fifidianana tao Etazonia tamin'ny alalan'ny sary-sy-soratra

“Ary ny rindrina?”. Meme nozaraina betsaka tao Goatemalà ho fanehoan-kevitra amin'ny voka-pifidianana filoham-pirenena Etazonia 2020.

Tamin'ny 7 novambra, resin'i Joe Biden i Donald Trump tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenen'i Etazonia 2020. Mailaka ny seha-baovao nitatitra ireo setriny avy amin'ny mpitarika ao Amerika Latinina, saingy ahoana moa izany ny niresahana ny fandresen'i Biden tamin'ny fifidianana (sy ny faharesen'i Trump) tao amin'ny Facebook?

Manome vokatra tsy mbola fahita ny karoka tsotra tao amin'ny Crowdtangle, fitaovana iray fanaraha-maso ao amin'ny Facebook. Nanapongatra ireo sary nozaraina isa-pirenena betsaka indrindra tao amin'ny Facebook ny karoka nampiasàna ny voambolana “elecciones” (fifidianana) nanomboka ny 7 Novambra ka hatramin'ny 9 Novambra.

Na dia tsy maneho ankapobeny ny fihetseham-pom-bahoaka feno aza io fomba fiasa io dia manome tsipalotra ireo fomba fitantarana politika, fampihomehezana ary fanehoan-kevitra.

Tamin'ny 7 Novambra, ny sary-sy-soratra be mpizara indrindra tao Goatemalà dia manondro ny fanorenana ny rindrina manasaraka an'i Etazonia amin'i Meksika natsangan'ny fitantanana Trump. Goatemalteka an'aliny isa-taona no niezaka hifindramonina noho ny fahavitsian'ny asa sy sakafo amin'ny faritra sasany ao Goatemalà. Nisy ireo zaza Goatemalteka maty tao amin'ny toeram-pihazonana fifindramonina tao Etazonia tamin'ny taona 2019.

?

Posted by Memezer on Saturday, November 7, 2020

*Resy tamin'ny fifidianana i Trump.
Isika: ary ny rindrina?

Ny sary-sy-soratra Venezoelana be mpizara indrindra manohana ny fijery fa ahiana ho lasa “sosialista” i Etazonia, amin'izao Biden mahazo ny faratampony izao. Maro amin'ireo Venezoelanina Amerikanina mpifidy no nanohana an'i Trump ho fanantenana fa izany no hanery kokoa ny governemantan'i Nicolas Maduro izay voampanga ho mampihatra ny tsirefesimandidy sy ny heloka bevava amin'ny zanak'olombelona.

Ny sary-sy-soratra eto ambany mampiseho alika iray izay aleony mifindra mankany Norvezy toy izay mifindra mankany Etazonia.

A propósito de los resultados de las elecciones…

Posted by Valeranísimo on Saturday, November 7, 2020

Momba ny voka-pifidianana…
“Veloma ry nofinofy Amerikanina
Itodiana manaraka: Norvezy”

Paositra be mpizara indrindra avy ao Meksika ny sary-sy-soratra izay maneho ny fangidiam-bava amin'ny tsingerim-baovao mifantoka voalohany indrindra amin'ny fifidianana ao Etazonia. Amin'ny faritra maro ao Amerika Latinina, ny “gringo” dia midika olom-pirenen'i Etazonia na vahiny tsy miteny espaniola.

YA BASTA

Posted by Filosóraptor on Saturday, November 7, 2020

Mifoha aho isan'andro
Fa mbola ny fifidianan-dry gringos hatrany!

Ny paositra be mpizara indrindra avy ao Arzantina dia sariitatra iray avy amin'ny mpanao tantara an-tsary Cristian Dzwonik (“Nik”) sy ny mpamorona an'i Gaturro.

Elecciones 2020

Posted by Gaturro on Sunday, November 8, 2020

Fifidianana 2020
“Nandresy i Joe Biden…
Ary fizorana mankany amin'ny fanekena i Trump…”

Any Colombia, zarain'ny mpisera Facebook ny paositra maneso tena mandravaka ny fanarahan'ny vahoaka manerana izao tontolo izao akaiky ny fifidianana ao Etazonia sy ny sento tamin'ny fandresen'i Biden — sy ny faharesen'i Trump.

— Breathin.

Posted by Infinity ∞ on Saturday, November 7, 2020

 Izaho mankalaza ny fandresen'i Biden avy aty amin'ny firenen'ny tontolo fahatelo #Elections

Ny sary-sy-soratra momba ny fifidianana ao Etazonia malaza indrindra ao Però dia ny sehatra iray avy amin'ny filman'i Quentin Tarantino “Once upon a Time in Hollywood” [Indray andro, hono, tao Hollywood]. Nompain'i Trump ho mpanoloana ny Meksikanina nandritra ny fanentanam-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2016, nofelahany mafy ny fifanakalozam-barotra nifanaovana tamin'i Meksika ary notohizany ny fananganana rindrina manelanelana ny firenena roa tonta. Ao amin'ny sary-sy-soratra, niangavian'i Melania Trump ny vadiny hisolomaso aromasoandro ary tsy hampiseho ny ranomasony amin'ny Meksikanina.

Sos grande Trump.-El Poli

Posted by Cinexceso on Saturday, November 7, 2020

Mahafinaritra ianao, Trump.

“Melania mampionona an'i Trump taorian'ny fahareseny”

“Apetaho ity.
Aza mitomany eo anoloan'ny Meksikanina”

Ao Paragoay, sary-sy-soratra iray malaza mampiseho mpivarotra sakafo an-dalana iray antsoina hoe Don Uptaciano Melgarejo izay nalaza tamin'ny aterineto rehefa nanome anarana ny fitadiavam-bolany hotdog sy choripan (sandwich chorizo) ho “Donald Trump” noho ny fitovitoviany amin'ny Filohan'i Etazonia. Niroborobo ny fitadiavam-bolan'i Melgarejo.

Donald Trump ya por Paraguay al perder las elecciones presidenciales en Estados Unidos ??

Posted by Conozca el Paraguay on Saturday, November 7, 2020

Efa any Paragoay sahady i Donald Trump rehefa resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tao Etazonia ??

Ny sary-sy-soratra be mpizara indrindra avy ao Shily dia fanehoan-kevitra ara-politika iray nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny taona 2019 izay nipoaka tao Shily manoloana ny hantsana sy ny fanolorana ho an'ny tsi-miankina ny toekarena. Nahazo famoretana henjana avy amin'ny fitondram-pitantanan'i Sebastian Piñera izany hetsi-panoherana izany.

Ny sary-sy-soratra dia mampiseho ny sarin'ny sioka fiarahabana avy amin'i Piñera ho an'i Biden ary narahana valiny (namboarina) avy amin'i Biden. Milaza ilay valiny natao photoshop avy amin'i Biden fa tsy miteny “perkin” izy izay tenin-jatovo shiliana manondro ny “saribakoly” na olona iray tsy manam-pahefana [ambany fahefana=mena ambanin'ny mena].

Ahora si

Posted by Oposicion a Piñera on Saturday, November 7, 2020

Miresaka isika izao

Sebastian Piñera: Arahabaina @JoeBiden, Filohan'i Etazonia manaraka sy i @KamalaHarris, noho ny fandresenareo tamin'ny fifidianana. Manana soatoavina iombonana i Shily sy i Etazonia toy ny fahafahana, fiarovana ny zon'olombelona ary tahaka izany ihany koa ny fanamby toy ny fiarovana ny fandriampahalemana sy ny tontolo iainana.

Joe Biden: Azafady, tsy miteny perkin aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.