Tantara tamin'ny 30 Jona 2020
Ampiarahana amin'ny fanakatonana gazety ny ady amin'ny COVID-19 ao Afovoany-Atsinanana
Ho ampahany amin'ireo fepetra hiadiana amin'ny COVID-19, i Jordania, i Oman, i Maraoka, ary i Emirà Arabo mitambatra sy i Yémen dia samy nandràra avokoa ny gazety an-tsoratra mandra-pisian'ny toromarika vaovao indray.
Fanongotana sarivongana (tsangambato) : Frantsa miatrika ny lasany momba ny fanjanahana sy ny fanandevozany
Tena ao anatin'ny fanetsehana erantany manohitra ny fanavakavahana, mizarazara ny hevitra ao Frantsa momba izay hiafaran'ireo sarivongana mampiseho endrika mifandray ara-tantara amin'ny fanandevozana sy ny fanjanahantany.
Tranonkala sôsialy shinoa miampanga ny Fetiben'ny fihinanana hena alika ao Yulin
Niteraka fampiakarampeo mafy tety anaty tambajotra, tonga hatramin'ny fanaovana antso hanaovana ankivy ilay hetsika, ny fetibe fanao isantaona atokana ho an'ny hena alika ao Yulina, faritanin'i Guangxi, atsimo-andrefan'i Shina
India : Sakafo Indiàna tsara voatra atolotr'ireo sefo ao amin'ny Youtube
Noho ny fizaràna ny fomba fahandrony amin'ny fomba hita maso sy atao antsipirihany, mitombo be ao amin'ny Youtube ny lazan'ireo sefo indiàna mpahandro ao India sy any an-toerana hafa.
Fanontaniana & Valiny: Fantaro i Walis Taywang, mpikatroka ho an'ny fiteny Seediq
Fantaro misimisy kokoa i Walis Taywang. Izy no hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ny 01-07 Jolay 2020 ary hiresaka momba ny asa ataony ho an'ny fiteny Seediq ampiasina ao Taiwan