MLI – Loharanom-pampianarana ny fahaizana mamaky media sy vaovao amin'ny fiteny indizeny ho an'ny faritra Gran Chaco ao Bôlivia
Ny fanaovana ny MLI - media and information literacy (fahaizana mamaky media sy vaovao) ho azon'ireo vondrona isankarazany raisina dia mety hidika fanazàrana azy ireny ho zatra an'ireo endrika media maro rantsana na fandraisana ho anaty kajikajy ireo fitiavana manokana momba ny fiteny ho an'ny fanapariahana ny vaovao – na izy roa. Nosafidian'ny Rising Voices ny haka azy roa mitambatra mba hanatonana ireo vahoaka indizeny izay mazàna no atao anjorom-bala eo amin'ny sehatry ny fahaizana mamaky media sy vaovao.
Isapi Rúa, mpandray anjara ato amin'ny Rising Voices, guaraní mpampita vaovao mipetraka ao Camiri, Santa Cruz, Bôlivia, no naka andraikitra hampivoatra sy hamokatra rakipeo fohy natao hozaraina amin'ny alàlan'ireo fampiasa fampitàna hafatra, na zaraina amin'ireo onjampeon'ny vondrom-piarahamonina, amin'ny endrika filazana ho an'ny daholobe.
Niainga avy amin'ny tamberina azo nandritra ireo atrikasa tamin'ny 2022 niarahana tamin'ireo indizeny mpampita vaovao, mba hamoronana rakipeo telo dia noraisin'i Isapi ireo fotokevitra sy fifanakalozana momba ireo fitantaràna mahakasika ny fiovaovàn'ny toetrandro any amin'ny faritra Gran Chaco ao Bôlivia sy ny toetoetry ny tontolon'ny media ao an-toerana, ivelany sy ety anaty tambajotra. Azo henoina amin'ny fiteny espaniôla izy ireny, ary koa amin'ireo fiteny indizeny Guaraní sy Weenhayek, izay samy hita ao amin'ilay faritra.
Ireo rakipeo ireo dia novokarina ho ampahany amin'ny tetikasa Voices for Just Climate Action (Feo hisian'ny Hetsika ara-dRariny ho an'ny Toetrandro) miaraka amin'ny fanohanan'ny Orina Avina.
Rakipeo #1 Inona no atao hoe fitantaràna? Ary nahoana izy ireny no zavadehibe ho an'ny faritra Gran Chaco?
Rakipeo #2 Ny maha-zavadehibe ireo fomba fanehoana isankarazany eny anaty media
Rakipeo #3 Ireo fanontaniana apetraka mba hisian'ny fitsikerana misimisy kokoa ny media manoloana ny fiovaovàn'ny toetrandro
Ireo rakipeo ireo dia azo raisina ary nampiasàna ny lisansa Attribution 3.0 Unported (CC BY 3.0) Creative Commons, ary natao ho aparitaka araka izay tratra.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra