Na eo aza ny fepetra tsy maintsy arahana noho ny COVID-19, nihetsika tao Madrid ihany ireo mpanohana ny farany havanana ao Espaina

Famoriambahoaka nokarakarain'ny VOX tamin'ny 03.06.2018. Sary nomen'ny: Vox España/Flickr, Sehatra ho an'ny daholobe.
Raha manalefaka tsikelikely ireo fepetra noraisiny noho ny fisian'ny coronavirus i Espaina, fiara 6000 no niantsona tao afovoan-tanànan'i Madrid nitaky ny fametraham-pialàn'ny filoha Pedro Sánchez sy ireo minisitra miaraka aminy.
Tamin'ny fikiahana ny teny faneva toy ny hoe “fahalalahana”, “fametraham-pialàna”, sy “Sanchez, miala izao dieny izao”, no sady nilanja ny sainam-pirenena Espaniôla ary saron-tava, nivoaka nanohitra ny fandraisana an-tànana ataon'ny governemanta manoloana ilay valanaretina ireo mpanao hetsipanoherana. Notakian-dry zareo ny hiverenana amin'ny fahalalahan'ny tsirairay sy ny fanokafana indray ny toekarena mba hisorohana ny fidinan'i Espaina ho lasa “Firenena Tsy Mandroso”.
Ilay hetsipanoherana, izay ny VOX antoko avy amin'ny elatra farany havanana no niantso azy, dia natao niaraka tamin'ireo olompirenena nampiasa ny fiarany mba hiantohana ilay fepetra elanelana ara-tsosialy tsy maintsy hajaina mandritra ilay valanaretina. Na dia efa izany aza no natao, marobe ireo tsy nanaja ireny fepetra ireny niala tao anatin'ny fiarany.
Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, ny 10 Novambra 2019, nahazo toerana 52 ny VOX ary lasa ho ny hery fahatelo lehibe indrindra ao amin'ny Parlemanta Espaniôla. Mitombo be ilay antoko ary ampangaina ho mampiasa kabary fandresena lahatra nasiônalista, mpanavakavaka ary mpanilika vehivavy mba hanosehana ny hafatra pôlitika tiany hiampita. Hita ao anatin'ny sasany amin'ireo fepetra narafiny tao anatin'ilay hafatra nataony ho an'ny fifidianana tamin'ny 2019 ny hanenjehana ireo antoko pôlitika izay “manohy manimba ny maha-iray tsy mivaky ny faritry ny firenena”, ny fandroahana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ary fanilihana azy ireny tsy ho anatin'ny fiahiana ara-pahasalamàna eo amin'ny firenena, fanakatonana maoske, fanafoanana ny lalàna momba ny herisetra natao noho ny maha-lahy na maha-vavy, fandraràna ny fanalànjaza, ary fananganana Ministera iray hisahana ny Fianakaviana mba ho fiarovana ny “ankohonana voajanahary”.
Namakivaky ireo faritra tao afovoan-tanànan'i Madrid ireo mpanao hetsipanoherana, faritra onenan'ireo mpanefoefo mpomba ny VOX. Tao Plaza de Colón, nisy fiarabe tsy mitafo napetraka, ka teo no tazana ireo mpitarika ny VOX, isan'izany ilay mpitarika ny antoko Santiago Abascal.
MANIFESTACIÓN, AUTOBÚS de VOX. VIVA ESPAÑA. pic.twitter.com/ULafL1TcM1
— 🇪🇦Jorge🇪🇦 (@007_Bonnk) May 23, 2020
Fihetsiketsehana. fiara fitaterana VOX. Ho ela velona i Espaina
Nohalefahana tamin'ny 11 May ireo fepetra tao amin'ilay tanàna izay isan'ny voadona mafy indrindra ary afaka niverina nanokatra tamin'ny ampahany ireo fandraharahàna madinika, teo ambany fanarahana antsakany sy andavany ny fepetra fiarovana. Kanefa, mbola mandeha miadankadana eo ny fisokafan'ilay tanàna. Niteraka resabe ilay fihetsiketsehana nataon'ny VOX noho ny loza mitatao entin'ny hamaroan'ny vahoaka, ny fahalotoana aterak'ireo fiara an'arivony, ny rivo-piainana toa mivolon'andro fety, ary ireo antson‘i Abascal ho an'ireo Espaniôla rehetra mba “hirotsaka an'arabe” mandritra izao fotoana isian'ny valanaretina izao. Nisy ihany koa fihenjanana rehefa injay nikasi-tànana ny mpanao gazety iray avy amin'ny La Razón ireo mpanao fihetsiketsehana, ary nilàny sotasota ireo mpanao gazety hafa avy amn'ny RTVE.
"Maricones, comunistas"
Esto es lo que ha tenido que soportar este periodista de @rtve. No hace tanto veíamos imágenes parecidas con otras banderas y nos llevábamos las manos a la cabeza.
Quién reclama libertad y no la ejerce sólo quiere imponer su modelo de sociedad. pic.twitter.com/r988J8XADm
— David Holguín (@DSHolguin) May 23, 2020
” Pelaka, Kaominista.”
Io no niaretan'io mpanao gazety avy amin'ny @rtve io. Tsy ela akory izay, nahita isika sary mitovitovy amin'izany nampiarahana tamina saina maro hafa ary teny an-tampon'ny lohantsika ny tànantsika.
Ireo mitaky fahalalahana no sady tsy mampihatra azy io akory no mitady hanery ny fametrahana lasitra fiarahamonina avy amin-dry zareo
Misoratra ao anatin'ny lalàm-panorenana ny zo ho afaka manao fihetsiketsehana, saingy noho ny toedraharaha manokana iainan'izao tontolo izao dia tonga ny resabe sy adihevitra. Tamin'ny fotoana nanoratana, nànana tranga 287.740 voamarina i Espaina, ka 27.133 no matin'ny COVID-19.
Io fitanjozorana fiara io no teboka farany ambony tamin'ny resaka fihetsiketsehana fanoherana ny fitondràna nanomboka tamin'ny 14 May tao Salamanca mpifanolo bodirindriny aminy, izay ny 70% amin'ireo mponina ao no nifidy ho an'ny elatra havanana sy ireo antoko mpifikitra amin'ny nentin-drazana nandritra fifidianana solombavambahoaka farany teo. Nanomboka teo, isanandro rehefa amin'ny 9 ora alina, marobe ireo olompirenena no midina an'arabe na eny an-davarangan-dry zareo mively kaserôly sy lapoaly, mitaky ny fialàn'ny lehiben'ny governemanta — mahatonga ny fihenjanana politika efa henjana sahady ho vao mainka hiharatsy.
Hatramin'ny nanaovan'i Pedro Sánchez fianianana amin'ny maha-filoha azy, tamin'ny 7 Janoary 2020, nanomboka nanangana governemanta iaraha-mitantana izy, iarahany amin'ny antoko ankavia Unidas Podemos. Setriny, nanomboka nanamafy ny kabariny manohitra ny governemanta ny antoko avy amin'ny hery ankavanana espaniôla. Ety anaty tambajotra sôsialy, antsoin'ny farany havanana ho “mpanongana fanjakana“, “tsy mamim-bahoaka”, ary “jiolahimboto” mihitsy aza ny governemanta sy ireo mpikambana ao anatiny.
Inona no atao hoe VOX?
Teraka tany amin'ny faran'ny taona 2013 ny antoko farany havanana VOX, saingy tany amin'ny faran'ny 2018 vao nahatafiditra solontena 12 tao amin'ny Parlemanta Andalous , sambany teo amin'ny tantarany. Nandritra ireo fifidianana solombavambahoaka vaovao sy farany natao tamin'ny 10 Novambra 2019, [esp] nahatafiditra solombavambahoaka niisa 52 ny VOX ary nijanona ho ny hery fahatelo ao anatin'ny Parlemanta espaniôla.
Tao anatin'ny hafatra nasiônalista, mpanavakavaka ary tsy manome haja ny vehivavy no nivelaran'ilay antoko. Isan'ireo fepetra sasany noraisina tao anatin'ny fandaharanasany nandritra ny fampielezankevitra tamin'ny fifidianana natao ny 2019 ny fanaovana ho tsy ara-dalàna ireo antoko pôlitika izay “manohy manimba ny tany maha-iray tsy mivaky ny Firenena”, ny fandroahana ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna, ny fialàn-dry zareo tsy ho ao anatin'ny rafitra nasiônaly misahana ny fahasalamàna, ny fanakatonana maoske, ny fanafoanana ny lalàna momba ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na vavy, ny fandraràna ny fanalàna zaza na ny fananganana ministera iray hisahana ny fianakaviana mba hiarovana “ny ankohonana voajanahary”. Fanampin'ny iray tamin'ireny fepetra ireny ireo tena vao haingana indrindra sy tena naha-be resaka, ilay lazaina fa “paingotry ny ray aman-dreny” [esp]. Ny tanjony tamin'io tolodalàna io dia ny hanaovan'ireo ray aman-dreny sonia fanomezandàlana iray hahafahan'ireo ankizy handray anjara amina hetsika na kaonferansa karakaraina any an-tsekoly, handraràna azy ireo araka izany tsy hanaraka fiofanana momba ny fahasalamàna ara-pananahana na ny fahasamihafàna.
Ao amin'ny Twitter
Marobe ny olona ao amin'ny Twitter no maneho hevitra manohitra ny fihetsiketsehana nataon'ny VOX, indrindra fa nokianin-dry zareo ny nampiasàn'ny antoko avy amin'ny hery ankavanana ny sainampirenena espaniôla, izay nofaritan'ny maro ho toy ny fakàna tsy ara-dalàna ny maripamantarana ny firenena ho amin'ny tombontsoan'antoko, toy izay nitranga rahateo nandritra ny fifidianana tamin'ny 2015 rehefa nampidirin'ilay antoko tao anatin'ny fampielezankeviny ny sainampirenena.
Es vergonzoso el uso d bandera española por manifestantes de Vox, en vez de la suya, verde. Lograrán que muchos españoles, que no son de Vox, vean la bandera española como símbolo faccioso de ultraderecha ("efecto Azor") https://t.co/ipei868u8s vía @expansioncom
— Manuel Conthe (@mconthe) May 23, 2020
Mahamenatra ny fampiasàna sainampirenena nataon'ireo mpanao hetsipanoherana avy amin'ny VOX, fa tsy ilay maintso izay azy ireo manokana. Hahatonga ireo Espaniôla marobe izay tsy mpiaraka amin'ny VOX hihevitra ny sainampirenena espaniôla ho marika famantarana ny elatra havanana io (“Azor effect”)
Na izany aza, misy olona hafa fantadaza, toa an'i Pepe Reina, izay mpiandry tstokazo fahiny tao amin'ny ekipam-pirenena espaniôla, hanohana ireo hetsipanoherana.
Ah! Pues parece que ha salido gentecilla a la calle, no??🤝👏🏻🇪🇸#democracia #unidossomosmásfuertes pic.twitter.com/nG2uIU228t
— Pepe Reina (@PReina25) May 23, 2020
Ah! Araka izany, toa mivoaka eny an'arabe daholo ny olona rehetra, sa tsy izany?
Saingy misy ihany koa ireo feo mitsikera ny fifanoheran-kevitra iray eo amin'ny fanoheran'ny VOX momba ilay fihetsiketsehana feminista nidadasika be natao tamin'ny 8 Martsa ary ny nanaovan-dry zareo hetsiaka mitovitovy amin'izany ho an'ny daholobe amin'izao fotoana izao.
Vox el 8M vs Vox hoy #ElVirusSoisVoxotros pic.twitter.com/fgNP1HwnEq
— salfuman (@sulfatador) May 23, 2020
Vox tamin'ny 8 Martsa vs Vox amin'izao fotoana izao
Marobe ireo mpikambana ao amin'ny kaongresy avy amin'ireo antoko politika Más País, Unidas Podemos sy Esquerra Republicana, no samy nanome ihany koa ny heviny tao amin'ny Twitter:
La patria es cuidarnos. Nada que ver con el desfile de la insolidaridad de los señoritos. pic.twitter.com/uOpjx9UD4Y
— Íñigo Errejón (@ierrejon) May 23, 2020
Ny “Tanindrazana” dia ny fikarakaràntsika tena. Tsy misy idirany amin'ilay diabe tsy firaisankina amin'ireo tovolahy ireo
La "manifestación" en coche de Vox obstaculizando el paso de una ambulancia.
¿Puede haber una metáfora más precisa que esto? pic.twitter.com/mGquRATkVw
— ᴘᴀʙʟᴏ ᴇᴄʜᴇɴɪQᴜᴇ 🇪🇸 (@pnique) May 23, 2020
Ny “fihetsiketsehana” nampiasàna fiara nataon'ny VOX dia nibahana ny fandehanan'ny fiara iray mpitatitra marary.
Tsy afaka nisy fanoharana hafa netinety kokoa noho ity ve?
El fascismo es también un virus. pic.twitter.com/tOb4LQY1r3
— Gabriel Rufián (@gabrielrufian) May 23, 2020
Viriosy ihany koa ny fasisma
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Zahao ny pejy manokan'ny Global Voices amin'ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ireo fokonolona manerana izao tontolo izao Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...