Tia ilay hira vaovao an'i Shakira? Henoy ireo hira hafa manome hery avy amin'ny DJ iray

Pikantsary tamin'ny lahatsarin'i Villano Antillano miaraka amin'i Bizarrap tao amin'ny Youtube.

Indray alina dia nalaza teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny hira vaovaon'i Shakira. Tany Amerika Latina, nanjary fahatalanjonana ara-kolontsaina nianaran'ny mpankafy avy hatrany ny tononkiram-balifaty namelezana ny sakaizany taloha, mpilalao baolina kitra malaza Gerard Piqué, ary anaovam-pety tamin'ny gadona manintona. Anisan'ny tsongan-kira rap novokarin'ny DJ Arzantiniana Bizarrap (BZRP) izay nanamontsana ny zavabita tsara indrindra avy hatrany tao amin'ny Spotify ilay hira. Fotoana faha-53 amin'ireo andiany ny feon-kiran'i Shakira, ka izany no nahatonga ny anaran'ilay hira.

Efa talohan'ny niarahany niasa tamin'i Shakira no nahazo laza be tany Amerika Latina i Gonzalo Julián Conde, mpanakanto ao ambadiky ny Bizarrap. Nanomboka namokatra gadona hip-hop ho an'ireo mpanakanto Arzantiniana ao an-toerana izy ary nanomboka niara-niasa tsikelikely tamin'ireo olo-malaza  ao Amerika Latina tahaka ireo mpiangaly rap  Poerto Rikô Residente sy Nicky Jam. Shakira no mpanakanto malaza indrindra niara-niasa taminy hatramin'izao.

Nandray anjara tamin'ny famoahana ireo mpanakanto vehivavy mba halaza ihany koa i Bizarrap, indrindra fa ny vehivavy feminista sy ny vehivavy queer. Ao anatin'ny hodidina mampatanjaka ny kaonservatisma ara-politika sy ara-pivavahana, ary matetika iharan'ny herisetra sy fanavakavahana ny LGBTQ+, manampy amin'ny famolavolana ny kolontsaina pop sy ny kolontsaina amin'ny ankapobeny ho eo amin'ny sehatra azo antoka sy manome sehatra ho an'ny vehivavy rehetra i Bizarrap sy ireo mpanakanto ireo. Ireto ny telo amin'izy ireo.

Villano Antillano ft. BRZP #51

Tamin'ny volana Jona 2022, fantatra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny anarana hoe Volan'ny Fireharehana, niara-niasa tamin'ny mpanakanto Porto Rikana Villano Antillano i Bizarrap tamin'ny feon-kira #51, izay nahazo mpijery an-tapitrisany ora vitsy monja taorian'ny famoahana azy ny lahatsarin'izy ireo tao amin'ny YouTube. Milaza ny tenany ho vehivavy mpanova fananahana i Villana Santiago Pacheco, mampiasa ny mpisolo anarana she/them, ary mikasa an-karihary  hanome hery ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ny tonon-kirany. Heverin'i Villano ho fitaovam-piadiana ara-politika ny rap sy reggaeton, ka alainy ho ampiasainy indray ireo teny fanaratsiana trans (mpanova fananahana). Mahita ny tenany ho anisan'ny onjan'ny mpanakanto Amerikana Latina feminista mikatsaka ny fanomezan-kery sy fanafahana ara-nofo izy. Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana izy fa:

Nosotras venimos como en una ola. Si no soy yo es la que viene, si no soy yo la que sube, va a ser otra. Es un fuego que no se apaga, esa lucha y ese deseo de cambiar las cosas, aunque me cueste la vida, es algo que se lleva muy adentro.

Hoavy tahaka ny onja izahay. Raha tsy izaho no ho avy, raha tsy izaho no mitsangana dia ho vehivavy hafa izany. Afo tsy mety maty izany, ny tolona sy ny faniriana hanova zavatra, na dia mananda ny aiko aza izany, dia zavatra entiko lalina ao anaty.

Iray volana taorian'ny namoahana an'ity hira ity, dia niseho tampoka teo anilan'ilay superstar iraisam-pirenena Bad Bunny tamin'ny fampisehoana iray tany Puerto Rico izy. Amin'ny feon-kira faha-51, mihira rap tononkira manandratra ny fiheveran-tena sy mampitaha ny tenany amin'ny vehivavy malaza hafa izy, na foronina na tsia, tahaka ilay poeta Shiliana malaza Gabriela Mistral, na saribakoly Bratz, ilay mpilalao Chel amin'ny sarimihetsika Dreamworks “El Dorado,Rihanna na Jennifer Aniston, sy ny hafa.

Que si tengo un flow cabrón, que si meto la presión
Si tú no puedes conmigo, mala mía
Que si vengo pesaíta’, que si ya tengo tetitas
Si me tiré con tu gato, mala mía

Fa raha mafiloha aho, raha manapotsitra tsindry aho
Raha tsy afa-mitazona ahy ianao, ny ratsiko
Raha tonga mavesatra
loatra aho, raha efa nahazo nono aho
Raha nidaroka ny lehilahinao, ny ratsiko

Nathy Peluso ft. BRZP #36

Tamin'ny iray amin'ireo sanganasany voalohany, niara-niasa tamin'i Nathy Peluso, mpihira Arzantiniana vao misondrotra, mpiangaly rap sady mpamoron-kira i Bizarrap tamin'ny taona 2020. Nahazo laza tao anatin'ny roa taona lasa niaraka tamin'ny hira ballads, bachata, reggaeton, hip-hop, ary salsa i Nathalia Peluso, izay niaina ny ampahany betsaka tamin'ny fahatanorany tany Espaina. Nahazo ny loka rakikira safidy tsara indrindra tao amin'ny Latino Grammys ny rakikirany tamin'ny taona 2020, Calambre. Na dia maro aza ny karazan-kira hirainy, ny tononkirany feminista, izay manasongadina ny hakanton’ny vatana izay tsy mifanaraka amin’ny fenitry ny hatsaran-tarehy amin’izao fotoana izao, no re mahazatra amin'ny kantony. Tiany:

Que las chicas que tengan un cuerpo parecido al mío se sientan representadas y cómodas, y que las marcas fabriquen tallas más inclusivas porque yo misma a veces no encuentro pantalones que me entren

Mahatsapa ho voasolotena sy jenitra ireo tovovavy izay mitovy toe-batana amiko, sy ireo marika ireo manao habe sahaza kokoa ny maro satria indraindray ny tenako tsy mahita pataloha antonona ahy.

Ao amin'ny feon-kira faha-36, mankalaza ny vatany i Peluso ary mamerina ny fanevatevana “perra” ‘(“alikavavy”).

Una perra sorprendente
Curvilínea y elocuente
Magnificamente colosal
Extravagante y animal

Alikavavy mahagaga
Botabota sy mahay miteny
Goavana mahatalanjona
Mihoa-pefy sy mitoe-biby

PtaZeta ft. BRZP #45

Tamin'ny taona 2021, niara-niasa tamin'i PtaZeta, mpiangaly rap Espaniola vaovao, izay nahazo laza noho ny hirany reggaeton izay mifangaro amin'ny feo elektronika i Bizarrap. Iray amin'ireo mpanakanto lesbiana tokana eo amin'ny sehatry ny mozika an-tanàn-dehibe any Amerika Latina i PtaZeta, izay Zuleima González no anarany. Misokatra izy miresaka momba ny fananahany ao amin'ny tononkirany, araka ny nolazainy tamin'ny tafatafa iray:

Si solo me gustan las mujeres no me sale cantarle a un hombre, eso es así. Me tendría que poner en la piel de otra persona para componer, y estaría mintiéndole a la gente, porque esa no sería yo. A mí solo me valen las personas auténticas, por eso no lo dudé.

Raha vehivavy ihany no tiako dia tsy afaka mihira ho an'ny lehilahy iray aho, dia izay ihany. Tsy maintsy mametraka ny tenako eo amin'ny toeran'olon-kafa aho raha handrafi-teny, ary handainga amin'ny olona, satria tsy izaho izany. Olona marina ihany no mahaliana ahy, ka izany no tsy nahafantarako azy.

Tanjony ny hanapaka ny lasitra ahafahan’ny rehetra mankafy ny mozika sy ny dihy. Amin'ny hirany miaraka amin'i Bizarrap, mihira rap izy hoe:

Por eso, ma’, creo que voy a enfermar
Es que no sé lo que me da cuando te veo pasar
Se me nubla la vista y me cuesta hasta respirar
Cuando te veo en la pista, pai, me tienen que sacar

Izany no mety hamparary ahy, zavavy
Tsy haiko izay tsapako rehefa mahita anao mandalo aho
Manjavozavo ny masoko ary sarotra amiko ny misefo
Rehefa mahita anao eo amin'ny sehatra dandihizana aho, mila mamoaka ahy ry zareo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.