‘The Identity Matrix': Tetikasa vaovao ho an'ny sehatra nomerika Afrikana

Vao avy namoaka tetikasa vaovao mifantoka amin'ny tenim-pankahalana, fanodikodinam-baovao ary ny fandrahonana amin'ny sehatra nomerika Afrikana mandritra vanim-potoana mafana ara-politika ny Global Voices. Natomboka tamin'ny volana Martsa ary hifarana amin'ny volana Septambra ity tetikasa nomena anarana hoe “The Identity Matrix: Sehatra handrindrana ny fandrahonana an-tserasera amin'ny fanehoan-kevitra eto Afrika” ity. Izy io dia fanitarana ny tetikasa teo aloha izay natomboka tamin'ny taona 2019, nifantoka tamin'ny fitsabahana amin'ny zo nomerika aty Afrika mandritra ny hetsika ara-politika lehibe. Samy nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena amin'ny politikan'ny Teknolojian'ny Serasera sy ny Fampitam-baovao any Atsinanana sy Atsimon'i Afrika (CIPESA) ireo tetikasa roa ireo.

Afef, Amanda sy Nwach no hitarika ny tetikasa ary hampiofana, hanitsy ary hitarika mpanao gazety miisa fito avy any amin'ny faritra izay hamokatra tantara avy amin'ireto firenena manaraka ireto: Alzeria, Kamerona, Etiopia, Nizeria, Sodàna, Tonizia, Oganda izy ireo. Hita ao amin'ny lohahevitra ny tenim-pankahalana, ny lalànan'ny tambajotra sosialy, ny vehivavy mpikatroka sy mpanao gazety amin'ny sehatra nomerika ary ny fanavakavaham-bolonkoditra an-tserasera mifototra amin'ny fiteny na ny fiaviana ara-jeografika.

Adika amin'ny fiteny manjaka eo an-toerana ihany koa ny tantara ary haparitaka any amin'ny tambajotra sosialy amin'ny alàlan'ny fifanakalozan-kevitra nomerika efa voaangona. Mirary soa ho an'ny ekipa izahay ary manantena ny hamaky tsy ho ela ireo tantara!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.