(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2019)
Tsy ela akory izay, nivadika ho sahan'ady goavana nifanandrinan'ireo mpanao hetsipanoherana tsy mankasitraka ny governemanta sy ny polisy mpandrava korontana ireo toeram-ponenan'ny mpianatra maro tany amin'ireo oniversite ao Hong Kong, raha hiditra ny volana fahavalo amin'ny fihetsiketsehany hitazonana ny fitondrana demokratikany ny ao Hong Kong. Ny 17 Novambra, nanjary lasa toeram-pifandonana anisan'ireo nahery vaika indrindra fantatra hatramin'izao tao Hong Kong ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny oniversité politeknika.
Ny Alatsinainy 18 Novambra, 24 ora taorian'ny nampiasan'ny polisy mpandrava korontana ny baomba mandatsa-dranomaso, ny bala, ny tafondro rano ary fitaovana fandefasana feo mahatakatra lavitra mba hanoherana ireo baomban-tsolika, ny toraka biriky ary zana-tsipikan'ny mpanao fihetsiketsehana, mbola an-jatony ireo olona tratry ny fahirano tao anatin'ilay toeram-ponenana.
Hatramin'ny Alatsinainy 11 Novambra nanombohan'ilay fitokonana faobe, nandraman'ireo mpanao hetsipanoherana ny nanakana ireo làlana lehibe mba hanakorontana ny fifamoivoizana hiteraka fitokonana manerana ny tanàna. Asa fanakorontanana niteraka fifandonana mahery vaika tany amin'ilay toeram-ponenan'ny mpianatry ny oniversite Sinoa tao amin'ny faritra antsoina hoe “Faritany Vaovao” izay any amin'ny avaratra atsinanan'i Hong Kong, teo anelanelan'ny 11 sy 14 Novambra. Taorian'izay dia nikisaka tsikelikely tany afovoan-tanàna nankany amin'ny oniversite politeknika ny sahan'ady, noho ny toeram-ponenan'ny mpianatra manakaiky ny faritra be mpivezivezy manamorona ny tonelina mandalo ao ambanin'ny seranan”i Hung Hung.
Teo amin'ny toerana misy ireo tetezana roa izay manapaka ny arabe migodàna amin'ilay tonelina miampita ny seranana, izay sady mampifandray ny fiantsonan'ny fiarandalamby ao Hung Hom amin'ny fidirana mankany amin'ny oniversite, no tena toerana nisehoan'ny fifandonana. Hatramin'ny nanombohan'ny fitokonana faobe, avy eny ambony tetezana ireo mpanao hetsipanoherana no manipy zavatra mankeny amin'ny lalambe, sy nanangana tsipika fiarovan-tena akaikin'ireo fidirana ao amin'ny oniversite.
Ny 17 Novambra, herinandro taorian'ny fihetsiketsehana sy ny fifandonana, nihamafy ny fihenjanana rehefa nitady hamerina ny filaminana tao an- tanàna ny governemanta ao Hong Kong. Nanao fanambaràna ny polisy tamin'io fotoana io nilaza hoe:
Police warn that violent activities in the Hong Kong Polytechnic University have escalated to rioting. Anyone who stays behind or assists rioters may be liable to the offence of ‘Taking Part in a Riot’.
Mampitandrina ny polisy fa nivadika ho korontana ny hetsika mahery setra ao amin'ny oniversite politeknika, ka izay rehetra ao ambadika na manampy ireo mpanakorontana dia mety hohenjehina amin'ny heloka “fandraisana anjara aminà fanakorontanana”
Famonjàna 10 taona an-tranomaizina no sazy ambony indrindra ho an'ny fanakorontanana.
Tamin'ny 8 ora sy sasany alina tany ho any, nankeo amin'ny tetezana Cheong Wan niaraka tamin'ny kamiao roa mifono vy ireo polisy mpandrava korontana. Novalian'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny alàlan'ny baomba mandrehitra afo ka nihemotra ny polisy rehefa may ny kamiao iray.
Just tuned in from US time? #PolyU has been #HongKongProtests battleground for two days. Escalation began when police rolled armored truck twd students who threw back petrol bombs. Water cannon-ing & tear gas overnight. Police arrested medics, stopped ambulance & fired shots. pic.twitter.com/JU8FYoohE
— Carmen Ng 吳嘉文 (@Carmen_NgKaMan) November 17, 2019
Vao avy namadika ny ora ho amerikàna ve ianao? Sahan'adin'ny #HongKongProtests ny #PolyU nandritra ny roa andro. Nanomboka ny fihitarana rehefa nalefan'ny polisy ny kamiao mifono vy hankeny amin'ireo mpianatra nitoraka baomba solika. Fitifirana tamin'ny tafondro rano sy entona mandatsa-dranomaso nandritra ny alina. Nosamborin'ny polisy ny mpitsabo, nosakanany ny fiara mpitatitra marary ary nanao tifitra maromaro ry zareo.
— Carmen Ng 吳嘉文 (@Carmen_NgKaMan) 17 Nomvambra 2019
Nihamafy ny fifandonana taorian'io tranga io ary nampitandrina ny polisy fa hampiasa fitaovam-piadiana mahafaty amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mahery setra, ka niantso ny olona hiala tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra mialohan'ny handraisany fepetra bebe kokoa. Kanefa, rehefa nihemotra ireo andianà mpitsabo dia nosamborina avy hatrany.
Night, 17 Nov: Near PolyU, lots of volunteer doctors, paramedics and emergency medical technicians (EMT) were arrested and placed on the ground.#HongKongPolyU #HongKongPoliceTerrorism pic.twitter.com/C9yOIroMW3
— chris (@chris02337801) November 17, 2019
Ny alin'ny 17 Novambra, teo akaikin'ny PolyU, maro ireo mpitsabo mpirotsaka an-tsitrapo, mpitsabo mpanampy sy teknisiana amin'ny fitsaboana vonjitaitra (EMT) no nosamborina ary natorevaka tamin'ny tany
— chris (@chris02337801) 17 Novambra 2019
Tokony ho tamin'ny 2 ora maraina teo ho eo, nisy mpanao lalàna, mpitondra fiangonana ary mpiasa mpitantana ny oniversite nanandrana hiditra tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra mba hanamaivana ny fihenjanana, saingy tsy navelan'ny polisy niditra izy ireo.
Rehefa nandraman'ireo polisy mpandrava korontana ny hiditra tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra, ny maraimben'ny 18 Novambra, nodoran'ireo mpanao hetsipanoherana ny toerana sasantsasany tao amin'ny oniversite mba ho toy ny sakana:
Photo by hkcnews. Its witness said #HongKong police has stormed into #PolyU campus, where students are still defending themselves with petrol bombs. Online buzz say many were injured by water cannons. Live feeds are scarce as many key local media aren’t inside. #HongKongProtests pic.twitter.com/dXk5sOXefa
— Carmen Ng 吳嘉文 (@Carmen_NgKaMan) November 17, 2019
Sary an'ny hkcnews. Nambaran'ilay vavolombelona tao fa nanaovan'ny polisin'i #HongKong amboletra ny toeram-ponenan'ny mpianatra tao amin'ny #PolyU, toerana izay mbola niarovan'ireo mpianatra ny tenany taminà baomban-tsolika. Lazain'ireo tabataba ety anaty tambajotra fa marobe no naratra vokatry ny tifitra tafondro rano. Zara raha nisy ireo fahambaovao mivantana satria maro tamin'ireo media manana ny lanjany ao an-toerana no tsy tafiditra tany anatiny. #HongKongProtests pic.twitter.com/dXk5sOXefa
— Carmen Ng 吳嘉文 (@Carmen_NgKaMan) 17 Novambra 2019
Anjatony ireo mpanao hetsipanoherana avy ao anaty toeram-ponenan'ny mpianatra no nanohy nitolona nandritra ny alina manontolo:
0420 at #PolyU
It is almost dawn and they still maintain their belief and determination that people will come forward as reinforcements. They continue to fight for HongKongers.Photo: Pakkin Leung Facebook#Tiananmen2019 #HumanitarianCrisis #StandwithHongKong pic.twitter.com/RNvKlwdFZP
— Hong Kong – Be Water (@BeWaterHKG) November 17, 2019
04:20 eto amin'ny #PolyU
Efa mangiran-dratsy izao fa mbola mitohy mino sy manantena ry zareo hoe hisy olona ho avy hanatevina laharana azy ireo. Tohizan-dry zareo ny tolony ho an'ireo HongKongers.Sary: Pakkin Leung Facebook#Tiananmen2019 #HumanitarianCrisis #StandwithHongKong pic.twitter.com/RNvKlwdFZP
— Hong Kong – Be Water (@BeWaterHKG) 17 Novambra 2019
Teny amin'ny manodidina ny toeram-ponenan'ny mpianatra, betsaka ireo nirotsaka an'arabe mba hametraka sakana handrebirebena ireo polisy mpandrava korontana tsy hanao hetsika hamely ireo mpiaraka manao hetsipanoherana ao anatin'ny Oniversite Politeknika:
Residents near #PolyU are rushing to the university to save student protesters. As the road to the university has been blocked by police, they are confronting the police in Hung Hom, Mongkok, Yau Ma Tei, Whampoa, Jordan and Tsim Sha Tsui. https://t.co/PbbkOodmst
— madeinhomekong (@madeinhomekong) November 17, 2019
Nihazakazaka nankany amin'ny oniversite ireo mponina teny akaikin'ny #PolyU mba hamonjy ireo mpianatra mpanao hetsipanoherana tao. Koa satria nobahanan'ny polisy ilay làlana mitondra ho any amin'ny oniversite, dia nifanandrina tamin'ny polisy tao Hung Hom, Mongkok, Yau Ma Tei, Whampoa, Jordan sy Tsim Sha Tsui ry zareo . https://t.co/PbbkOodmst
— madeinhomekong (@madeinhomekong) 17 Novambra 2019
Ny Alatsinainy maraina, an-jatony ireo mpanao hetsipanoherana no mbola tsy tafavoaka tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra. Im-betsaka nanandrana nandrava io fahirano io ry zareo, ary raha tafita ny sasany, ny hafa kosa voasambotra:
What met the break out group from #PolyU immediately were heavy firing of tear gas and water cannon. While some began to flee back to campus, many tried to hold down. pic.twitter.com/wAwYsLC9s5
— Xinqi Su 蘇昕琪 (@XinqiSu) November 18, 2019
Tifitra mavesatra tamin'ny tafondro rano sy entona mandatsa-dranomaso no avy hatrany dia nitsena ireo andiany tafavoaka avy tao amin'ny #PolyU. Ny sasany nanomboka nandositra azy ireny ka niverina tany amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra, maro koa ireo nanandrana ny nanohitra. pic.twitter.com/wAwYsLC9s5
— Xinqi Su 蘇昕琪 (@XinqiSu) 18 Novambra 2019
Tao anatin'ny toeram-ponenana, naratra ny sasany tamin'ireo mpanao hetsipanoherana, ary taorian'ireo antso vonjy maro naverimberina, dia navela niditra tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra ihany ireo mpiasan'ny fahasalamàna:
At 2pm, almost 18 hours after completely surrounding the PolyU campus, police finally allowed a group of Red Cross volunteers to enter the campus, amid reports of large numbers of seriously wounded.
Photo: Stand News. #hongkong pic.twitter.com/XuPxNUT5HO
— Hong Kong Free Press (@HongKongFP) November 18, 2019
Tamin'ny 2 ora tolakandro, efa ho ora 18 taorian'ny nanaovan'ny polisy fahirano tanteraka ny toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny PolyU, navelan'ny polisy niditra tao ihany ny andiany misy ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny Vokovoko Mena nony farany, rehefa nalefa ireo tatitra milaza fisianà marobe maratra mafy.
Sary: Stand News. #hongkong pic.twitter.com/XuPxNUT5HO
— Hong Kong Free Press (@HongKongFP) 18 Novambra 2019
Efa ho fito volana mahery izao no naharetan'ireo hetsipanoherana ao Hong Kong, mitombo mihenjana ny tady nefa toa tsy vitan'ny governemanta ny mamaha ilay toedraharaha. Araka ny fanamarihan'ny iray amin'ireo mpisera, tsy vitan'ny lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong, Carrie Lam, ny mampitsahatra ireo korontana:
Good point. Where IS Carrie Lam? Is she even in charge anymore? The HK gov’t has effectively disappeared. PLA soldiers come out on the streets ‘voluntarily’ for clean up — Carrie didn’t make the request. The Siege of PolyU is looking like the battle of El Alamein.Where is Carrie? https://t.co/FXcbez8Ucg
— Keith Richburg (@keithrichburg) November 17, 2019
Teboka tsara. Aiza i Carrie Lam IZAO ? Mbola misahana ny raharaha ihany va re izy izay? Tena nanjavona tsotra izao ny governemantan'i HK. Mirotsaka manao asa fanadiovana an-tsitrapo eny an'arabe ireo miaramilan'ny PLA — tsy nangataka na inona na inona anefa i Carrie. Toy ny ady tao El Alamein no fijery ny fahirano atao amin'ny PolyU. Aiza i Carrie? https://t.co/FXcbez8Ucg
— Keith Richburg (@keithrichburg) 17 Novambra 2019