Afaka mianatra anaty sekoly an-tsambo ireo vondrom-piarahamonina dibo-drano any Bangladesh

Sambo fampianarana Shidhulai Swanirvar Sangstha. Pikantsary avy amin'ny horonantsarin'ny Great Big Story YouTube.
Fandaharan'asa vaovao nataon'ny FTMF (ONG) BRAC ny Shikkha Tori, adika ara-bakiteny hoe ‘sambo fampianarana’ ary ahafahan'ny ankizy monina any amin'ny faritra sasany tratran'ny tondra-drano betsaka indrindra sy ny faritra iva any Bangladesh hanatrika lakilasy anaty sekoly an-tsambo .
Iray metatra monja no elanelan'ny haavon'ny ranomasina amin'ny iray ampahatelon'ny faritra ao Bangladesh, indrindra ny faritra any avaratra-atsinanana. Lasa rano be midadasika mandritra ny vanim-potoanan'ny orana sy ny rivotra ireo faritra mando ireo izay antsoina hoe haor any an-toerana ary mijanona ho tondradrano mandritra ny 7 ka hatramin'ny 8 volana isan-taona. Mandritra io vanim-potoana io, difotra ny lalana ka tsy ahafahan'ireo mpianatra avy amin'ny fianakaviana mahantra manatrika ny sekoly mahazatra.
Na izany aza, nanomboka nampiditra ny sekoly an-tsambo ho fomba iray hitondrana an-dakilasy ireo ankizy ny fikambanana tsy mitady tombontsoa toa ny Shidhulai Swanirvar Sangstha, ary taty aoriana, ny BRAC. Natao ho mpitatitra rano ihany koa ireo sambo ireo izay maka ireo mpianatra mivantana avy any an-tranony.
I Mohammed Rezwan, mpanorina sady tale mpanatanteraka ao amin'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha no nahita ny hevitra tamin'ity sambo fampianarana ity noho ny fahatsiarovany ny fahazazany. Nihalehibe tao amin'ny faritra iray tratran'ny tondra-drano matetika izy ary tamin'ny alàlan'ny sambo fampianarana izay an'ny fianakaviany no hany mba nahafahany nianatra nandritra ny vanim-potoanan'ny orana sy ny rivotra. Na izany aza, maro tamin'ny namany tamin'ny fahazazany no tsy afaka nisitraka izany.
I thought, if the children cannot come to school because of floods, then the school should go to them by boat.
Nieritreritra aho fa raha tsy afaka mankany am-pianarana ireo ankizy noho ny tondra-drano dia tokony hanatona azy ireo ny sekoly an-tsambo.
Tamin'ny taona 2002 no nandray fivoy ny sekoly an-tsambo voalohany niaraka tamin'ny fanampiana avy amin'ny fikambanana toy ny Orina Mpanasoa Global Fund for Children sy ny Orina Mpanasoa Bill sy Melinda Gates.
Maherin'ny 9 tapitrisa ny isan'ny mpianatra mandeha amin'ny sekoly fanabeazana fototra ao amin'ny firenena, raha manodidina ny 110.000 kosa ny isan'ny sekoly fanabeazana fototra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana. Manodidina ny 20 tapitrisa ireo mponina monina amin'ny faritra mando ao amin'ny firenena ary latsaky ny 1% -n'ny mponina monja ao amin'ny faritra no mahavita ny fampianarana ambaratonga faharoa.
Nanomboka ny sekoly an-tsambo voalohanyihany koa ny BRAC, FTMF=ONG lehibe indrindra any Bangladesh, tamin'ny taona 2012 ho ampahany amin'ny tetikasan'izy ireo ho an'ny fanabeazana.
Nahatratra 80.000 mahery ireo mpianatry ny sekoly an-tsambon'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha hatramin'ny nanombohan'ny tetikasa, ary nahatratra 14.000 mahery ny sambon'ny BRAC. Samy nampiakatra ny tahan'ny fidirana an-tsekoly ireo hetsika roa ireo.
Floating School in Bangladesh. Almost 80,000 children already have taken education [level IV] from here since 2002. This type of 25 floating boats are very active in Pabna, Natore and Sirajganj districts in 8 different rivers by SSS- Shidhulai Swanirvar Sangstha. pic.twitter.com/oscfetxmRx
— Riton Quiah (@fixerBD) November 6, 2019
Sekoly an-tsambo any Bangladesh. Efa ho 80.000 ireo ankizy nahazo fampianarana (fanabeazana fototra) nanomboka hatramin'ny taona 2002 hatreto. Tena mavitrika any amin'ny distrikan'i Pabna, Natore ary Sirajganj ity sekoly an-tsambo misy karazany 25 ity amin'ny renirano miisa 8 noho ny SSS- Shidhulai Swanirvar Sangstha.
Na dia tsy ao anaty rindrina efatra toy ny ny efitrano fampianarana mahazatra aza no hanaovana ny fampianarana dia voaporofo fa tsy mena-mitaha amin'ny mpianatra hafa ao amin'ny firenena ireo mpianatra avy amin'ireo tetikasa ireo.
Ahitana trano famakiam-boky kely, zoro-trano hianarana momba ny siansa ary solosaina enti-tànana misy aterineto ny sambo Shidhulai Swanirvar Sangstha sasany raha manana takela-masoandro izay mamatsy herinaratra ny sambo amin'ny alina mba ahafahan'ny mpianatra miasa amin'ny atoandro manatrika ny fampianarana kosa ny sambo hafa sasany.
Avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana no nangalana ireo mpampianatra ary nofanina hiresaka amin'ny mpianatra izy ireo ny momba ny fitomboan'izy ireo ara-tsaina sy ara-batana, ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro ary ny fomba samihafa hiarovana ny tontolo iainana.
To overcome this, one local charity has decided to take the classrooms to the students in the form of schools on boats. This boat is one of 23 floating year-round schools in this part of #Bangladesh run by Shidhulai Swanirvar Sangstha, a local nonprofit group. pic.twitter.com/z6MO9smkfl
— Suresh C (@SrshC) September 12, 2018
Nisy ny mpanao asa soa tao an-toerana nanapa-kevitra ny hitondra an-dakilasy ireo mpianatra amin'ny endrika sekoly an-tsambo. Ity sambon'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha ity, vondrona tsy mitady tombontsoa ao an-toerana dia iray amin'ireo sekoly miisa 23 mavitrika mandritra ny taona any amin'iny faritr'i Bangladesh iny.
Nizara lahatsoratra momba ny sekoly an-tsambo ny HundrED.org:
“BRAC Boat Schools are the product of a simple yet powerful idea: if children living in isolated areas cannot go to school, then the school should go to them.” @BRACworld transforms the lives of children in regions prone to flooding. Find out how! https://t.co/nqTxkJgA4D pic.twitter.com/Cd9FK4Dmo8
— HundrED.org (@HundrEDorg) May 7, 2018
“Teraka avy amin'ny hevitra tsotra nefa matanjaka ny Sekoly an-tsambo BRAC: manatona ny ankizy mipetraka any amin'ny faritra mitoka-monina ny sekoly raha tsy afaka mandeha any an-tsekoly izy ireo.” Nanova ny fiainan'ny ankizy any amin'ny faritra lasibatry ny tondra-drano ny @BRACworld !
Nisioka i Jennifer Feeney:
Great Idea: In flood prone Bangladesh Shidhulai Swanirvar Sangstha operates 54 floating schools and medical clinics while working with local communities to build floating farms. https://t.co/SUbND30tZU pic.twitter.com/VctJEKH80r
— Jennifer Feeney (@JenniferFeeney) October 9, 2019
Hevitra Tsara: Any amin'ny faritry ny tondra-drano any Bangladesh no hiasan'ny Shidhulai Swanirvar Sangstha amin'ny sekoly mihevaheva sy toeram-pitsaboana miisa 54 sady miara-miasa amin'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana amin'ny fananganana toeram-pambolena mitsingevana.
Nalain'ny firenena an-dalam-pandrosoana hafa tahaka toa an'i Filipina, Kambodza, Nizeria, Vietnam ary Zambia ny foto-kevitry ny sekoly an-tsambo.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...