Nanokatra tambajotra hanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena ireo mpikatroka Angoley

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2017)

Fitaovam-pifidianan'ny antoko mpitondra MPLA sy ny kandidà-ny João Lourenço, nahazoana alàlana (Jiku).

Teo am-panatontosana ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana (23 Aogositra 2017) i Angola. Izany no fotoana voalohany, hatramin'ny fahaleovantena, tsy hilatsahan'ny filoha José Eduardo dos Santos ho kandida.

Nankatoavin'ny komity foiben'ny antoko mpitondra, Movimento Popular pela Libertação de Angola (MPLA) ny lisitry ny fifidianana, ny 4 febroary ary notarihin'ny minisitry ny fiarovana teo aloha, Jeneraly João Lourenço, izay ho lasa filoham-pirenena raha toa ka mandresy amin'ny fifidianana ny MPLA.

Anisan'ireo mpanohitra, nisy antoko roa fanta-daza no nifaninana – ny União Nacional para a Independência Total de Angola (UNITA) sy ny mpiara-dia Convergência Ampla de Salvação de Angola (CASA-CE). Raha momba ny mpifidy, miisa 9,4 tapitrisa ireo Angoley no nantsoina ho any amin'ny birao fandatsaham-bato.

Nisy ny tsy fahatokisana betsaka momba ny mangarahara tamin'ireo fifidianana ireo. Ohatra, ny fahataran'ny fanasana ho an'ny mpanara-maso avy amin'ny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny tsy fanarahana ny fepetra notakian'ny UE no antony lehibe nandavan'izy ireo ny fanaraha-maso ny fifidianana. Niampanga ny manampahefana Angoley ho tsy liana tamin'ny fanaraha-mason'ny Vondrona Eoropeana Ilay mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana, Ana Gomes:

A verdade é que as autoridades angolanas não quiseram dar condições para essa missão ir a Angola, porque caso contrário tinham feito o convite há muito tempo. Portanto, se o Governo angolano escolheu apresentar o convite tão tardiamente, inclusivamente depois de uma missão de peritos eleitorais que a UE enviou para Angola e nem sequer no convite reuniu as condições básicas, que sabe perfeitamente que são exigidas pela UE porque são padrões para qualquer país onde a UE vá observar, então a minha conclusão é que, de fato, não havia vontade política nenhuma das autoridades angolanas convidarem a UE para observar as eleições.

The truth is that the Angolan authorities did not want to provide the conditions for this mission to go to Angola, because otherwise they would have sent the invitation long ago. So, if the Angolan government chose to send the invitation so late, including after a mission of electoral experts that the EU sent to Angola and not even the invitation met the basic conditions, which it knows perfectly well that they are required by the EU because they are the standards for any country where the EU goes to monitor, then my conclusion is that, in fact, there was no political will of the Angolan authorities to invite the EU to observe the elections.

Ny marina dia tsy te hameno ny fepetra ho an'ity iraka handehanana ho any Angola ity ny mpitondra Angoley, satria tokony efa ela izy ireo no nandefa ny fanasana raha tsy izany. Ka raha nisafidy ny handefa ny fanasana efa tara loatra ny governemanta Angoley, anisan'izany ny taorian'ny nandefasan'ny Vondrona Eoropeana manam-pahaizana manokana momba ny fifidianana tany Angola ary na dia ny fanasana aza dia tsy nahafeno ny fepetra fototra ilaina, kanefa fantatr'izy ireo tsara fa takian'ny Vondrona Eropeana izany satria izany no fenitra ho an'ny firenena rehetra izay hanaovan'ny Vondrona Eoropeana fanaraha-maso. Noho izany raha araka ny hevitro, raha ny marina, tsy nisy ny finiavana ara-politika avy amin'ny manampahefana Angoley hanasa ny Vondrona Eoropeana hanara-maso ny fifidianana.

Anisan'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana Handeka izay nanangana ny tetikasa Jiku, hetsika iray izay nikendry ny olom-pirenena, ankoatra ny fandrotsaham-bato fotsiny mba hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana amin'ny andron'ny fifidianana. Mikendry ny hanangonam-baovao amin'ny sehatra iray – www.jikuangola.org – ny Jiku ary manome toerana ho an'ny olona handefa ny fitarainany sy ny fangatahany.

Nanazava ity tranonkala ity fa teny Kikongo ny teny hoe “Jiku” izay midika hoe “toerana ho an'ny fifanakalozan-kevitra momba ny olana, amin'ny ankapobeny manodidina ny afon-dasy”, ary ampahany voalohany amin'ny teny hoe “Jikulumessu”, izay midika hoe “sokafy ny maso”.

Ahitana olona Angoley efa fanta-daza ny Jiku, toy ny praiminisitra teo aloha Marcolino Moco, i Luaty Beirão sy Mbanza Hamza avy amin'ireo vondrona mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona 15+2, izay niteraka resabe satria notanana am-ponja nandritra ny volana maro tamin'ny fiampangana azy ireo tamin'ny fanakorontanana, talohan'ny namoahana azy ireo taorian'izay.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny DW África, nanazava ny hevitra fototry ny Jiku ilay mpikatroka Luaty Beirão :

Incentivar as pessoas a não se comportarem como eleitores numa democracia comum onde as pessoas vão, votam, escolhem o seu candidato e voltam para casa. Porque todos nós nos queixamos de vícios e irregularidades eleitorais, então é preciso que todos se comportem como monitores eleitorais e que estejam atentos.

Amporisiho ny vahoaka tsy hanao tahaka ny mpifidy amin'ny demaokrasia mahazatra izay handehanan'ny vahoaka, mifidy, hisafidy ny kandidà-ny ary miverina mody. Satria samy mitaraina amin'ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tsy fahatomombanana amin'ny fifidianana avokoa isika rehetra, noho izany dia ilain'ny rehetra ny mihetsika ho toy ny mpanara-maso ny fifidianana ary mba ho mailo hatrany.

Tao amin'ny lahatsoratra Facebook, nametra-panontaniana momba ny anjara asan'ny manampahefana mahazatra amin'ny fifidianana ihany koa ny pejin'ny Jiku :

AUTORIDADES TRADICIONAIS E AS ELEIÇÕES

Depois de exatamente 1 hora de direto da TV Zimbo às atividades que ocorreram em simultâneo esta manhã no Huambo (‘Candidato’ João Lourenço) e Luanda (Higino Carneiro no Kilamba Kiaxi), eis que somos brindados com uma ‘autoridade tradicional’ que, encorajada pelo jornalista e citando atabalhoadamente uma passagem bíblica, confessa ter abençoado João Lourenço e que mais ninguém pode ser abençoado.

NY MANAMPAHEFANA NENTIM-PAHARAZANA SY NY FIFIDIANANA

Taorian'ny fampitana mivantana naharitra 1 ora tamin'ny TV Zimbo momba ny hetsika izay natao androany maraina tao Huambo (‘Kandida’ João Lourenço) ary Luanda (Higino Carneiro ao Kilamba Kiaxi) dia ampisehoana amintsika ny ‘fahefana nentim-paharazana’ eto izay nampirisihan'ny mpanao gazety sy ny fanononana kisendrasendra ny andinin-tsoratra baiboly ary nilazana ny fitsofan-drano an'i João Lourenço ary tsy misy olon-kafa hafa hahazo izany.

Mitovy amin'ny tetikasa Txeka ity hetsika ity izay noforonin'ireo tanora mpikatroka tany Mozambika nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2014, izay nanaovana ny asa fandinihana sy ny fanara-maso ny fotoana rehetra tamin'ny fifidianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.