Ny tanànan'i Siberie mikasa ny hifidy saka ho ben'ny tanàna
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2015)

Fanambatambarana sary an'i Kevin Rothrock.
Barnaoul, dia tanàna tranainy iray ao Siberia andrefana, miorina any amin'ny 2.900 kilaometatra atsinanan'i Maosko, ahitana mponina manodidina ny 700.000. Efa ho dimy taona izao ireto farany no tsy nifidy ny ho ben'ny tanànany. Arakaraky ny tsy analaviran'ny politika monisipaly azy ireo, nanomboka nanome marika tsy fahafaliana amin'izay ireo olom-pirenena tsotra. Izany no nanohanan'ny vondrom-piarahamonina iray ety anaty aterineto ny firotsahan'ny saka iray ho eo amin'ny toeran'ny ben'ny tanàna.
Nandritra ny ampahany betsaka tamin'ireo dimy taona lasa, Igor Savintsev no anaran'ny “tale monisipaly” tao Barnaoul. Nametraka fialàna izy tamin'ny Aogositra, rehefa nanaovan‘ireo mpanao fanadihadiana fitiliana ny fanararaotam-pahefana nataony. (Voampanga ho nanao varoboba an'ireo tany monisipaly tamin'ireo orinasam-pianakaviany i Savintsev, niteraka fahavoazana ho an'ny fitantanany izany, izay vinavinaina ho mitentina 155.000 dolara.) Savintsev no ben'ny tanàna voatendry ho an'i Barnaoul taty aorian'ny vanimptoana Sovietika ary tsy nofidian'ny vahoaka.
Ny zanaka lahin'i Savintsev, Maxim, dia somary tsy azo lazaina ho fakàn-tàhaka ihany koa. Tamin'ny taona lasa, anisany voasoratra tao anaty lisitra iraisam-pirenena misy ireo olona karohana izy rehefa nandositra ny fireneny noho ny fiampangana hosoka sy fanodikodinana vola. Rehefa avy tafaporitsaka tamin'ny mpitandro ny filaminana nandritra ny enina volana, tra-tehaka tany Thaïlande ihany i Maxim nony farany. Migadra ao amin'ny fonja Rosiana izy hatramin'izao, miandry ny fitsaràna azy.
Ifandroritan'ny andiana mpiasam-panjakana sy ireo mpandraharaha eo an-toerana ny sezan'i Igor Savintsev (tazonin'ny tale monisipaly mpisolo toerana vonjimaika). Ny 22 Desambra, hifidy ny ben'ny tanàna vaovao ao Barnaoul ny kaomisiona iray eo ambany fifehezan'ny filankevitra monisipaly,sy Alexander Karline, governora ao Altaï , ben'ny tanàna hisahana ireo andraikiny hatramin'ny taona 2017.
Eo no miditra an-tsehatra ny vondrompiarahamonina an-tserasera Altaï ao amin'ny Vkontakte (tambajotra sosialy malaza indrindra any Rosia). Ny 6 Desambra, herinandro telo taorian'ny fandraiketana ofisialy ireo kandidà rehetra mihazakazaka ho ben'ny tanàna, nanambara ny firotsahany ny Altaï Online, nanasa ireo mpikambana tao aminy mba hisafidy amin'ireo mpifaninana fito samihafa: ireo olona enina tena voarakitra marina ho kandidà, miampy an'i Barsik, ilay saka an'ny mpitantana ny vondrona. Herinandro taty aoriana, nahazo vato efa ho 4.500 (91,2 % tamin'ireo latsabato rehefa voaisa) i Barsik.
Lasa lohateny goavana tamin'ireo media rosiana ny fifidianana virtoaly nandresen'ny Altaï Online, izay ny fifidianana an'i Barsik dia tsy hafa fa solonà fandatsaham-bato “anoherana ny rehetra” fotsiny ihany [araka ny voalazan'ny fehezandalàna mifehy ny fifidianana]. Natokan'ny tranonkala Gazeta.ru ho an'i Barsik ny lahatsoratra misy teny miisa 1.000, miaraka amin'ireo fanehoankevitra feno haravoana avy amin'ireo tomponandraikitra isam-paritra momba ireo antoko politika rosiana “ara-drafitra” (ireo vondrona izay mahazatra ny mahita azy ireo mahazo toerana ao amin'ny parlemanta federaly, ary, farafaharatsiny mitàna anjara asa iray ao anatin'ny fandrafetana làlana eo amin'ny firenena). Ohatra, nanambara tao amin'ny Gazeta.ru ny tomponandraikitra iray avy amin'ny Just Rosia fa “tsy eo amin'ireo kandidà no olana. Fanoherana ny rafitra eto amintsika io, amin'ny fanendrena amin'ireo toerana ho an'ny mpitantana. Tsy mba naneho fialantsiny tamin'ireo olona tantaniny akory ny filankevitra monisipaly ankehitriny momba ny tsy fahaiza-mitantan”ilay tale monisipaly farany”. MAndritra izany fotoana izany, ny solontenan'ny Antoko Kaominista, izay tsy nanolotra kandida ho an'i Barnaoul, nilaza fa ” ireo latsabato ho an'ilay saka dia fanehoan'ny mponina ny fhavononany haneho ny tsy hafaliany”.

Sary namboarina) “Iza? Saka” (Amin'ny teny rosiàna, mitovitovy ireo teny roa) Pikantsary: Vkontakte.
Fa ho an'ny governora an'i Altaï, Alexander Karline, maika izy ny hiarahaba amin'ny fomba hafahafa ny fahatongavan'ny biby famantarana an'i Barnaoul tamin'ny fanambaràna tamin'ireo mpanao gazety fa “amin'ny alalan'ilay sary mahafinaritr'i Barsik, maneho ny firariantsoany ho an'izay vaovao hitarika ny tanànany ireo mponina eto aminay. Eto aminay, ampifandraisina amin'ny fiadanana sy ny fampaherezana ity biby be herim-po ity.”
Manana anaram-bositra hoe “Altaïskii Seyatel” (Tambanivohitr'i Altaï) ny mpitantana ny vondrom-piarahamonina Altaï Online”. Nangatahan'ny RuNet Echo izay eritreriny momba io fijoroan'ny rosiana ho an'ny sakany io, sy ny hafanampon'ireo antoko mpanohitra amin'ny fanafihan'i Barsik ny rotoroto. “Ny fahombiazan'i Barsik ilay Saka dia azony tamin'ny hoe na iray aza ireo olona eto amin'ity tanàna ity tsy misy mahafantatra mihitsy an'ireo kandidà hafa”, hoy ny fanazavan'i Tambanivohitr'i Altaï. “Tsy fantatra ny fandaharanasan'izy ireo, ny antony nirotsahan'izy ireo, ny tetikasan'izy ireo ho an'ny tanàna. Mampanontany tena ny antony ifalian'ny mpanohitra tahaka izany, nefa izy aza tsy afaka nandroso kandidà fantatry ny rehetra sy takatr'ireo mpifidy”.
Manelingelina an'ireo olona izay maniry ny hahazo ny toeran'ny ben'ny tanànan'i Barnaoul ankehitriny, ny filahatsahan'i Barsik dia toa tsy nitsiry teo ambony tanin-jezika mitovy amin'ny hetsika fanoherana izay fantatry ny ankabeazan'ireo vahiny araka izay vakiany mikasika ny fihetsiketsehana ao Rosia. Tandreman'i Tambanivohitr'i Altaï ny tsy hitsikera mivantana ny kilasy politika, ary nilaza tamin'ny Gazeta.ru fa lavitra an'i Barsik ny ho mpanohitra. Mbola mampiharihary kokoa ihany, niteny koa izy fa tian'i Barsik ny Mandatehezam-bahoakan'i Rosia manontolo – hetsika iray ara-politika natombok'i Vladimir Poutine tamin'ny taona 2011, tao anatin'ny fikasàny hamorona tahirim-panohanana avy any ivelan'i Rosia Mitambatra, antoko politika mitantana ny firenena.
Nolazain'ny Tambanivohitr'i Altaï tamin'i RuNet Echo ny fanantenany hoe manampy amin'ny fanomezana laza ny tanàna i Barsik, tahaka an'ilay “ben'ny tanànan'ny vahoaka” na hanao azy ho toerana mahasarika ny mpizahatany. “Efa anisany tafiditra anatin'ny politikam-paritra sahady i Barsik”, hoy ny tompony, “ary tsy eritreriny velively ny hiàla amin'ny tanjony ara-politika”.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...